Nomery 30:15 - Baiboly Katolika15 Rehefa tsy niteniteny taminy androtr’iny sy ny manaraka iny izy, dia mandraikitra ny voady rehetra sy ny famehezan-tena rehetra mahazo izy: ny tsy nitenitenenany taminy tamin’ny andro nandrenesany an’izany no nandraiketany azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201115 Fa raha tsy miteny azy hatramin’ny ampitson’iny ny lahy dia mampanan-kery ny voadin-dRavehivavy rehetra izy na izay rehetra namehezany tena; mampanan-kery ireny izy satria tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany azy nivoady. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA15 Fa raha tsy manohitra an-dravehivavy kosa ny lahy hatramin’ny ampitson’ny andro nandrenesany ny voady amam-pianianany, dia mampanan-kery izany. Ny tsy nanoherany an-dravehivavy tamin’ny andro nandrenesany no mampanan-kery izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara15 Fa raha tsy manohitra an-dravehivavy kosa ny lahy hatramin’ny ampitson’ny andro nandrenesany ny voady amam-pianianany, dia mampanan-kery izany. Ny tsy nanoherany an-dravehivavy tamin’ny andro nandrenesany no mampanan-kery izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy15 Fa raha tsy niteny azy akory tamin’ny an-davan-andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany. Jereo ny tokoMalagasy Bible15 Fa raha tsy niteny azy akory tamin'ny an-davan'andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache15 Fa raha tsy miteny azy hatramin’ny ampitson’iny ny lahy dia mampanan-kery ny voadin-dRavehivavy rehetra izy na izay rehetra namehezany tena; mampanan-kery ireny izy satria tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany azy nivoady. Jereo ny toko |