Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:14 - Baiboly Katolika

14 sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho, sy efitrano malalaka; dia asiany varavarankely betsaka, ataony tafo sedera, ary hosorany loko mena mivaivay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 sady miteny hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy efitrano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko menamena.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Hoy ianao anakamponao hoe: «Manorina lapa miezinezina ho ahy aho miaraka amin’ny rihana malalaka». Dia loahanao hisy varavaran-kely izy sady petahanao valin-drihana sedera ary nasainao nolokoana mena ny rindriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Hoy ianao anakamponao hoe: «Manorina lapa miezinezina ho ahy aho miaraka amin’ny rihana malalaka». Dia loahanao hisy varavaran-kely izy sady petahanao valin-drihana sedera ary nasainao nolokoana mena ny rindriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho Sy ati-trano ambony malalaka, Ary holoahany hisy varavarankely Sady hasiany valin-drihana sedera Sy hohosorana loko mena.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 sady miteny hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy efitrano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko menamena.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:14
13 Rohy Ifampitohizana  

dia hoy ny mpanjaka tamin’i Natàna mpaminany: «Jereo ange! Izaho mitoetra an-trano sedera, ary ny Fiaran’Andriamanitra mitoetra ao afovoan’ny lay!»


Ny trano lehibe nopetahany hazo sipresa, dia nopetahany volamena madio, nasainy nasiana sarin-drofia aman-tongàlika nosokirina.


Izay tia ady tia ota, ary izay avo vava tia fionganana.


alamino ny asanao eo ivelany; ny sahanao aloha no iraiketo asaina, vao izay no manao ny tranonao ianao.


Sedera ny sakamandimbin-tranontsika; sipresy ny peta-drindrintsika.


«Nianjera ny biriky, fa vato voapaika kosa no harafitsika, voakapa ny aviavy, fa sedera kosa no hasolontsika azy.»


Ny azy mbola nampiany ny fijangajangany; fa nahita sariolona voahoso-doko eo amin’ny rindrina izy, dia sarin’ny Kaldeanina voahoso-doko mena.


Efa nianiana tamin’ny Tenany, ny Tompo Iaveh, - teny marin’i Iaveh Andriamanitry ny tafika. - Tsy tiako mainty ny avonavon’i Jakôba, ary halako ny lapany; ka hatolotro mbamin’izay rehetra ao aminy ny tanàna.


Ary ho anareo kosa moa dia fotoana hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina, amin’izao aharavan’io trano io izao?


Raha lazain’i Edôma ataony hoe: ‹Noravana izahay, nefa hanangana ny rava indray,› - dia izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Izy ireo hanorina; Izaho kosa handrava›; ka izao no ho filazan’ny olona azy: ‹Tanim-paharatsiana io, firenena tezeran’i Iaveh mandrakizay.›


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra