Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 9:31 - DIEM PROTESTANTA

31 I Matitià, anankiray tamin’ny levita, dia lahimatoan’i Saloma izay taranak’i Kôra; noho ny toetra mahatoky nasehony, dia tonian’ny fanendasana mofomamy fanao fanatitra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Ary i Matatia, iray tamin’ny levita, lahimatoan’i Saloma koraìta, no tonia maharitra amin’ny fanendasana ny mofo atao fanatitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 I Matitià, anankiray tamin’ny levita, dia lahimatoan’i Saloma izay taranak’i Kôra; noho ny toetra mahatoky nasehony, dia tonian’ny fanendasana mofomamy fanao fanatitra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

31 Ny anankiray amin’ny Levita, dia i Matatiasa lahy matoan’i Seloma, i Kôreita, no tonian’ny mofomamy nendasina tamin’ny lapoaly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Ary Matatia, anankiray tamin’ny Levita, lahimatoan’i Saloma Koraïta, no tonian’ny zavatra izay natao tamin’ny fanendasana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Ary Matatia, anankiray tamin'ny Levita, lahimatoan'i Saloma Koraita, no tonian'ny zavatra izay natao tamin'ny fanendasana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

31 Ary i Matatia, iray tamin’ny levita, lahimatoan’i Saloma koraìta, no tonia maharitra amin’ny fanendasana ny mofo atao fanatitra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 9:31
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa noteren’i Lôta fatratra izy, ka nivily ary niditra tao an-tranony. Dia nanamboarany sakafo sy nanendasany mofo tsy misy leviora ireo, ka nihinana.


mamboatra ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra, manomana ny lafarinina tsara indrindra hatao fanatitra, mahandro ny mofo manify tsy misy leviora sy ny mofo endasina amin’ny lapoaly ary ny mofo hafa isan-karazany, manamarina ny famarana sy fandrefesana rehetra.


Ny mpiandry vavahady dia ry i Saloma sy i Hakoba ary i Talmôna sy i Ahimàna mbamin’ireo namany; ka i Saloma no filohany.


I Saloma, zanakalahin’i Kôrà sy zafin’i Abiasafa ary zafiafin’i Kôra, mbamin’ny Kôrahita havany satria fianakaviana iray razana aminy, ireo no mpanao fanompoana amin’ny fiandrasana ilay varavaran’ny Tranolay fihaonana; ary ny razany koa dia mpiandry an’ilay varavaran’ny tobin’ny TOMPO.


Ny isan’izy rehetra voafidy ho mpiandry vavahady sy varavarana dia 212. Voasoratra tany amin’ny tanàna fiaviany avy ireo. I Davida sy i Samoela, ilay mpaminany isehoam-pahitana, no nanendry ny razambeny hanao izany raharaha izany noho ny toetra mahatoky nananany;


Toetra mahatoky manko no nananan’ireo efa-dahy filohan’ny mpiandry vavahady ireo sady levita rahateo izy, ka niadidy ny efitrano fitahirizana mbamin’ny rakitry ny tempoly;


«Rehefa fanatitra voaendy amin’ny takela-by no atolotrao, dia aoka ho lafarinina tsara indrindra sady voahoso-menaka no tsy misy leviora.


«Rehefa fanatitra voahandro amin’ny lapoaly no atolotrao, dia aoka ho lafarinina tsara indrindra voaharo menaka.


Haroana menaka izany koba izany, dia hendasina amin’ny lapoaly; ary rehefa voaendy izy, dia vakivakîna, vao atao fanatitra ho hanitra ankasitrahina ho Ahy Tompo.


Ny vilany tany izay nandrahoany azy dia homontsanina; fa raha vilany varahina no nandrahoana azy, dia hodiovina sy hohontsanan-drano ilay vilany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra