Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 27:23 - Baiboly Katolika

23 dia hoferan’ny mpisorona izay vidiny, araka ny anombananao azy mandra-piavin’ny taona Jobily, dia haloan’izany olona izany androtr’io ihany izay voafetra ho vidiny, ho zavatra voatokana ho an’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 dia hokajin’ny mpisorona aminy izay tokony ho tombany hatramin’ny taon-Jobily, ary handoa izay tombany amin’io andro io ihany izy; zava-masina ho an’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 dia araka ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny tombam-bidiny; ary androtr’io ihany no handoavan’ilay olona izany, dia hatokana ho an’ny TOMPO io vola io.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 dia araka ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny tombam-bidiny; ary androtr’io ihany no handoavan’ilay olona izany, dia hatokana ho an’ny TOMPO io vola io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 dia holazain’ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin’ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin’izany andro izany izy ho zava-masina ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 dia holazain'ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin'ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin'izany andro izany izy ho zava-masina ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 27:23
4 Rohy Ifampitohizana  

ka ny mpisorona no hanombana azy araka ny hatsarany na haratsiany, dia izay tombany ataon’ny mpisorona no ekena.


fa raha atỳ aorian’ny Jobily kosa no hanokanany ny taniny, dia ho araka ny isan’ny taona sisa mandra-piavin’ny Jobily no hanombanan’ny mpisorona ny vidiny, ka hahenany ny tombany nataonao.


«Raha misy olona manokana ho an’i Iaveh ny tany novidiny tsy anisan’ny zara taniny,


Amin’ny taona Jobily dia hiverina amin’izay nividianana azy sy tompon-jara tany azy ilay tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra