Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 5:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Dia nampirisihin’ilay Andriamanitr’i Israely i Pola sy i Tiglato-Pilesera samy mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Reobenita sy ny Gadîta ary ny antsasaky ny fokon’i Manase sady nentiny tany Halà sy Habôra sy Harà ary tany amoron’ny ony Gôzàna, ka mbola any ireo mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary ny Andriamanitry ny Israely nampirisika an’i Pola, mpanjakan’i Asiria, sy i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia noentiny tany Hala, tany Habora, tany Hara ary tany amoron’ny ony Gozana, ambaraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Dia nampirisihin’ilay Andriamanitr’i Israely i Pola sy i Tiglato-Pilesera samy mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Reobenita sy ny Gadîta ary ny antsasaky ny fokon’i Manase sady nentiny tany Halà sy Habôra sy Harà ary tany amoron’ny ony Gôzàna, ka mbola any ireo mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Ka namporisihin’ny Andriamanitr’i Israely, ny fanahin’i Fola mpanjakan’i Asiria sy ny fanahin’i Telgata-Falasara, dia nentin’ireo babo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, nentiny nankany Halà sy i Habôra ary i Arà mbamin’ny ony Gôzàna mandrak’androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an’i Pola, mpanjakan’i Asyria, sy Tiglato-pilesera, mpanjakan’i Asyria, ka dia nobaboin’ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron’ny ony Gozana ambaraka andro-any.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka androany. Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary. Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela. Ary ny zanak'i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara. Eleazara niteraka an'i Finehasa; ary Finehasa niteraka an'i Abisoa; ary Abisoa niteraka an'i Boky; ary Boky niteraka an'i Ozy; ary Ozy niteraka an'i Zerahia; ary Zerahia niteraka an'i Meraiota; ary Meraiota niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba; ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza; ary Ahimaza niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Johanana; ary Johanana niteraka an'i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Solomona tany Jerosalema); ary Azaria niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba; ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Saloma; ary Saloma niteraka an'i Hilkia; ary Hilkia niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Seraia; ary Seraia niteraka an'i Jozadaka; ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ary ny Andriamanitry ny Israely nampirisika an’i Pola, mpanjakan’i Asiria, sy i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia noentiny tany Hala, tany Habora, tany Hara ary tany amoron’ny ony Gozana, ambaraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 5:26
18 Rohy Ifampitohizana  

Nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita indray ny TOMPO, ka nitaona an’i Davida hahatonga loza aminy sy nampanisa azy ny olona ao Israely sy ao Joda.


Niditra an-keriny tao amin’ny tanin’i Israely i Pola mpanjakan’i Asiria; ka nomen’i Menahema volafotsy telopolo taonina izy mba hanampiany azy hanamafy orina ny fahefàm-panjakany.


Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.


Tamin’izay i Ahaza no nandefa iraka ho amin’i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria hilaza hoe: «Izaho dia mpanomponao sy zanakao; koa tongava hanafaka ahy amin’ny mpanjakan’i Siria sy i Israely izay nanafika ahy.»


Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hôsea no nahazoan’ny mpanjakan’i Asiria an’i Samaria; ka dia nataony sesitany tany Asiria ny Israelita tavaratra ary namponeniny tao Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary teny amin’ny tanànan’i Media.


Ary nentin’ny mpanjakan’i Asiria ho babo tany Asiria ny Israelita ka napetrany tao amin’i faritr’i Halà sy tao Gôzàna teo amoron’ny ony Habôra ary tao amin’ireo tanànan’i Media.


Fony noravan’ireo razako i Gôzàna, sy i Haràna ary i Retsefa mbamin’i Telasara renivohitry ny Hedenita, moa nahavonjy ireny firenena ireny ve ny andriamaniny.


Marobe ny fahavalo maty niampatrampatra satria avy amin’Andriamanitra ny ady. Ary nipetraka nisolo toerana ny Hagrita ry zareo mandra-pahatongan’ny fahababoana.


ary i Beerà zanakalahin’i Bahala; io Beerà io, izay nentin’i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria ho babo, no filohan’ny Reobenita.


Dia vita isa, araka ny firazanany avy, ny Israelita rehetra; ary indro efa voasoratra ao amin’ny boky firaketan’ny mpanjakan’i Israely izany. Ny olona tao Joda dia nentina ho babo tany Babilôna, noho ny fahotany.


Dia tonga i Tiglato-Pilesera mpanjakan’i Asiria kanefa nanao fahirano an’i Ahaza fa tsy nanampy azy akory.


Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin’i Israely sy i Joda, ombàn’ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin’ny mpanjaka, dia izao no teny nolazainy: –Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin’ny famelezan’ireo mpanjakan’i Asiria, miverena amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


Dia nasain’ny TOMPO ho tonga hamely azy ny mpitari-tafiky ny mpanjakan’i Asiria; ary nosamborin’ireo i Manase ka nasiany masombỳ sady nogadrany rojo halimo ary nentiny nankany Babilôna.


Dia nioman-kiainga ny loham-pianakaviana tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Benjamîna mbamin’ny mpisorona sy ny levita, izany hoe izay rehetra nampirisihin’ny TOMPO Andriamanitra hiakatra hanorina ilay tranony any Jerosalema.


Fony nandrava an’i Gôzàna sy i Haràna ary i Retsefa mbamin’i Telasara renivohitry ny Hedenita ireo razako, moa nahavonjy ireny firenena ireny ve ny andriamaniny?


TOMPO ô, marina fa ireo mpanjakan’i Asiria dia nandringana ny hafa firenena sy nandrava ny taniny;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra