Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 22:25 - DIEM PROTESTANTA

25 «Raha maka ny lamban’ny namanareo ho anto-bola ianareo, dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro izany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Raha maka ny lamban’ny namanao ho antoka ianao dia haverinao aminy izany raha mbola tsy milentika ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 «Raha maka ny lamban’ny namanareo ho anto-bola ianareo, dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro izany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 «Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao, amin’ny mahantra eo aminao, aza mitsangan-ko mpanana vola aminy, aza maka zana-bola aminy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Raha maka ny lamban’ny namanao ho tsatòka hianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Raha maka ny lamban'ny namanao ho tsatòka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Raha maka ny lamban’ny namanao ho antoka ianao dia haverinao aminy izany raha mbola tsy milentika ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 22:25
20 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro dia nisy vehivavy vadina lehilahy anisan’ny andia-mpaminany, tonga nitaraina tamin’i Elisà nanao hoe: –Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa nanaja ny TOMPO izy. Tonga ao anefa ny tompon-trosa haka ny zanako roa lahy mba handevoziny.


Ary lasa ravehivavy nitantara ny zava-nitranga tamin’ilay olon’Andriamanitra, izay nilaza taminy hoe: –Andeha amidio izany ilomanitra izany hanefanao ny trosan’olona; fa izay vola sisa kosa dia hivelomanao sy ireo zanakao.


Koa nanapa-kevitra anakampoko aho fa ny loholona sy mpanapaka no hanariko noho izy samy nampanàna zavatra tamin’ny mpiray firenena aminy. Dia nampanao fivoriam-be hitsarana azy aho


sady tsy mba manisy zana-bola rehefa mampisambotra no tsy mba mandray tsolotra hamelezana ny tsy manan-tsiny. Izay manao izany sy izany dia tsy hihontsona na oviana na oviana.


Izay mitombo harena amin’ny zana-bola mihoa-pampana dia manangona ho an’izay miantra ny mahantra.


Lozako, ry Neny nahitako masoandro! Tsy misy olona toherina sy ilàna ady hoatra ahy eto amin’ny tany manontolo. Tsy nampanjana-bola aho na nisambotra volan’olona, nefa ozonin’ny olon-drehetra.


mampindram-bola mba hahazoana zana-bola sy tombony. Moa tokony ho velona ve io zanany lahy io? Tsia! Nanao ireo zava-dratsy rehetra maharikoriko ireo izy, ka ho faty tokoa ary ho tompon’andraikitry ny fahafatesany.


tsy miray tsikombakomba amin’ny tsy marina na mampindram-bola mba hahazoana zana-bola sy tombony. Manatanteraka ny fitsipiko sy manaraka ny lalànako, ka tsy ho faty noho ny fahadisoan-drainy fa ho velona tokoa.


Tsy mitsentsitra na mangalatra izy fa mamerina ny antoka amin’ny mpitrosa, ary manome hanina ho an’ny noana sy fitafiana ho an’ireo tsy manana.


Tsy mampindram-bola mba hahazoana zana-bola sy tombony izy, tsy miray tsikombakomba amin’ny tsy marina fa manao fitsarana tsy miangatra.


Ao aminao misy manaiky hotambazam-bola mba hamono olona, misy mampindram-bola hakana zanany tafahoatra sy mangoron-karena tamin’ny fandrobana ny namany, ka manadino Ahy mihitsy. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Lamba nomen’ny mahantra ho antoka no itsilailaizany eny akaikin’ny alitara rehetra eny; ary divay azo avy amin’ny sazy no sotroiny ao an-tempolin’ireo andriamaniny.


Noho izany, tokony ho napetrakao tany amin’ny banky ny volako ary ho noraisiko mbamin’ny zana-bola ny fananako rehefa tafaverina aho.


koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako, ka ho noraisiko mbamin’ny zana-bola rehefa tafaverina aho?»


Raha sendra misy mahantra ny mpiray firenena aminareo ao an-tanàna anankiray amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia aza anidianareo fo izy na anakombonanareo tanana;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra