Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:29 - Baiboly Katolika

29 Ry tany ô, ry tany ô, ry tany ô, henoy ny tenin’i Iaveh!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Ry tany! Ry tany! Ry tany! Henoy ny tenin’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

29 –Ry taniko ô, ry taniko ô, ry taniko ô, henoy ny tenin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 –Ry taniko ô, ry taniko ô, ry taniko ô, henoy ny tenin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Ry tany! Ry tany! Ry tany! Henoy ny tenin’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:29
9 Rohy Ifampitohizana  

Manatòna hihaino, ianareo firenena, mampandria sofina, ianareo vahoaka! Aoka hihaino avokoa ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy; izao tontolo izao mbamin’ny vokatra rehetra avy aminy.


Mihainoa, ry tany: Indro fa misy loza entiko hamely ity vahoaka ity, dia ny vokatry ny hevi-dratsiny; satria tsy nihaino ny teniko izy ireo; sady nandà ny lalàko.


Dia hoy Izy tamiko: «Aminanio ireo taolana ireo, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’i Iaveh!


Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra! Mandrenesa tsara, ry tany, mbamin’izay rehetra monina eo aminao! Efa hitsangan-ko vavolombelona hiampanga anareo ny Tompo Iaveh, dia ny Tompo avy ao amin’ny lapan’ny fahamasinany!


«Koa soraty izao tononkira izao. Ampianaro ny zanak’i Israely, ary ataovy eo am-bavany mba ho vavolombelona hoentiko miampanga ny zanak’i Israely izany tononkira izany.


Mampandria sofina, ry lanitra, fa hiteny Aho; ary aoka ny tany hihaino ny teny haloaky ny vavako.


dia miantso ny tany aman-danitra aho anio ho vavolombelona hiampanga anareo, fa vetivety foana ianareo, dia ho fongotra eo amin’ny tany izay halehanareo hakanareo azy ho fanananareo, amin’ny fitànareo an’i Jordany; tsy ho lava andro eo ianareo, fa haringana mihitsy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra