Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 30:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fa raha tsy manohitra an-dravehivavy kosa ny lahy hatramin’ny ampitson’ny andro nandrenesany ny voady amam-pianianany, dia mampanan-kery izany. Ny tsy nanoherany an-dravehivavy tamin’ny andro nandrenesany no mampanan-kery izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa raha tsy miteny azy hatramin’ny ampitson’iny ny lahy dia mampanan-kery ny voadin-dRavehivavy rehetra izy na izay rehetra namehezany tena; mampanan-kery ireny izy satria tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany azy nivoady.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa raha tsy manohitra an-dravehivavy kosa ny lahy hatramin’ny ampitson’ny andro nandrenesany ny voady amam-pianianany, dia mampanan-kery izany. Ny tsy nanoherany an-dravehivavy tamin’ny andro nandrenesany no mampanan-kery izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Rehefa tsy niteniteny taminy androtr’iny sy ny manaraka iny izy, dia mandraikitra ny voady rehetra sy ny famehezan-tena rehetra mahazo izy: ny tsy nitenitenenany taminy tamin’ny andro nandrenesany an’izany no nandraiketany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa raha tsy niteny azy akory tamin’ny an-davan-andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa raha tsy niteny azy akory tamin'ny an-davan'andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Fa raha tsy miteny azy hatramin’ny ampitson’iny ny lahy dia mampanan-kery ny voadin-dRavehivavy rehetra izy na izay rehetra namehezany tena; mampanan-kery ireny izy satria tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany azy nivoady.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 30:15
7 Rohy Ifampitohizana  

«Raha misy olona mandre ny antso avo ataon’ny fampanoavana ho an’ireo vavolombelona ka ny tenany dia vavolombelona nahita na nahalala nefa tsy manambara, dia manota izy ary itambesaran’ny heloka.


Raha ren’ny lahy izany nefa tsy notoheriny na norarany, dia mitoetra ara-dalàna ny voady amam-pianianana rehetra nataon-dravehivavy.


Ny voady na fianianana rehetra nataon’ny vavy mba hifady hanina dia ny vadiny irery ihany no mampanan-kery na mahafoana izany.


Fa raha aorian’ny andro nandrenesany izany kosa ny lahy no hanapa-kevitra hanafoana izany, dia izy no hovesaran’ny heloky ny vadiny.


Raha ren-drainy izany voady na fianianana izany, nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataon’ilay tovovavy.


Raha rem-badiny izany nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony.


Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra