5 Nisy aza taolan’ny mpisorona amin’ny sampy mihitsy no naroso hodorana teo amin’ny alitara fisoronany. Dia toy izany no nanadiovan’i Jôsià ny fanjakàn’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema.
5 Nisy aza taolan’ny mpisorona amin’ny sampy mihitsy no naroso hodorana teo amin’ny alitara fisoronany. Dia toy izany no nanadiovan’i Jôsià ny fanjakàn’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema.
Ary nanao antso avo nanohitra io alitara io, araka ny baikon’ny TOMPO, ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Ry alitara ô, ry alitara ô, izao no lazain’ny TOMPO: «Hisy zazalahy ho teraka ao amin’ny fianakavian’i Davida, ka ny anarany hatao hoe Jôsià. Eo aminao, ry alitara ô, no hovonoiny ho faty ka hataony sorona ireo mpisoron’ny toeram-panasinana ireo, izay nandoro sorona hanetona teo aminao; ary taolan’olona aza no hodorana eo aminao.
Dia niherika i Jôsià ka nahita ireo fasana terỳ an-tendrombohitra, ary naniraka olona izy haka ny taolana tao am-pasana hodorana eo amin’ny alitara mba hanazimbana azy araka ny tenin’ny TOMPO nambaran’ilay olon’Andriamanitra fony i Jerôbohama nitsangana teo anoloan’ny alitara nandritra ny fety. Niherika indray i Jôsià tamin’izay ka nahita ny fasan’io olon’Andriamanitra io
dia noravan’i Jôsià koa ny alitara; nokapakapainy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary ny sarin-tsampy voasokitra mba hotorotoroina ho lasan-ko vovoka. Nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra eran’ny tanin’i Israely manontolo; izay vao niverina ho any Jerosalema izy.
Nefa na dia tao aza izany dia tsy mbola niverina tamiko tamin’ny fony fa tamin-tendro-molotra ihany i Joda mpivadika, rahavavin’i Israely. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.
«Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny famonoana olona dia fandotoana ny tany. Ary raha misy olona voalatsa-dra, ny tany dia tsy hadio raha tsy maty ny mpandatsa-dra.