4 Ary noravan’ny olona teo anatrehan’i Josia ny alitaran’ireo Baala; ny fandoroana ditin-kazo manitra izay teo amboniny dia nazerany; ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ny sarin-javatra voarendrika dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo izay namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
4 Noravana teo anatrehany ny ôtelin’ireo Baala, dia nazerany ny sariolona teo amboniny natokana ho an’ny masoandro, notorotoroiny ny aserah, ny sarin-javatra voasikotra, ny sarin-javatra anidina, nataony zary vovoka ireny, dia nafafiny teny amin’ny fasan’izay nanatitra sorona taminy,
4 Ary noravan’ny olona teo anatrehan’i Josia ny alitaran’ireo Bala; ary ny tsangan-kazo ho an’ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
4 Ary noravan'ny olona teo anatrehan'i Josia ny alitaran'ireo Bala; ary ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin'ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin'ny fasan'ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
Ary nanao antso avo nanohitra io alitara io, araka ny baikon’ny TOMPO, ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Ry alitara ô, ry alitara ô, izao no lazain’ny TOMPO: «Hisy zazalahy ho teraka ao amin’ny fianakavian’i Davida, ka ny anarany hatao hoe Jôsià. Eo aminao, ry alitara ô, no hovonoiny ho faty ka hataony sorona ireo mpisoron’ny toeram-panasinana ireo, izay nandoro sorona hanetona teo aminao; ary taolan’olona aza no hodorana eo aminao.
Nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany amin’ireo tanàna jodeanina ny Israelita tsy an-kanavaka izay teo ka nanamontsamontsana ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nandrava ny toeram-panasinana sy alitara fanompoan-tsampy eran’i Joda sy i Benjamîna ary koa tamin’ny foko efraimita sy manasita ambara-paharavany azy rehetra. Taorian’izay dia samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy izy rehetra.
Naorin’i Manase indray manko ny toeram-panasinana izay efa noravan’i Hezekià rainy ka nananganany alitara ho an’ireo Bahala sady nanaovany tsatokazo fanajana an’ireo Aserà; dia niankohofany sy nanaovany fanompoam-pivavahana koa ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.
dia noravan’i Jôsià koa ny alitara; nokapakapainy ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary ny sarin-tsampy voasokitra mba hotorotoroina ho lasan-ko vovoka. Nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra eran’ny tanin’i Israely manontolo; izay vao niverina ho any Jerosalema izy.
Koa aza miankohoka eo anoloan’ny andriamaniny, na manao fanompoam-pivavahana aminy na mianatra ny fanaony, fa ravao mihitsy ny sarivongan’ireo sampiny sady potipoteho ny tsangambatony.
Nalain’i Mosesy koa ny sarivongana ombilahikely izay namboarin’ireo ka nodorany tamin’ny afo. Avy eo, notorotoroiny ho vovoka ny sisa tavela, dia naparitany tamin’ny rano izay nasainy nosotroin’ny Israelita.
Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.
Haharikoriko Ahy ianareo, ka horavako ny toerana anajànareo sampy, hazerako ny tsangambato anompoanareo ny masoandro, ary ny fatinareo hampifanongoaviko eo ambonin’ny sampy rava.
Nikomy tamin’Andriamanitra ny taranak’i Jakôba, eny, nanota ny vahoakan’i Israely, ka mahatonga izany rehetra izany. Fa iza no nampikomy ny taranak’i Jakôba? Moa tsy i Samaria renivohiny ve? Ary iza no toeram-panasinana ao Joda? Moa tsy i Jerosalema renivohiny ve?
Ny sarin-tsampy voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo; aza tsiriritinareo na alainareo ho anareo ny volafotsy na volamena izay eo amin’ireny sarin-tsampy ireny, fandrao ho fandrika hampanompo sampy anareo izany: eny, zava-mahatsiravina eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo ireny rehetra ireny.
Fa izao kosa no ataovy amin’ireny firenena ireny: ny alitarany, horavanareo; ny tsangambaton-tsampiny, hovakivakînareo; ny tsato-kazo fanajany an’i Aserà, hokapainareo; ary ny sarin-tsampiny voasokitra, hodoranareo.
Ary nalaiko ny fahotana vitanareo, dia ilay ombilahikely volamena, ka nodorako dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin’ny ranon-driaka izay midina avy any amin’ny tendrombohitra.