Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 21:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Gada: –Lazao i Davida mba hiakarany hanangana alitara ho an’ny TOMPO eo amin’ny famoloan’i Araonà izay Jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary nasain’ilay Anjelin’NY TOMPO hilaza amin’i Davida i Gada mba hiakatra hanorina alitara ho an’NY TOMPO ao amin’ny famoloan’i Ornana jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Gada: –Lazao i Davida mba hiakarany hanangana alitara ho an’ny TOMPO eo amin’ny famoloan’i Araonà izay Jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Dia nasain’ilay Anjelin’i Iaveh nilazan’i Gada i Davida hiakatra hanangana ôtely ho an’i Iaveh, ao am-pamoloan’i Ornàna Jeboseanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary Gada nasain’Ilay Anjelin’i Jehovah hilaza amin’i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an’i Jehovah ao amin’ny famoloan’i Araona Jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary Gada nasain'Ilay Anjelin'i Jehovah hilaza amin'i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary nasain’ilay Anjelin’NY TOMPO* hilaza amin’i Davida i Gada mba hiakatra hanorina alitara ho an’NY TOMPO ao amin’ny famoloan’i Ornana jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 21:18
7 Rohy Ifampitohizana  

Nankany amin’i Davida i Gada tamin’izay andro izay ka nanao taminy hoe: –Miakara any am-pamoloan’i Araonà izay Jebôsita ianao, ka manangana alitara ho an’ny TOMPO.


Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanao taminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Mifidiana ianao:


Ary nirahin’Andriamanitra hankany Jerosalema ilay anjely mba handringana azy; saingy, raha iny nandringana tao iny ilay anjely, ny TOMPO kosa nijery ka nanenina ny amin’izany loza izany sady niteny tamin’ilay anjely mpandringana hoe: –Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin’izay ity anjelin’ny TOMPO dia nitsangana teo anilan’ny famoloan’ilay Jebosita atao hoe Araonà.


Dia niakatra i Davida, araka ny teny nolazain’i Gada tamin’ny anaran’ny TOMPO.


Ka hoy i Davida hoe: «Eto no tranon’ny TOMPO Andriamanitra ary eto no alitara fanoloran’ny Israelita sorona dorana manontolo.»


Dia nanomboka nanao ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema i Salômôna ka teo amin’ny tendrombohitra Môrià, izay nisehoan’ny Tompo tamin’i Davida rainy no nanorenany azy, dia ilay toerana nomanin’i Davida tao amin’ny famoloan’i Ôrnàna izay lehilahy jebosita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra