Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 8:4 - Baiboly Katolika

4 Dia nataon’i Môizy izay nandidian’i Iaveh azy, ka vory teo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ny fiangonana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO azy i Mosesy ka vory teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Nanao araka izay nandidian’ny TOMPO azy i Mosesy ka tafangona teo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ny Israelita;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nanao araka izay nandidian’ny TOMPO azy i Mosesy ka tafangona teo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ny Israelita;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary Mosesy nanao araka izay nandidian’i Jehovah azy; dia vory teo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; dia vory teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO azy i Mosesy ka vory teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 8:4
19 Rohy Ifampitohizana  

Natao tamin’ny jaky volomparasy, sy jaky mangatrakatraka, ary lamba mena antitra ny fanamiana enti-manao ny fomba-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, mbamin’ny fanamiana masina ho an’i Aarôna, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Dia nafehiny tamin’ny ribà jaky volomparasy amin’ny masom-bolan’ny efôda ny masom-bolan’ny saron-tratra, mba ho eo ambonin’ny fehin-kibon’ny efôda ny saron-tratra, ary tsy ho afa-miala eo amin’ny efôda ny saron-tratra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mba hanaovana ny fanompoam-pivavahana, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


ary fehin-kibo rongony mihasina, natao tamin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, tenon-damasy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Ny fehin-kibo tambonin’ny efôda famehezana azy dia iray aminy, mitovy tenona aminy, natao tamin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra ary rongony mihasina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


dia natao teo ambonin’ny soroky ny efôda ireo, ho vato fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Nasain’i Môizy nanatona koa ireo zanak’i Aarôna dia nampiakanjoiny ny tonîka, nohetràny fehikibo, ary nafatony teo amin’ny mitra, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Fa ny tenan’ny ombalahy kosa, ny hodiny, ny nofony, ary ny tain-drorohany, dia nodorany tany ivelan’ny toby, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Dia nalain’i Môizy ny tratran’ny ondralahy fanokanana, ka nahevahevany ho fanatitra eo anatrehan’i Iaveh; io no anjaran’i Môizy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


ka vorio ny fiangonana rehetra, ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.»


Hijanona hafitoana andro aman’alina, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana ianareo, ka hitandrina ny didin’i Iaveh mba tsy ho faty ianareo, fa izany no didy azoko.»


dia hoy i Môizy tamin’ny fiangonana; «Izao no nasain’i Iaveh atao.»


nasatrony ny lohany ny hamama, dia nataony teo anoloan’ny hamama ny takela-bolamena, ilay diadema masina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»


Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa dia nandray mofo,


Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina;


Tovy sy araho izay rehetra andidiako anareo, fa aza ampiana, aza anesorana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra