Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 12:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Tamin’izay, dia nentanin’ny Fanahin’Andriamanitra i Hamasay, filohan’ny «andian’ny telopolo lahy», ka niantso hoe: –Anao izahay, ry Davida ô! Miandany aminao izahay, ry zanakalahin’i Jisay! Fiadanana, fiadanana anie ho anao ary fiadanana anie ho an’ireo mpanampy anao, satria ilay Andriamanitrao no efa manampy anao! Dia noraisin’i Davida ireo ka notendreny ho isan’ny filohan’ny andian-tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary nisy sasany tamin’ny Manase nifindra ka nanatona an’i Davida fony izy nomba ny Filistina hiady amin’i Saoly, kanefa tsy nanampy ny Filistina akory izy ireo; fa nifampila hevitra ireo andrianan’ny Filistina dia nampandehaniny i Davida ka nilaza hoe: Ny lohantsika no hoentiny mila sitraka hiverenany amin’i Saoly tompony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Tamin’izay, dia nentanin’ny Fanahin’Andriamanitra i Hamasay, filohan’ny «andian’ny telopolo lahy», ka niantso hoe: –Anao izahay, ry Davida ô! Miandany aminao izahay, ry zanakalahin’i Jisay! Fiadanana, fiadanana anie ho anao ary fiadanana anie ho an’ireo mpanampy anao, satria ilay Andriamanitrao no efa manampy anao! Dia noraisin’i Davida ireo ka notendreny ho isan’ny filohan’ny andian-tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Nisy lehilahy sasany tamin’i Manase nikambana tamin’i Davida fony izy niaraka tamin’ny Filistinina nandeha hiady amin’i Saola. Nefa tsy nanampy ny Filistinina izy, ninian’ny andrian’ny Filistinina nalefa nody i Davida, fa hoy izy: «Ny lohantsika no mety hahita loza hiverenany amin’i Saola tompony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary nisy sasany tamin’ny Manase niala hanatona an’i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin’i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan’ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin’i Saoly tompony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary nisy sasany tamin'ny Manase niala hanatona an'i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin'i Saoly tompony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ary nisy sasany tamin’ny Manase nifindra ka nanatona an’i Davida fony izy nomba ny Filistina hiady amin’i Saoly, kanefa tsy nanampy ny Filistina akory izy ireo; fa nifampila hevitra ireo andrianan’ny Filistina dia nampandehaniny i Davida ka nilaza hoe: Ny lohantsika no hoentiny mila sitraka hiverenany amin’i Saoly tompony.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 12:19
7 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy ny navalin-dralehilahy azy: –Milamîna ianareo, ary aza matahotra. Ny Andriamanitrareo, dia Ilay Andriamanitry ny rainareo, no nametraka harena tao an-kitaponareo; fa raha ny amin’ny volanareo dia efa voaraiko tokoa. Dia navoakan-dralehilahy i Simehôna,


Notendren’i Absalôma ho lehiben’ny tafika hisolo an’i Jôaba i Hamasà. Io Hamasà io dia zanakalahin’ilay Israelita atao hoe Jitrà, ilay niray tamin’i Abigaîla zanakavavin’i Nahasy ary rahavavin’i Tseroià, renin’i Jôaba.


Ary nisy avy amin’ny fokon’i Manase lasa nikambana tamin’i Davida fony izy nomba ny Filistinina mba hiady amin’i Saoly; saingy tsy nanampy ny Filistinina ry i Davida, satria rehefa nifampidinika ny andrianan’ny Filistinina dia nampiverina azy, fa hoy ireo hoe: «Hikambana amin’i Saoly tompony i Davida, ka hanolotra antsika aminy».


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Miredaredam-pitiavana an’i Tsiôna Aho; eny, miredaredam-pitiavana fatratra azy Aho.


Fa notsindrian’ny Fanahin’ny TOMPO i Gidehôna, dia nitsoka trompetra mba hiantso ny vatan-dehilahy tao amin’ny tarika abihezerita hanaraka azy.


Koa mifohaza maraina be ianao sy ireo mpanompo izay niara-dia taminao; samia mifoha maraina ianareo, ary mandehana rehefa mazava ny andro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra