Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 3:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia natsangany teo anoloan’ny Toeramasina ireo andry roa, ka ny anankiray tamin’ny ankavanana ary ny anankiray tamin’ny ankavia; ny anaran’ilay teo ankavanana dia Jakîna, izany hoe «Andriamanitra mampiorina mafy», ary ny anaran’ilay teo ankavia dia Bôhaza, izany hoe «Ao amin’Andriamanitra ny hery».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray dia teo amin’ny ankavanana, ary ny iray dia teo amin’ny ankavia; ary ny anaran’ilay teo amin’ny ankavanana dia nataony hoe Jakina ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavia kosa dia nataony hoe Boaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia natsangany teo anoloan’ny Toeramasina ireo andry roa, ka ny anankiray tamin’ny ankavanana ary ny anankiray tamin’ny ankavia; ny anaran’ilay teo ankavanana dia Jakîna, izany hoe «Andriamanitra mampiorina mafy», ary ny anaran’ilay teo ankavia dia Bôhaza, izany hoe «Ao amin’Andriamanitra ny hery».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Dia natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray teo ankavanany, ny iray teo ankaviany. Ilay teo ankavanany nataony hoe Jakîna ary ny eo ankavia, i Booza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary ny andry natsangany teo anoloan’ny tempoly, ny iray tamin’ny ankavanana, ary ny iray tamin’ny ankavia; ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavanana natao ny hoe Jakina, ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavia kosa nataony hoe Boaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray dia teo amin’ny ankavanana, ary ny iray dia teo amin’ny ankavia; ary ny anaran’ilay teo amin’ny ankavanana dia nataony hoe Jakina ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavia kosa dia nataony hoe Boaza.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 3:17
4 Rohy Ifampitohizana  

I Simehôna sy ireo zanany lahy, dia i Jemoela sy i Jamìna, i Ohada sy i Jakìna ary i Tsôhara sy i Saola; io Saola io dia zanak’ilay vehivavy kanahanita.


Dia natsangana teo anoloan’ny lalantsara mankao amin’ny Toeramasina ireo andry roa; ka ny anaran’ilay teo ankavanana dia Jakîna, izany hoe «Andriamanitra mampiorina mafy», ary ny anaran’ilay teo ankavia dia Bôhaza, izany hoe «Ao amin’Andriamanitra ny hery».


Nataony koa ny tongàlika miendrika rojo, ka napetrany teo an-tampon’ny andry; avy eo dia nataony ny ravaka misarin’ampongabendanitra zato ka nahantony tamin’ireo tongàlika ireo.


Folo metatra no halavan’ny lalantsara fidirana ary enina metatra ny sakany. Tohatohatra folo no fiakarana ao; ary nisy andry iray avy teo anilan’ny tolam-bavahady.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra