Joela 2:16 - DIEM PROTESTANTA16 Atobio miaraka ny vahoaka, manokàna fotoana hiangonana. Vorio ny antitra sy ny tanora hatramin’ny zaza minono; aoka handao ny efitranony ny mpivady vao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201116 Angony ny vahoaka! Manamasìna ny fiangonana! Vorio ny zokiolona, angony ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono; aoka ny mpampakatra hiala ao an’efitranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara16 Atobio miaraka ny vahoaka, manokàna fotoana hiangonana. Vorio ny antitra sy ny tanora hatramin’ny zaza minono; aoka handao ny efitranony ny mpivady vao. Jereo ny tokoBaiboly Katolika16 Eho ny vahoaka, miantsoa fivoriana masina, angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra handao ny efitranony, ary ny ampakarina ny trano lainy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy16 Angòny ny vahoaka, Manamasìna fiangonana, Vorio ny loholona, Angòny ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, Ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany. Jereo ny tokoMalagasy Bible16 Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin'ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany. Jereo ny toko |
Ary rehefa tapi-nihodina ny fanasana, dia nampiantsoin’i Jôba ny zanany mba hodiovina. Dia nifoha maraina be izy ny ampitso ka nanolotra sorona dorana manontolo araka ny isan’izy rehetra; fa hoy Jôba hoe: «Fandrao nanota na nandà an’Andriamanitra tao am-pony ny zanako.» Izany no nataon’i Jôba mandrakariva.
Mandehana omany ny vahoaka mba hihaona amiko rahampitso ka ilazao izy mba samy hanadio ny tenany; fa Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely no milaza amin’ny Israelita hoe: «Mbola manana zavatra nasaiko nolevonina ianareo; noho izany, tsy afaka hanohitra ny fahavalonareo ianareo raha tsy foana teo aminareo ireny zavatra ireny.