2Tantara 3:15 - Baiboly Katolika15 Nanao andry roa teo anoloan’ny trano izy, dimy amby telopolo hakiho avy no haavony, dimy hakiho ny loha andry tao an-tampony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201115 Nanangana andry roa teo anoloan’ny Trano izy; dimy amby telopolo hakiho ny haavony ary ny tendrony teo an-tampony dia dimy hakiho avy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA15 Dia nanao ireo andry roa teo anoloan’ny Toeramasina i Horama, ka 17 metatra sy sasany ny haavony; ary ny koronosy teo an-tampony kosa dia roa metatra sy sasany avy ny haavony. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara15 Dia nanao ireo andry roa teo anoloan’ny Toeramasina i Horama, ka 17 metatra sy sasany ny haavony; ary ny koronosy teo an-tampony kosa dia roa metatra sy sasany avy ny haavony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy15 Ary nanao andry roa teo anoloan’ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho avy. Jereo ny tokoMalagasy Bible15 Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache15 Nanangana andry roa teo anoloan’ny Trano izy; dimy amby telopolo hakiho* ny haavony ary ny tendrony teo an-tampony dia dimy hakiho avy. Jereo ny toko |