Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:37 - DIEM PROTESTANTA

37 Dia hafatotra amin’ny tady volon’ondry miloko volomparasy eo ambonin’ny satroka fehiloha, eo anoloana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Asio kofehy manga izy io ka ataovy eo amin’ny fehiloha, fa eo anoloan’ny fehiloha no hasiana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Dia hafatotra amin’ny tady volon’ondry miloko volomparasy eo ambonin’ny satroka fehiloha, eo anoloana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 Dia afehezo amin’ny ribà jaky volomparasy amin’ny hamama dia hatao eo anoloan’ny hamama io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin’ny hamama: dia eo anoloan’ny hamama no hasiana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin'ny hamama: dia eo anoloan'ny hamama no hasiana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

37 Asio kofehy manga izy io ka ataovy eo amin’ny fehiloha, fa eo anoloan’ny fehiloha no hasiana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:37
10 Rohy Ifampitohizana  

Hatohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda.


«Ny akanjo lava ivelany izay hitondran’i Aharôna ny efôda dia hatao manontolo amin’ny volon’ondry miloko volomparasy.


«Hisy takela-bolamena madio iray hamboarina, ka hatao miendrika voninkazo ary eo amboniny hasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: ‹Voatokana ho an’ny TOMPO›.


Hoentin’i Aharôna mandrakariva eny amin’ny handriny io takela-bolamena io rehefa hiseho eo anatrehako Izaho TOMPO izy, ka amin’izay dia hoekeko ny fanatitra rehetra izay hatokan’ny Israelita ho Ahy na dia manao hadisoana aza ireo amin’ny fanolorana azy.


Ireo fanamiana izay hataony dia ny saron-tratra, ny efôda, ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny satroka fehiloha ary ny fehikibo. Hanaovan’i Aharôna rahalahinao sy ny taranany ireo rehefa manao fisoronana amiko izy.


Apetraho eo an-dohany ny satroka fehiloha, ary apetraho amin’ny satroka fehiloha kosa ny marika maha voatokana.


Napetrany teo an-dohany kosa ny lamba satro-doha; ary napetrany teo anoloan’ilay satro-doha ny takela-bolamena, marika famantarana fa voatokana ho an’ny TOMPO i Aharôna, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Ary nandidy ireo olona indray ilay anjely hanisy hamama madio eo an-dohan’i Josoa. Dia nasiany hamama madio ny lohany sady nampiakanjoiny fitafiana madio teo anatrehan’ilay anjelin’ny TOMPO izy.


mba hamepetra ny Israelita hoe: –Aoka ianareo sy ny taranakareo mifandimby hanisy somotraviavy ny sisin’akanjonareo, ary koa kofehy volomparasy amin’ny somotraviavy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra