Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 12:14 - Baiboly Katolika

14 Ary mpaminany no nentin’Andriamanitra nampiakatra an’i Israely avy tany Ejipta, mpaminany no nentiny niahy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Mpaminany no noentin’NY TOMPO nitondra ny Israely nivoaka avy tany Ejipta, ary mpaminany koa no noentina niahy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Fa mpaminany kosa no nentin’ny TOMPO nampiakatra an’i Israely niala tany Ejipta, ary mpaminany no nataony mpiandry azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Fa mpaminany kosa no nentin’ny TOMPO nampiakatra an’i Israely niala tany Ejipta, ary mpaminany no nataony mpiandry azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Mpaminany no nentin’i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, Ary mpaminany koa no nentina niahy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Mpaminany no nentin'i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan'ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Mpaminany no noentin’NY TOMPO nitondra ny Israely nivoaka avy tany Ejipta, ary mpaminany koa no noentina niahy azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 12:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida taminy: «Aoka ny ranao ho eo an-dohanao, satria vavanao ihany no niampanga anao, fony ianao nanao hoe: ‹Izaho no namono ny voahosotr’i Iaveh.› »


Fa izany olona izany miteraka zaza masiaka, izay mandatsa-dra, ka manao amin’ny rahalahiny ny iray amin’ireo zavatra ireo,


manao zana-bola be loatra, maka zana-bola, ka dia ho velona va io?... Tsy ho velona izy, efa nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy, tsy maintsy ho faty tokoa, ary ny rany ho aminy ihany.


nandre ny feon’anjomara izy, saingy tsy niraika, ka dia ho eo aminy ihany ny rany; fa raha miraika izy, dia hahavonjy ny ainy.


Fa ny olona dia mivadika fianianana, mandainga, mamono, mangalatra, maka vadin’olona; ary manao an-keriny, ka ny ra nalatsaka mifanolotra ny ra nalatsaka.


Mitodika izy, fa tsy ho any amin’ny ambony; manahaka ny tsipìka mivaona: ho lavon’ny sabatra ny mpifehy azy, noho ny fisafoaky ny lelany; ary handatsàny azy izany any amin’ny tany Ejipta.


Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.


Hanangana mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin’ny rahalahinao, i Iaveh Andriamanitrao; hohenoinareo izy.


Hananganako mpaminany anankiray tahaka anao, avy eo amin’ny rahalahiny, izy; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin’izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy.


ka hanjary figagan’ny olona sy fanao angano amam-pihomehezana ianao, any amin’izay vahoaka rehetra hitondran’i Iaveh anao any.


Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra