Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 34:5 - Baiboly Katolika

5 ary nodorany teo ambonin’ireo ôteliny ny taolan’ny mpisorona. Dia nanadio an’i Jodà sy i Jerosalema izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary nandoro ny taolan’ny mpisorona teo ambonin’ny alitarany izy, dia nanadio an’i Joda sy Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Nisy aza taolan’ny mpisorona amin’ny sampy mihitsy no naroso hodorana teo amin’ny alitara fisoronany. Dia toy izany no nanadiovan’i Jôsià ny fanjakàn’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Nisy aza taolan’ny mpisorona amin’ny sampy mihitsy no naroso hodorana teo amin’ny alitara fisoronany. Dia toy izany no nanadiovan’i Jôsià ny fanjakàn’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary nandoro ny taolan’ny mpisorona teo ambonin’ny alitarany izy, ka dia nanadio an’i Joda sy Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary nandoro ny taolan'ny mpisorona teo ambonin'ny alitarany izy, ka dia nanadio an'i Joda sy Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary nandoro ny taolan’ny mpisorona teo ambonin’ny alitarany izy, dia nanadio an’i Joda sy Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 34:5
10 Rohy Ifampitohizana  

Nanao antso nihatra tamin’ny ôtely izy io, noho ny tenin’i Iaveh, ka nanao hoe: «Ry ôtely! Ry ôtely! Izao no lazain’i Iaveh: Hisy zaza lahy hateraka ho an’ny tranon’i Davida, ka ny anarany hatao hoe: I Josiasa; ny mpisoron’ny fitoerana, izay mandoro ny sorona eo amboninao, no hovonoina hatao eo amboninao; ary taolan’olona no hodorana eo amboninao!»


Nony nitodika i Josiasa ka nahita irerỳ fasana teny an-tendrombohitra, dia nampanalainy ny taolana tao am-pasana, nodorany teo ambony ôtely, nandotoany azy, araka ny tenin’i Iaveh, notononin’ilay olon’Andriamanitra izay efa nilaza izany rahateo.


Novonoiny teo ambony ôtely daholo ny mpisoron’ny fitoerana avo izay teo; sady nandorany taolan’olona koa teo, vao niverina nankany Jerosalema izy.


Nofoanan’i Josiasa avokoa ny fahavetavetana teo amin’ny tany rehetra ananan’ny zanak’i Israely, ary nodidiany hanompo an’i Iaveh Andriamaniny, ny olona rehetra teo amin’i Israely. Ka raha mbola velona koa izy dia tsy mba niala tamin’ny fanarahana an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy ireo.


dia noravany koa ny ôtely, notorotoroiny nataony zary vovoka ny aserah sy ny sarin-javatra voasikotra, ary nazerany avokoa ny sary mivongana natokana ho an’ny masoandro, teo amin’ny tanin’i Israely rehetra, vao niverina nankany Jerosalema izy.


Ary na izany rehetra izany koa aza i Jodà mpivadika, rahavaviny, tsy niverina tamiko, tamin’ny fony rehetra, fa tamim-pitaka fotsiny, - teny marin’i Iaveh.-


Ry Jerosalema ô, diovy ho afaka amin’ny ratsy ny fonao, mba hovonjena ianao; mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?


Ry zanak’olona, lazao aminy hoe: Tany tsy voadio ianao, tsy voasasan’ny ranonorana, tamin’ny andron’ny fahatezerana.


Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny ra no mandoto ny tany, ary tsy misy fanavotana ny tany amin’ny ra nalatsaka afa-tsy ny ran’ny nandatsaka azy ihany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra