Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 27:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Ny fitaovana rehetra fanampiny mba hahatomombana ny fonena-masina dia hatao halimo avokoa, ka isan’izany ny tsîmatra rehetra momba azy sy ny tsîmatra rehetra momba ny fefin’ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsatòkan-day rehetra momba azy sy ny tsatòkan-dain’ny kianja dia ho varahina koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Ny fitaovana rehetra fanampiny mba hahatomombana ny fonena-masina dia hatao halimo avokoa, ka isan’izany ny tsîmatra rehetra momba azy sy ny tsîmatra rehetra momba ny fefin’ny kianja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Ho varahina avokoa ny fanaka rehetra hampiasaina amin’ny raharahan’ny Fonenana, ny tsimatra rehetra ao aminy ary ny tsimatry ny kianja.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsatòkan-day rehetra momba azy sy ny tsatòkan-dain’ny kianja dia ho varahina koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 27:19
14 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitray ô, no fotoanandro nanehoanao famindrampo taminay, ka navelanao ho nisy sisa afaka izahay ary hiorim-ponenana eto amin’ity faritrao masina ity; dia nampamirapiratinao ny masonay ary nataonao velombelona kely ny ainay ao anatin’izao fahandevozanay izao.


Koa ny kianja dia hirefy dimampolo metatra ny lavany, 25 metatra ny sakany; ary ny haavon’ny lamba temitra rongony dia ho roa metatra sy sasany.


«Ary ianao, ry Mosesy, mandidia ny Israelita hitondra aminao menaka ôliva tsara sy madio mba handrehetana ny jiro tsy tapaka.


Halimo koa no hanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.


ny tsîmatra momba ny fonena-masina sy ny fefin’ny kianja miaraka amin’ny tady mifandraika aminy;


Ny tsîmatra rehetra momba ny fonena-masina sy ny momba ny fefin’ny kianja dia samy natao halimo avokoa.


ny faladian’ny fefy sy ny fidirana teo an-kianja ary ny tsîmatra rehetra momba ny fonena-masina sy momba ny fefin’ny kianja.


–ny temitry ny kianja miaraka amin’ny andriny sy ny faladiany, ny varavarana lamba eo amin’ny vavahadin’ny kianja, miaraka amin’ny tadiny sy ny tsîmatra; –ny fitaovana rehetra fampiasa amin’ny raharaha ao amin’ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana;


Ny tenin’ny hendry dia manindrontsindrom-panahy tahaka ny fanjaitra; ary ireo mpanangona azy dia mamefy soritra tahaka ny tsatomarika. Fanomezana avy amin’ilay hany mpitarika avokoa ireny.


Ndeha topazonao maso i Tsiôna, fankalazàntsika ny fety firavoravoana, dia ho hitanao i Jerosalema, fonenana tony tokoa toy ny lay tsy hahorona intsony, ka ny tsimatra aminy tsy hongotana ary ny kofehiny tsy hovahana intsony.


Avy ao aminy no hipoiran’ny filoha rehetra izay azo antoka toy ny vatofehizoro, matotra toy ny tsatokan-day, ary hentitra toy ny tsipîkan’ady.


Mbola izy ireo koa no niandraikitra ny andry manodidina ny kianja masina mbamin’ny faladiany sy ny tsatòka ary ny tady.


ny andrin’ny fefin’ny kianja mbamin’ny faladiany, ny tsatòka sy ny tady ary ny kojakoja rehetra ho an’ny fanompoany. Atao lisitra ny anaran’ireo zavatra izay hoentin’ny tsirairay avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra