Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 4:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ary nataony ny kianjan’ny mpisorona sy ilay kianja hafa lehibe kokoa miaraka amin’ny lelavavahady izay nopetahana takelaka halimo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Nanamboatra ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lelam-bavahadin’ny kianja izy ary nopetahany takelaka varahina ny lelam-bavahady.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ary nataony ny kianjan’ny mpisorona sy ilay kianja hafa lehibe kokoa miaraka amin’ny lelavavahady izay nopetahana takelaka halimo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Nanao ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe mbamin’ny vavahady izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary nanao ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin’ny kianja izy, ary nopetahany takela-barahina ny lela-vavahady.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary nanao ny kianjan'ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin'ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Nanamboatra ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lelam-bavahadin’ny kianja izy ary nopetahany takelaka varahina ny lelam-bavahady.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 4:9
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary nohodidinina rindrim-bato voapaika telo andalana mifanongoa sy rairainy sedera iray andalana ny kianja anatiny.


Ary manodidina ny kianja lehibe dia nisy tamboho natao vato voapaika telo andalana mifanongoa sy rairainy sedera iray andalana, tahaka ny tamin’ny kianja anatin’ny tranon’ny TOMPO sy tamin’ny lalantsara fidirana mankao.


Tao anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’ny TOMPO tokoa no nanorenany alitara hafa ho fanajana ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.


Tao anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’ny TOMPO tokoa no nanorenany alitara hafa ho fanajana ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka;


«Ny fonena-masina dia hohodidinina kianja izay fefen’ny temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Amin’ny lafiny atsimo, dia hivelatra eo amin’ny dimampolo metatra ny halavan’ny temitra;


Rehefa vitan-dralehilahy ny fandrefesana ny trano anatiny ao amin’ny tempoly, dia nentiny nivoaka ny vavahady atsinanana aho. Dia nandrefy ny manodidina ny tempoly izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra