Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 27:18 - Baiboly Katolika

18 Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany ho dimampolo avy, ny haavony ho dimy hakiho, ny fefy lamba ho rongony fotsy madinika voahasina ary ny faladiany ho varahina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany dia ho dimampolo hakiho ary ny haavony dia ho dimy hakiho ka hatao amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona izany, ary ho varahina ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Koa ny kianja dia hirefy dimampolo metatra ny lavany, 25 metatra ny sakany; ary ny haavon’ny lamba temitra rongony dia ho roa metatra sy sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Koa ny kianja dia hirefy dimampolo metatra ny lavany, 25 metatra ny sakany; ary ny haavon’ny lamba temitra rongony dia ho roa metatra sy sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ny lavan’ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ny lavan'ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany dia ho dimampolo hakiho ary ny haavony dia ho dimy hakiho ka hatao amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona izany, ary ho varahina ny faladiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 27:18
3 Rohy Ifampitohizana  

«Ny hanaovana ny Fonenana dia ambainy folo; ny hanaovana azy ireo dia amin’ny rongony madinika voahasina, sy amin’ny jaky volomparasy, amin’ny kajy mangatrakatraka, ary amin’ny lamba mena antitra, asiana kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay.


Ny andriny rehetra manodidina ny kianja, dia hakamban’ny anja-bolafotsy, sy hasiana faraingo volafotsy, ary hisy varahina avokoa.


Ho varahina avokoa ny fanaka rehetra hampiasaina amin’ny raharahan’ny Fonenana, ny tsimatra rehetra ao aminy ary ny tsimatry ny kianja.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra