2Tantara 4:1 - DIEM PROTESTANTA1 Dia nataon’i Horama koa ny alitara halimo efamira, izay folo metatra ny lafiny ary dimy metatra ny haavony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20111 Nanorina alitara varahina izy: Roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny haavony. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara1 Dia nataon’i Horama koa ny alitara halimo efamira, izay folo metatra ny lafiny ary dimy metatra ny haavony. Jereo ny tokoBaiboly Katolika1 Nanao ôtely varahina anìdina i Salômôna, roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary folo hakiho ny haavony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy1 Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony. Jereo ny tokoMalagasy Bible1 Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache1 Nanorina alitara varahina izy: Roapolo hakiho ny lavany, roapolo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny haavony. Jereo ny toko |
Io andro io ihany no nanokanan’ny mpanjaka ny afovoan’ny kianja manoloana ny tranon’ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny saboran’ny sorom-pihavanana. Kely loatra manko ny alitara halimo teo anoloan’ny Toeramasina ka tsy omby ny zavatra rehetra natolotra.
Rehefa ren’i Asà izany teny izany na hoe ny faminanian’i Hazarià mpaminany zanakalahin’i Hôdeda, dia nihasahy izy ka nanaisotra ny sampy tamin’ny faritanin’i Joda sy i Benjamîna manontolo ary tamin’ny tanàna izay azony tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Avy eo dia nohavaoziny ny alitaran’ny TOMPO, izay teo anoloan’ny fidirana amin’ny tranon’ny TOMPO.
Tamin’izay no nanokanan’i Salômôna ny afovoan’ny kianja manoloana ny tranon’ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny saboran’ny sorom-pihavanana. Ilay alitara halimo izay nampanaovin’i Salômôna manko tsy omby ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sabora.