20 Ary nisy avy amin’ny fokon’i Manase lasa nikambana tamin’i Davida fony izy nomba ny Filistinina mba hiady amin’i Saoly; saingy tsy nanampy ny Filistinina ry i Davida, satria rehefa nifampidinika ny andrianan’ny Filistinina dia nampiverina azy, fa hoy ireo hoe: «Hikambana amin’i Saoly tompony i Davida, ka hanolotra antsika aminy».
20 Rehefa nankany Ziklaga i Davida dia nisy tamin’ny Manase nanatona azy, dia i Adna, i Jozabada, i Jediaela, i Mikaela, i Jozabada, i Eliho ary i Ziletahy, mpifehy arivo tamin’ny Manase.

20 Raha niverina tany Sikelega izy dia nisy olona avy amin’i Manase, nanatona azy: i Ednasa, i Jôzabada, i Jedihela, i Mikaela, i Jôzadaba, i Eliò ary i Sabataì, tomponarivo amin’i Manase ireny.
20 Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin’ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediaela sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin’ny Manase.
20 Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin'ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin'ny Manase.
20 Rehefa nankany Ziklaga i Davida dia nisy tamin’ny Manase nanatona azy, dia i Adna, i Jozabada, i Jediaela, i Mikaela, i Jozabada, i Eliho ary i Ziletahy, mpifehy arivo tamin’ny Manase.
Tamin’izay, dia nentanin’ny Fanahin’Andriamanitra i Hamasay, filohan’ny «andian’ny telopolo lahy», ka niantso hoe: –Anao izahay, ry Davida ô! Miandany aminao izahay, ry zanakalahin’i Jisay! Fiadanana, fiadanana anie ho anao ary fiadanana anie ho an’ireo mpanampy anao, satria ilay Andriamanitrao no efa manampy anao! Dia noraisin’i Davida ireo ka notendreny ho isan’ny filohan’ny andian-tafika.
Koa raha niverina ho any Tsiklaga iny i Davida no tonga nikambana taminy kosa ireo olona anisan’ny fokon’i Manase, dia i Hadnà sy i Jôzabada, i Jedihaela sy i Mikaela mbamin’i Jôzakara sy i Elihò ary i Tsiletahy izay samy mpifehy arivo tao amin’i Manase.
Fa ny amin’ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin’ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an’Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.
Dia nalaiko ny lohandohan’ny fokonareo, dia lehilahy hendry sady hita toetra, ka notendreko ho lehibenareo; tao ny mpifehy arivo sy mpifehy zato mbamin’ny mpifehy dimampolo sy mpifehy folo, ary tao ny mpandraharaha amin’ny fokonareo.
Homem-boninahitra anie ny taranak’i Jôsefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin’ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin’ny fokon’i Efraîma sy ny miaramila arivoarivon’ny fokon’i Manase.»