Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 3:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Avy eo dia natao ilay efitrano antsoina hoe Toeramasina Indrindra; efamira io efitrano io fa ny lafiny rehetra dia samy nirefy folo metatra tahaka ny sakan’ny tempoly. Nopetahana takela-bolamena milanja roapolo taonina ny rindrina anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Nanangana ny efitrano masina indrindra izy: Ny lavany dia roapolo hakiho mifanerana amin’ny sakan’ny trano, roapolo hakiho koa ny sakany; nopetahany takelaka volamena tsara milanja talenta eninjato izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Avy eo dia natao ilay efitrano antsoina hoe Toeramasina Indrindra; efamira io efitrano io fa ny lafiny rehetra dia samy nirefy folo metatra tahaka ny sakan’ny tempoly. Nopetahana takela-bolamena milanja roapolo taonina ny rindrina anatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Dia nataony ny efitrano masina indrindra: roapolo hakiho araka ny sakan’ny trano ny halavany, ary roapolo hakiho ny sakany. Nopetahany volamena madio io, nahalaniana talenta volamena enin-jato,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin’ny sakan’ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato. izy

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Nanangana ny efitrano masina indrindra izy: Ny lavany dia roapolo hakiho mifanerana amin’ny sakan’ny trano, roapolo hakiho koa ny sakany; nopetahany takelaka volamena tsara milanja talenta eninjato izany.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 3:8
7 Rohy Ifampitohizana  

Norakofana hazo sedera mirefy folo metatra hatreo ambany ka hatrany ambony koa ny rindrin’ilay efitrano anatiny; ka ny atin’io efitrano io dia namboarina ho efitra voatokana izay nantsoina hoe Toeramasina Indrindra.


Eo ambanin’ny farango no hanantonana ny efitra lamba. Any aorian’ny efitra lamba no hametrahana ny Vatamasina mirakitra ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Ny efitra lamba amin’izay no hampisaraka ny Toeramasina sy ny Toeramasina indrindra.


Norefesiny ihany koa ny efitrano manontolo: efamira izy io ka samy folo metatra avy ny lafiny efatra. Avy eo dia hoy ralehilahy tamiko: io no Toeramasina indrindra.


Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin’i Jesoa.


Tambadiky ny efitra lamba faharoa, dia nisy tranolay izay antsoina hoe Toeramasina Indrindra:


Izany dia fanoharana tandrifin’izao andro ankehitriny izao, ka manambara fa ny fanatitra aman-tsorona, atolotra araka izany fomba izany, dia tsy mahalavorary ny fieritreretan’ny olona manao fanompoam-pivavahana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra