Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joela 2:16 - Baiboly Katolika

16 Eho ny vahoaka, miantsoa fivoriana masina, angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra handao ny efitranony, ary ny ampakarina ny trano lainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Angony ny vahoaka! Manamasìna ny fiangonana! Vorio ny zokiolona, angony ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono; aoka ny mpampakatra hiala ao an’efitranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Atobio miaraka ny vahoaka, manokàna fotoana hiangonana. Vorio ny antitra sy ny tanora hatramin’ny zaza minono; aoka handao ny efitranony ny mpivady vao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Atobio miaraka ny vahoaka, manokàna fotoana hiangonana. Vorio ny antitra sy ny tanora hatramin’ny zaza minono; aoka handao ny efitranony ny mpivady vao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Angòny ny vahoaka, Manamasìna fiangonana, Vorio ny loholona, Angòny ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, Ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin'ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Angony ny vahoaka! Manamasìna ny fiangonana! Vorio ny zokiolona, angony ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono; aoka ny mpampakatra hiala ao an’efitranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.

Jereo ny toko dika mitovy




Joela 2:16
21 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Jodà rehetra izany, nitsangana teo anatrehan’i Iaveh avokoa, hatramin’ny ankizy madinika mbamin’ny vady aman-janany.


dia nilazany hoe: «Mihainoa ahy, ianareo Levita: hamasino ny tenanareo, hamasino ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo, ka esory amin’ny fitoerana masina ny loto rehetra.


Ny Levita dia notendrena hamono ny soron’ny Paka, ho an’izay rehetra tsy madio mba hanokana azy ireo ho an’i Iaveh; fa betsaka ny olona teo amin’ny fiangonana no tsy mbola nanamasina ny tenany.


«I Iaveh mpamindra fo anie hamela heloka an’ireo nandraikitra ny fony hitady an’Andriamanitra, i Iaveh, Andriamanitry ny razany, na dia tsy ananany aza ny fahadiovana ilaina ao amin’ny fitoerana masina.»


Dia vonony ny Paka, hamasino ny tenanareo, ary amboary izy ho an’ny rahalahinareo, hanarahan’ny olona ny tenin’i Iaveh voalaza tamin’i Môizy.»


Nony tapitra nitsingerina izany fanasana izany, nampanalain’i Jôba ireo zanany dia nodioviny. Nifoha vao maraina koa izy sy nanatitra sorona dorana araka ny isan-janany, fa hoy izy: «Fandrao nanota ny zanako, sy diso tamin’Andriamanitra tao am-pony». Toy izany no nataon’i Jôba hatrany hatrany.


fa mitety ny tany rehetra ny fanenon’ny feony, ka tonga hatramin’ny faran’ny tany ny fikarantsan’ny feony. Dia any Izy no nanangan-day ho an’ny masoandro.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio sy ampitso, ary asaovy sasàny ny fitafiany.


Nony vita izany dia hoy izy tamin’ny vahoaka: «Aoka ho voaomana ao anatin’ny hateloana ianareo; aza mikasi-behivavy».


Na ny mpisorona manatona an’i Iaveh aza, aoka hanamasin-tena fandrao vonoin’i Iaveh».


Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany, ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,


ka dia niteny taminy hoe: «Renao va izay lazain’ireo?» «Eny, hoy i Jesoa, moa mbola tsy novakinareo va ny hoe: Avy amin’ny vavan’ny ankizy sy ny zaza minono no hahazoanao dera?»


Ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy.


Aza misara-pandriana ianareo, afa-tsy amin’ny andro sasany ifanekenareo holanina amin’ny fivavahana; raha efa izany, dia miraisa indray fandrao alain’i Satana fanahy ianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena;


Koa mitsangàna ianao, hamasino ny vahoaka, ka lazao aminy hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Misy anatema eo afovoanao, ry Israely; ka tsy hahatoha ny fahavalonao ianao, mandra-panaisotrareo ny anatema hiala eo afovoanareo.


Tamin’izay rehetra nandidian’i Môizy dia tsy nisy teny iray tsy novakin’i Jôsoe teo anatrehan’ny fiangonan’i Israely rehetra, ny vehivavy sy ny zaza ary ny vahiny nitoetra teo afovoany.


Dia hoy i Samoela: «Hampiadana! Tonga hanatitra sorona ho an’i Iaveh aho. Ka hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ny sorona.» Dia nanamasina an’i Isaï sy ny zanany izy, sy nanasa azy ireo ho any amin’ny sorona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra