Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 21:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: –Tsy izaho ve no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho mihitsy no nanota sy tena nanao izany zava-dratsy izany; fa ireo vahoaka andianondriko ireo kosa, inona moa no mba nataony? Ry TOMPO Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako; fa aza dia ny vahoakanao no asianao amin’ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izay ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, RY TOMPO Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakavian’ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: –Tsy izaho ve no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho mihitsy no nanota sy tena nanao izany zava-dratsy izany; fa ireo vahoaka andianondriko ireo kosa, inona moa no mba nataony? Ry TOMPO Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako; fa aza dia ny vahoakanao no asianao amin’ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: «Moa tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izany ratsy izany, fa ireo kosa, ireo ondry ireo, mba naninona? Ry Iaveh Andriamanitra ô, izaho sy ny fianakavian’ikaky no aoka hasian’ny tananao, fa aza dia ny vahoakanao no aringana!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary hoy Davida tamin’Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tànanao hamely ahy sy ny mpianakavin’ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin'ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izay ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, RY TOMPO Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakavian’ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 21:17
20 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny miangavy aho, tompoko, aoka ny tenako no hijanona hisolo toerana io zatovo io ho andevonao, fa izy kosa hiakatra hiaraka amin’ireo rahalahiny.


Noho izany, dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin’i Orià ilay Hetita mba ho vadinao.


Nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita indray ny TOMPO, ka nitaona an’i Davida hahatonga loza aminy sy nampanisa azy ny olona ao Israely sy ao Joda.


Raha nahita ilay anjely mpandringana ny vahoaka i Davida, dia nanao tamin’ny TOMPO hoe: –Izaho no nanota, izaho no nanao ratsy! fa ireo ondry ireo moa no nanao inona? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako.


Koa lazao amin’i Davida mpanompoko fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no mampita hafatra hoe: ‹Izaho no naka anao teo am-piandrasana ondry tany an-kijàna mba ho filohan’i Israely vahoakako.


Dia hoy ny navalin’i Mikaià: –Hitako fa ny tafik’i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: «Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»


Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: –Efa nanao fahotana lehibe aho tamin’izao nataoko izao. Koa ankehitriny, mifona aminao aho mpanomponao, mba avelao ny heloko fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho!


Izahay ataonao mihemotra eo anoloan’ny fahavalonay sy famabon’ny mpankahala anay;


Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy; ilay Fanahinao mampazoto no anohany ahy.


Sasao tanteraka aho ho afa-keloka ary diovy mba ho afa-pahotana.


Tononkalo fananarana nataon’i Asafa . Andriamanitra ô, nahoana izahay no dia narianao tanteraka? Nahoana izahay andian’ondry fiandrinao no irehetan’ny fahatezeranao?


Aza miankohoka eo anatrehan’ireny sampy ireny ary aza manompo azy, satria Izaho TOMPO Andriamanitrao dia saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Ahy. Raha misy olona meloka amin’izany ka mankahala Ahy, dia hofaiziko izy sy ny taranany hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika;


Amin’izay dia hahatsiaro ny lasa ianao ka ho menatra tsy hahateny, fa Izaho kosa hamela anao amin’izay ratsy rehetra nataonao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Hoy i Jônà tamin’ny matilò: –Batao aho ka atsipazo any anaty ranomasina dia hitony aminareo io. Fantatro fa noho ny fahadisoako no mahatonga izao tafio-drivotra mahery izao aminareo.


eny, satriko mihitsy aza ny ho voaozon’Andriamanitra ka ho tafasaraka amin’i Kristy, hanasoavako ireo iray firazanana amiko, havako ara-nofo.


Ankehitriny dia miala amin’ny fanarahana ny TOMPO ianareo. Koa raha mikomy amin’ny TOMPO ianareo anio, dia ho tezitra amin’ny fiangonan’ny Israelita tsivakivolo Izy rahampitso.


Izao no ahafantarantsika ny fitiavana: i Jesoa Kristy dia nahafoy ny ainy hamonjeny antsika; ary isika koa dia mba tokony hahafoy ny aintsika hamonjena ny namana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra