Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 21:11 - Baiboly Katolika

11 Dia nomeny azy, tao amin’ny tendrombohitr’i Jodà, ny tanànan’i Arbe, rain’i Enàka, dia i Hebrôna izany, ary ny tany manodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Dia nomeny azy Kiriata-Arba na ny tanànan’i Arba, rain’i Anàka, dia i Hebrona izany, any amin’ny tany be havoana any Joda, mbamin’ny tany manodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Nomena azy i Kiriata-Arbà, na hoe tanànan’i Arbà araka ny anaran’ilay razamben’ny Hanakita. Io tanàna io ankehitriny dia atao hoe Hebrôna, any amin’ny faritra havoan’i Joda. Nomena miaraka aminy koa ny kijàna manodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Nomena azy i Kiriata-Arbà, na hoe tanànan’i Arbà araka ny anaran’ilay razamben’ny Hanakita. Io tanàna io ankehitriny dia atao hoe Hebrôna, any amin’ny faritra havoan’i Joda. Nomena miaraka aminy koa ny kijàna manodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Dia nomeny azy ny tanànan’i Arba, rain’i Anàka (Hebrona izany), any amin’ny tany havoan’i Joda, mbamin’ny tany manodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Dia nomeny azy ny tanànan'i Arba, rain'i Anàka (Hebrona izany), any amin'ny tany havoan'i Joda, mbamin'ny tany manodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Dia nomeny azy Kiriata-Arba na ny tanànan’i Arba, rain’i Anàka, dia i Hebrona izany, any amin’ny tany be havoana any Joda, mbamin’ny tany manodidina azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 21:11
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.


Ary i Jakôba tonga tany amin’i Isaaka rainy, tany Mambre, any Kiriat- Arba; dia i Hebrôna izany, izay nitoeran’i Abrahama sy i Isaaka.


Nony afaka efa-taona dia hoy i Absalôma tamin’ny mpanjaka: «Raha sitrakao, avelao kely aho ho any Hebrôna, hanefa ny voady nataoko tamin’i Iaveh.


ary ny avy amin’ny antsasa-pokon’i Manase, i Anera, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Balaama, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, ho an’ny fianakavian’ny taranak’i Kata sisa.


Niainga i Maria tamin’izany andro izany, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà,


Kariat-Arbe no anaran’i Hebrôna fahiny; i Arbe dia lehilahy goavam-be indrindra tamin’ny Enakima. Ary nitsahatra tamin’ny ady ny tany.


i Atmatà, i Kariat-Arbe, dia i Hebrôna izany, ary i Siôra: tanàna sivy, ary ny zana-bohiny.


dia ho an’ny taranak’i Aarôna, izay anisam-pianakavian’ny Kaatita amin’ny taranak’i Levì, fa izy ireo no nanaovana ny loka voalohany.


Fa ny saha momba izany tanàna izany sy ny zana-bohiny kosa anefa dia nomeny an’i Kaleba, zanak’i Jefone, ho fananany.


Dia nandroso i Jodà namely ny Kananeanina nonina tany Hebrôna, izay nantsoina fahiny hoe Kariata-Arbe, ary nandresy an’i Sesaia sy i Ahimàna ary Tolmaia.


an’ny ao Hebrôna, ary ho an’ny any amin’ny tany rehetra nalehan’i Davida sy ny olony».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra