Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 27:23 - DIEM PROTESTANTA

23 dia araka ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny tombam-bidiny; ary androtr’io ihany no handoavan’ilay olona izany, dia hatokana ho an’ny TOMPO io vola io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 dia hokajin’ny mpisorona aminy izay tokony ho tombany hatramin’ny taon-Jobily, ary handoa izay tombany amin’io andro io ihany izy; zava-masina ho an’NY TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 dia araka ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny tombam-bidiny; ary androtr’io ihany no handoavan’ilay olona izany, dia hatokana ho an’ny TOMPO io vola io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 dia hoferan’ny mpisorona izay vidiny, araka ny anombananao azy mandra-piavin’ny taona Jobily, dia haloan’izany olona izany androtr’io ihany izay voafetra ho vidiny, ho zavatra voatokana ho an’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 dia holazain’ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin’ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin’izany andro izany izy ho zava-masina ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 dia holazain'ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin'ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin'izany andro izany izy ho zava-masina ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 27:23
4 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpisorona no hanombana ny vidiny araka ny hatsàrany na haratsiny; dia izay tombam-bidy nataony no harahina.


Fa raha aorian’ny taona Jobily kosa no anavahana tany hatokana ho an’ny Tompo, dia ny isan’ny taona sisa mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hameran’ny mpisorona ny vidiny, ka dia hahenany araka izany ny tombam-bidiny.


«Raha tany novidina fa tsy zara tany no avahana hatokana ho an’ny TOMPO,


Amin’ny taona Jobily kosa dia hiverina amin’ilay nividianana azy ny tany, izany hoe amin’ilay tompon-dova.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra