Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 27:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Koa ny kianja dia hirefy dimampolo metatra ny lavany, 25 metatra ny sakany; ary ny haavon’ny lamba temitra rongony dia ho roa metatra sy sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany dia ho dimampolo hakiho ary ny haavony dia ho dimy hakiho ka hatao amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona izany, ary ho varahina ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Koa ny kianja dia hirefy dimampolo metatra ny lavany, 25 metatra ny sakany; ary ny haavon’ny lamba temitra rongony dia ho roa metatra sy sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany ho dimampolo avy, ny haavony ho dimy hakiho, ny fefy lamba ho rongony fotsy madinika voahasina ary ny faladiany ho varahina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ny lavan’ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ny lavan'ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany dia ho dimampolo hakiho ary ny haavony dia ho dimy hakiho ka hatao amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona izany, ary ho varahina ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 27:18
3 Rohy Ifampitohizana  

«Ary momba ny fonena-masina, dia lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no hanaovana azy, ravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.


Hisy anjaka volafotsy hampitohy ny andry rehetra izay mamaritra ny kianja; ny farangony koa dia ho volafotsy, fa ny faladiany halimo.


Ny fitaovana rehetra fanampiny mba hahatomombana ny fonena-masina dia hatao halimo avokoa, ka isan’izany ny tsîmatra rehetra momba azy sy ny tsîmatra rehetra momba ny fefin’ny kianja.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra