Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 4:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Dia nataony koa ny latabatra folo izay napetraka tao amin’ny Toeramasina, dimy teo amin’ny ankavanana ary dimy teo amin’ny ankavia. Dia nataony ny tsatokaty volamena miisa zato mba ho famafazana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ny tempoly, teo amin’ny ankavanana ny dimy ary teo amin’ny ankavia ny dimy. Ary nanao lovia volamena famafazana miisa zato izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia nataony koa ny latabatra folo izay napetraka tao amin’ny Toeramasina, dimy teo amin’ny ankavanana ary dimy teo amin’ny ankavia. Dia nataony ny tsatokaty volamena miisa zato mba ho famafazana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Nanao latabatra folo izy, napetrany teo amin’ny tempoly: ny dimy teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia. Nanao kôpy volamena zato izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ny tempoly, dimy teo amin’ny ankavanana, ary dimy teo amin’ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin’ny tempoly, teo amin’ny ankavanana ny dimy ary teo amin’ny ankavia ny dimy. Ary nanao lovia volamena famafazana miisa zato izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 4:8
10 Rohy Ifampitohizana  

Nampanaovin’i Salômôna koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’ny TOMPO: dia ny alitara volamena; ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra;


Nampanaovin’i Salômôna natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an’Andriamanitra,


Eto amin’ity tendrombohitra Tsiôna ity, ny TOMPOn’izao rehetra izao dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy ombàn-divay niotrika ela, dia hena matavy be sy feno tsoka ary divay niotrika ela sady voadio tsara.


Ireo ihany no hiditra ao amin’ny Toerako masina sy hanatona ny latabatra natokana hanompoana Ahy. Hotandremany izay nasaiko hotandremana momba izany.


Amin’izany andro izany, na dia ny lakolosin-tsoavaly aza dia hisy soratra hoe: «Voatokana ho an’ny Tompo». Ny vilany tsotra ao amin’ny tempoly dia hoheverina ho masina tahaka ny tsatokaty famafazana izay eo anoloan’ny alitara.


Fa ianareo kosa manevateva izany amin’ny filazànareo fa ny alitaran’ny TOMPO dia tsy mendri-kaja, ary ny sakafo aterina eo dia tsizarizary.


Tsy azonareo atao ny hisotro ny fisotro aroson’ny Tompo no sady hisotro ny fisotro aroson’ny demony; tsy azonareo atao ny hiombona anjara amin’ny sakafo aroson’ny Tompo no sady hiombona anjara amin’ny sakafo aroson’ny demony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra