Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 27:5 - Baiboly Katolika

5 Niady tamin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna izy, dia naharesy azy, ka izao no nomen’ny taranak’i Amôna ho azy tamin’izany taona izany: talenta volafotsy zato, varimbazaha 10.000 kora, ary orja 10.000 kora; torak’izany koa no naterin’ny taranak’i Amôna ho azy, tamin’ny taona faharoa sy fahatelo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Niady tamin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’izany taona izany ny taranak’i Amona dia nanome azy talenta volafotsy zato ary karazam-barimbazaha samihafa, iray alina kora avy; izany no naloan’ny taranak’i Amona ho azy tamin’ny taona faharoa sy fahatelo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Niadian’i Jôtama ny mpanjakan’ny Hamônita ka resiny. Tamin’io taona io no nanomezan’ny Hamônita azy volafotsy telo taonina sy varimbazaha telo taonina ary vary ôrza telo taonina; dia mbola izany ihany koa no naloan’izy ireo tamin’ny taona roa manaraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Niadian’i Jôtama ny mpanjakan’ny Hamônita ka resiny. Tamin’io taona io no nanomezan’ny Hamônita azy volafotsy telo taonina sy varimbazaha telo taonina ary vary ôrza telo taonina; dia mbola izany ihany koa no naloan’izy ireo tamin’ny taona roa manaraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary niady tamin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’izany taona izany ny taranak’i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan’ny taranak’i Amona ho azy tamin’ny taona faharoa sy fahatelo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary niady tamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin'izany taona izany ny taranak'i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan'ny taranak'i Amona ho azy tamin'ny-taona faharoa sy fahatelo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Niady tamin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’izany taona izany ny taranak’i Amona dia nanome azy talenta* volafotsy zato ary karazam-barimbazaha samihafa, iray alina kora* avy; izany no naloan’ny taranak’i Amona ho azy tamin’ny taona faharoa sy fahatelo koa.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 27:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Tatỳ aorian’izay, dia tamy ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amôna, ary nisy Amônita niaraka taminy, hamely an’i Jôsafata dia hiady aminy.


Nitondra fanatitra ho an’i Oziasa ny Amônita, ary niely hatrany akaikin’i Ejipta ny lazany, fa tonga nahery indrindra izy.


Nanao tanàna teny amin’ny tendrombohitr’i Jodà izy, mbamina trano mimanda sy tilikambo tany an’ala.


Nitombo hery i Joatama, satria nizotra mafy tamin’ny lalany, teo anatrehan’i Iaveh Andriamaniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra