Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:30 - Baiboly Katolika

30 Izao no lazain’i Iaveh: Ity lehilahy ity dia soraty ho tsy miteraka, ho lehilahy tsy mahomby amin’ny androny! Fa amin’ny taranany tsy hisy hahavanona ny mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, hanjaka indray amin’i Jodà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Izao no lazain’NY TOMPO: Soratinareo ho tsy manan-taranaka ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin’ny androny; fa tsy hisy amin’ny taranany izay hambinina ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, na hanapaka ao amin’ny Joda intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

30 Izao no lazainy: «Aoka iny lehilahy iny hosoratana ho toy ny tsy niteraka sady tsy nahomby tamin’ny androm-piainany. Fa tsy hisy taranany hahazo hipetraka hanjaka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida na hifehy an’i Joda intsony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Izao no lazainy: «Aoka iny lehilahy iny hosoratana ho toy ny tsy niteraka sady tsy nahomby tamin’ny androm-piainany. Fa tsy hisy taranany hahazo hipetraka hanjaka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida na hifehy an’i Joda intsony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Izao no lazain’i Jehovah: Soratinareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, Dia lehilahy tsy hambinina amin’ny androny; Fa tsy hisy amin’ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, Na hanapaka ao amin’ny Joda intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Izao no lazain'i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda intsony

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Izao no lazain’NY TOMPO: Soratinareo ho tsy manan-taranaka ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin’ny androny; fa tsy hisy amin’ny taranany izay hambinina ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, na hanapaka ao amin’ny Joda intsony.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:30
11 Rohy Ifampitohizana  

Tsy mamela fara aman-dimby amin’ny fokony izy; ary tsy misy velona ny ao amin’ny fonenany.


Manam-pikambanana aminao akory va, ny fitsarana mandoza, izay manao ratsy va manaraka ny fomba fitsarana ara-dalàna?


Indrisy, ketrina ireo mpiandry ondry; tsy nitady an’i Iaveh izy; koa tsy nambinina akory izy, dia naely avokoa ny biby andrasany.


Avy any ianao dia hiverina, miloloha tanana; satria nolavin’i Iaveh ry zareo itokianao, ka tsy hahomby ianao miankina amin’ireo.»


ka lazao eny izao teny izao, ataovy hoe: «Henoy ny tenin’i Iaveh, ry mpanjakan’i Jodà, izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao mbamin’ny vahoakanao, izay miditra amin’ireto vavahady ireto.»


noho izany dia izao no lazain’i Iaveh: Hamangy an’i Semeiàsa Nehelamita mbamin’ny taranany Aho; tsy hisy amin’ny fianakaviany honina eo amin’ny fireneny; sady tsy mba hahita ny soa hataoko amin’ny vahoakako izy. - teny marin’i Iaveh, - satria nitory fiodinana amin’i Iaveh izy.»


Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà: Tsy hisy amin’ny fianakaviany na iray aza hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, sady hatsipy any ivelany ny fatiny hasian’ny hainandro, amin’ny antoandro, sy ny hatsiaka amin’ny alina.


Novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna teo imason-drainy ireo zanaka lahin’i Sedesiasa; novonoina tao Reblà koa ny mpanapaka rehetra tamin’i Jodà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra