Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 3:17 - Baiboly Katolika

17 Dia natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray teo ankavanany, ny iray teo ankaviany. Ilay teo ankavanany nataony hoe Jakîna ary ny eo ankavia, i Booza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray dia teo amin’ny ankavanana, ary ny iray dia teo amin’ny ankavia; ary ny anaran’ilay teo amin’ny ankavanana dia nataony hoe Jakina ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavia kosa dia nataony hoe Boaza.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Dia natsangany teo anoloan’ny Toeramasina ireo andry roa, ka ny anankiray tamin’ny ankavanana ary ny anankiray tamin’ny ankavia; ny anaran’ilay teo ankavanana dia Jakîna, izany hoe «Andriamanitra mampiorina mafy», ary ny anaran’ilay teo ankavia dia Bôhaza, izany hoe «Ao amin’Andriamanitra ny hery».

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia natsangany teo anoloan’ny Toeramasina ireo andry roa, ka ny anankiray tamin’ny ankavanana ary ny anankiray tamin’ny ankavia; ny anaran’ilay teo ankavanana dia Jakîna, izany hoe «Andriamanitra mampiorina mafy», ary ny anaran’ilay teo ankavia dia Bôhaza, izany hoe «Ao amin’Andriamanitra ny hery».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary ny andry natsangany teo anoloan’ny tempoly, ny iray tamin’ny ankavanana, ary ny iray tamin’ny ankavia; ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavanana natao ny hoe Jakina, ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavia kosa nataony hoe Boaza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray dia teo amin’ny ankavanana, ary ny iray dia teo amin’ny ankavia; ary ny anaran’ilay teo amin’ny ankavanana dia nataony hoe Jakina ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavia kosa dia nataony hoe Boaza.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 3:17
4 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’i Simeôna: I Jamoela, i Jamina, i Ahoda, i Jasîhna, i Sôhara ary i Saola, zanak’ilay vehivavy Kananeanina.


Natsangany ny andry tamin’ny trano hevan’ny tempoly, ka natsangany ny andry teo ankavanana, ka nataony hoe Jakîna; dia natsangany ny andry teo ankavia, ka nataony hoe Bôaza.


Nanao tongalika, toy ny ao amin’ny loha andry; ary nanao voan’ampongabendanitra zato izy, nataony teo amin’ny tongàlika.


Ny efitra fidirana 20 hakiho ny halavany; 11 hakiho ny sakany, amin’ny ambaratonga miakatra ho eo; nisy andry varahina teo anilan’ny andry: iray teo amin’ny lafiny iray; iray teo amin’ny lafiny iray hafa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra