Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 3:16 - Baiboly Katolika

16 Nanao tongalika, toy ny ao amin’ny loha andry; ary nanao voan’ampongabendanitra zato izy, nataony teo amin’ny tongàlika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Nanao rojo tao amin’ny efitra anatiny izy ka nataony teo an-tampon’ny andry ireo; ary nanao sarin’ampongabendanitra zato izy ka nataony teo amin’ny rojo ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Nataony koa ny tongàlika miendrika rojo, ka napetrany teo an-tampon’ny andry; avy eo dia nataony ny ravaka misarin’ampongabendanitra zato ka nahantony tamin’ireo tongàlika ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Nataony koa ny tongàlika miendrika rojo, ka napetrany teo an-tampon’ny andry; avy eo dia nataony ny ravaka misarin’ampongabendanitra zato ka nahantony tamin’ireo tongàlika ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Any nanao tongalika tao amin’ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon’ny andry ireo; ary nanao sarin’ampongabendanitra zato izy, ka nataony teo amin’ny tongalika ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Nanao rojo tao amin’ny efitra anatiny izy ka nataony teo an-tampon’ny andry ireo; ary nanao sarin’ampongabendanitra zato izy ka nataony teo amin’ny rojo ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 3:16
6 Rohy Ifampitohizana  

Nopetahan’i Salômôna volamena madio izy, ary nopetahany sedera koa ny ôtely. Nopetahan’i Salômôna volamena madio avokoa ny ati-trano, ary nasiany rojo volamena nisakana, teo anoloan’ny Fitoerana Masina, izay norakofany volamena koa.


Ny koronosy nataingina eo ambonin’ny andry roa dia voahodina voan’ampongabendanitra roan-jato, eny ambony, anilan’ny mivohitra an-koatra ny harato; voahodidina voan’ampongabendanitra roan-jato mitandahatra koa ny koronosy anankiray.


Nanao andry roa teo anoloan’ny trano izy, dimy amby telopolo hakiho avy no haavony, dimy hakiho ny loha andry tao an-tampony.


Dia natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray teo ankavanany, ny iray teo ankaviany. Ilay teo ankavanany nataony hoe Jakîna ary ny eo ankavia, i Booza.


ny andry roa, ny boriboriny mbamin’ny loha andry, izay eo an-tampon’ny andry, ny harato roa manarona ny boriboriny roa amin’ny loha andry, teo an-tampon’ny andry,


ny voan’ampongabendanitra an-dalana roa isan-karato, hanaronana ny boribory roa amin’ny loha andry eo ambonin’ny andry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra