Ny mpanjaka Hezekià sy ny manampahefana ary ny mpiangona rehetra tao Jerosalema dia niara-nandinika momba ny tokony hankalazana ny Paska amin’ny volana faharoa. Tsy nisy nahafahana nankalaza izany tamin’ny vaninandro manandrify, satria tsy mbola ampy isa ireo mpisorona nahavita ny fidiovan-tenany; ary ny vahoaka koa tsy mbola vory tao Jerosalema. Sitraky ny mpanjaka sy ny mpiangona rehetra izany eritreritra izany; ka tapaka ny hevitra fa handefasan-teny eran’i Israely manontolo hatrany Beera-Seba ka hatrany Dana mba hahatongavan’ny olona hankalaza ny Paska ao Jerosalema ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Vitsy manko ny olona nankalaza izany araka ny voasoratra. Dia nandefasan’i Hezekià iraka ny faritra rehetra amin’i Israely avaratra sy i Joda mba hanainga ny olona ho tonga ao an-tranon’ny TOMPO any Jerosalema ka hankalaza ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely; nanoratra taratasy fanasana mihitsy aza i Hezekià ho an’ny foko efraimita sy manasita.