Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 8:3 - Baiboly Katolika

3 Dia niainga i Jôsoe sy ny mpiantafika rehetra hiakatra hamely an’i Haia. Nifidy lehilahy mahery 30.000 i Jôsoe, nalefany tamin’ny alina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Dia niainga i Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina i Josoa ka nandefa ireo rehefa alina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Dia niainga hamely an’i Hay i Josoa sy ny tafiny. Ary i Josoa nifidy lehilahy mahery fo miisa telo alina, dia naniraka azy nony alina

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Dia niainga hamely an’i Hay i Josoa sy ny tafiny. Ary i Josoa nifidy lehilahy mahery fo miisa telo alina, dia naniraka azy nony alina

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin’ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin'ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Dia niainga i Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina i Josoa ka nandefa ireo rehefa alina.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 8:3
10 Rohy Ifampitohizana  

«Mifantena lehilahy ianao dia handeha hiady amin’i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon’ny havoana, mitana ny tehin’Andriamanitra ao an-tanako.»


ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safodrano izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fiavian’ny Zanak’olona.


dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany,


Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe: ‹Inty tamy ny mpampakatra, mandehana mitsena azy ianareo›.


satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.


Dia niakatra avy any Galgalà i Jôsoe sy ny mpiantafika rehetra niaraka taminy, mbamin’ny mpiady mahery rehetra.


Koa tahaka ny nanaovanao an’i Jerikô sy ny mpanjakany no hanaovanao an’i Haia sy ny mpanjakany koa; saingy ny babo avy aminy sy ny biby ompiny kosa no alao ho anareo. Asio otrika ao ivohon’ny tanàna.»


ka izao no baiko nomeny azy: «Mahìna ianareo, dia aoka hanotrika ao ivohon’ny tanàna ianareo, ka aza manalavitra ny tanàna loatra ary samia mivonona hatrany.


Ho avy toy ny mpangalatra ny Andron’ny Tompo, ary amin’izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo, ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.


koa miarena mbola alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, avia hanotrika any an-tsaha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra