Tsy ny hanorina fiangonana teto an-tany akory no tena anton’ny fiavian’i Jesosy teto. Misy iraka manokana nankinina taminy, ara-panahy mihitsy noho ny ara-nofo. Tadidio fa tany Nazareta izy no namaky ny tenin’i Isaia mba hanazavana ny anton’ny fanompoany: “Ny Fanahin’ny Tompo no ato amiko, satria nanosotra Ahy Izy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo; naniraka Ahy Izy hahasitrana ny torotoro fo, hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina, ary hitory ny taona ankasitrahan’ny Tompo”. (Isaia 61:1-2). Ankoatra ny fanasitranana ara-batana sy ara-tsaina, dia tonga Izy mba hampahiratra ny masontsika hahafahantsika mahatakatra sy mandray ny hafatry ny Filazantsara, ary mba hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.
satria Izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.
Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
Ary toy izao izany fitiavana izany: tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.
Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy.
fa rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna, mba hanafaka izay teo ambanin’ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Ary nony tonga tao an-tranon’i Piera i Jesoa, dia nahita ny rafozambavin’i Piera nandry fa nararin’ny tazo, dia notendreny ny tanany, ka niala ny tazo, ary nitsangana nandroso sakafo ho azy ireo izy.
ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.»
Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe: «Mangina, ary mialà amin’io lehilahy io.» Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory.
Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka Azy ka nanao hoe: «Tompo ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.» Ary hoy i Jesoa taminy: «Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.» Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe: «Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko»; fa hoy i Jesoa taminy: «Manaraha Ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.» Ary niondrana tamin’ny sambo kely Izy ka narahin’ny mpianany. Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory. Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: «Tompoko, vonjeo izahay fa maty.» Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?» Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: «Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?» Nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Gerasena Izy, dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony, nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany. Ary indreo izy niantso hoe: «Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atỳ?» Ary i Jesoa naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: «Mety Aho, madiova ianao.» Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.
Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe: «Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.»
fa hoy Izy taminy: «Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy.»
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.
Dia hoy i Pilaty taminy: «Koa mpanjaka izany Ianao?» Ary novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tatỳ an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.»
Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy, sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: «Ahinjiro ny tananao» Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany.
Teny am-pandehanan’ny sambo dia natory Izy; kanjo nasian’ny tafio-drivotra kosa ny farihy, ka nihafeno rano ny sambo ary efa am-bava loza izy ireo. Dia nanatona namoha Azy izy ireo ka nanao hoe: «Ry Mpampianatra! Ry Mpampianatra! maty izahay!» Dia nitsangana Izy, nandidy ny rivotra sy ny onjan-drano, ka nitsahatra ireo ary nitony tsara ny andro.
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna, na ny Mpaminany; tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Dia notendreny ny masony, ka hoy izy: «Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo.» Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: «Miteny ratsy an’Andriamanitra Ilay io.» Dia nihiratra ny masony, ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe: «Tandremo sao ren’olona izao.»
Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Rehefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’i Simôna hoe: «Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano,» fa hoy ny navalin’i Simôna Azy: «Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao dia halatsako ihany ny harato.» Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy rovitra ny haratony.
ary nisy vehivavy anankiray nitsì-dra hatramin’ny roa ambin’ny folo taona, efa nandany ny fananany rehetra tamin’ny dokotera, fa tsy nisy nahasitrana azy na dia iray aza, nanatona avy ao ivohony, dia nanendry ny morontongotr’akanjony, ka nijanona niaraka tamin’izay ny fitsìhany.
Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa: «Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.» Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny, ary nomen’i Jesoa an-dreniny.
Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa rehefa nohafatrafarany hoe: Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily, ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina, fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely. Ary raha mandeha ianareo mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Mandehana ka lazao amin’i Joany izao zavatra renareo sy hitanareo izao: mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torina amin’ny malahelo ny Evanjely,
«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, dia ilay malalako izay ankasitrahin’ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Ary rehefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe: «Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.»
Raha nahare izany i Jesoa dia nanao taminy hoe: «Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.»
«Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.»
Fa novalian’i Jesoa hoe: «Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka.»
ka izao no navaliny an’ireto iraka: «Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torina amin’ny mahantra ny Evanjely,
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy, sy ny manatanteraka ny asany.
Raha Izaho ihany, tsy mahazo manao na inona na inona; fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsaràko, satria tsy mitady ny sitrapoko aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.
Ary niteny tamin’ny olona indray i Jesoa, ka nanao hoe: «Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.»
Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga andian’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako ho amin’izao ora izao. Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao.»
Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria ka hatrany amin’ny fara vazantany.»
Dia hoy i Piera tamin’izy ireo: «Mibebaha, ary aoka samy hatao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo ny famelana ny fahotanareo, dia handray ny Fanahy Masina homena anareo. Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any, rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika.»
Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo. Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentina isan’andro sy napetraka teo am-baravaran’ny Tempoly atao hoe Tsaraendrika, mba hangataka fiantrana tamin’izay niditra tao an-Tempoly. ka ho tonga ny andro mahavelombelona avy amin’ny Tompo, sy hanirahany an’Ilay voatendry ho anareo, dia i Jesoa Kristy,
ary tsy misy hafa hahitana famonjena, fa tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.»
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay: Efa natsangako ho fahazavan’ny Jentily ianareo, mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazantany».
Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny Jentily.
fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo no hovonjena. Hatao ahoana àry no fiantso izay mbola tsy ninoana? Hatao ahoana no fino izay mbola tsy re? Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mitory? Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina? araka ny voasoratra hoe: «Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!»
Tsy ny hanao Batemy no nanirahan’i Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely. Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa, fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.
Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana; satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. Koa misento ao anatin’ity izahay, fa maniry mafy hitafy ny tranonay avy any an-danitra, Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!
Nefa, nony sitrak’Andriamanitra, Ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany, ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily, niaraka tamin’izay, dia tsy naka hevitra tamin’ny nofo aman-dra aho,
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
rehefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany.
Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny Jentily ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,
Manàna izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao: na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,
satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra; mamangy ny olona masina sy ny mpino havana ao amin’i Kristy Jesoa, any Kôlôsy: ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny etỳ an-tany na ny any an-danitra.
Eny, teny marina tokoa, sy mendrika hitokiana indrindra izao: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy;
Izany no tsara sy ankasitrahina eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika, Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina.
fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.
Noho izany indrindra, nony niditra tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe: Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho ahy ianao; tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe: Inty Aho tonga fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!
Ry kristianina havako, raha misy ao aminareo miala amin’ny fahamarinana, ka misy anankiray mampibebaka azy, Ny harenareo efa lo; ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao; dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany, dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.
Izay manota dia avy amin’ny devoly, fa mpanota hatrany am-boalohany ny devoly. Ary ny handrava ny asan’ny devoly no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra.
ary avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany, sy nanao antsika ho fanjakana amam-pisoron’Andriamanitra Rainy, eny, ho Azy anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay doria. Amen.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
Ary hoy Izy taminy; «Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra. Izay hino ka hatao Batemy dia ho voavonjy; fa izay tsy hino dia hohelohina.
Ary hoy koa Izy tamin’ny olona rehetra: «Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny Hazofijaliany isan’andro ka hanaraka Ahy.
Nony afaka izany dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. Fa amin’izay tanàna idiranareo kosa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe: Na ny vovoky ny tanànanareo nipetraka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo fa amin’izay andro izay, dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma, noho ny ho amin’izany tanàna izany. «Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidona ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona. Noho izany, amin’ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Tira sy Sidona noho ny ho aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaoma izay misondrotra hanakatra ny lanitra, dia haetry hatrany amin’ny afobe ianao.» «Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy; izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy.» Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: «Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.» Dia hoy i Jesoa taminy: «Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.
ka hoy Izy taminy: Araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona avy any amin’ny maty amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.
Tamin’ny andro lehibe famaranana ny fety, dia nitsangana i Jesoa ka niantso hoe: «Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Fa hisy onin-drano velona hiboiboika avy ao anatin’izay mino Ahy, araka ny volazan’ny Soratra Masina.»
Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho,
Ry lehilahy Israelita, henoy izao teny izao: i Jesoa avy any Nazareta, Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo, araka ny fantatry ny tenanareo, dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;
Koa amin’izany àry, aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
Ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilaty, na dia nataony halefa aza Izy.
ka ho anareo aloha no nananganan’Andriamanitra ny Mpanompony, sy nanirahany Azy hanasoa anareo mba samy hialanareo amin’ny ratsy nataonareo avy.
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.
Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra nataony tany amin’ny tanin’ny Jody sy tany Jerosalema. Dia novonoiny Izy nahantony tamin’ny hazo; Dia nijery azy izy, ka raiki-tahotra, sy nanao hoe: «Ahoana, Tompoko?» Ary hoy ny Anjely taminy: «Tafakatra eo anatrehan’Andriamanitra ho fahatsiarovana anao ny vavakao sy ny fiantranao. nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny andro fahatelo, sady nasehony miharihary, tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona efa voatendrin’Andriamanitra rahateo, dia taminay, izay niara-nihinana sy nisotro taminy; rehefa nitsangan-ko velona Izy.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy?
Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina; Ary ahoana no dia anaovanay vy very ny ainay mandrakariva? Marina amin’ny reharehako ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika noho ny aminareo, ry kristianina havana, raha tsy isan’andro aho no toa ho faty ihany e! Raha araka izay hevitr’olombelona fotsiny no niadiako tamin’ny biby dia tany Efezy, dia inona no soa azoko amin’izany? Raha tsy mitsangana ny maty, aoka hihinana sy hisotro isika, fa rahampitso dia ho faty e! Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara. Mifohaza marina, ary aza manota: fa ny sasany izany dia tsy mahalala an’Andriamanitra akory e; hampahamenatra anareo no ilazako izany. Fa hisy hanao hoe: «Hatao ahoana no fanangana ny maty? Vatana toy inona no hiverenany?» Ry adala, tsy maintsy maty aloha izay afafinao, vao velona indray. Ary raha mamafy ianao, tsy ny tenan’izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary izany, na voan-javatra hafa; dia vao Andriamanitra no manome tena azy araka izay tiany; samy omeny tena manaraka ny karazany avy ny voa rehetra. Tsy mitovy ny nofo rehetra, fa hafa ny an’ny olona, hafa ny an’ny biby; hafa ny an’ny vorona, hafa ny an’ny hazandrano. dia nalevina Izy, sy nitsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina;
Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,
sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika;
Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,
Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho; ary efa notafinareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary araka ny endrik’Ilay nahary azy, ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra. Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy. ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra, fa ankasitrahin’ny Tompo izany. Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fandrao dia mamoy foy izy. Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy eo imasony ihany, toy ny mpila sitraka amin’olombelona, fa amim-pahatsoram-po sy amim-pahatahorana ny Tompo. Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo tokoa, toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olombelona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa an’i Kristy Tompo ianareo. Sady izay manao ny tsy marina anie, ka handray araka ny tsy marina nataony e! fa tsy mba misy fizahan-tavan’olona. Fa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo; fa rehefa hiseho i Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo
tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona, dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, Izay nampidininy be dia be tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika; mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.
Fahiny, tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny mpaminany; Ary izao koa: Ianao, Tompo ô, no nanorina ny tany tamin’ny voalohany, ary asan-tananao ny lanitra. Izy ireo ho levona, fa Ianao haharitra; ho tonta toy ny fitafiana izy, ary havalonao toy ny lamba, ka hovana avokoa; fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra. Ary iza tamin’ny Anjely no nataony hoe: Mipetraha eo ankavanako, ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao? Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova ny famonjena? fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia Ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an’izao tontolo izao.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe Izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika. Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
Anaka, nanoratra izany aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina. Izay tia ny namany no mitoetra ao amin’ny mazava, ka tsy misy fanafintohinana ao aminy. Fa izay mankahala ny namany dia ao anatin’ny haizina sy mandeha amin’ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban’ny haizina ny masony. Manoratra ho anareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny Anarany. Manoratra ho anareo aho, ry ray, satria nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra ho anareo ankizy aho, satria efa nahalala ny Ray ianareo. Nanoratra ho anareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra ho anareo zatovo aho, satria mahery ianareo ka mitoetra ao aminareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo. Aza tia izao tontolo izao, na ny zavatra amin’izao tontolo izao. Fa izay tia an’izao tontolo izao dia tsy manana ny fitiavana ny Ray ao anatiny. Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao. Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. Anaka, izao no ora farany. Fa araka ny efa renareo dia ho avy ny antikristy, ary indro efa misy antikristy maro ankehitriny, ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra. Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.
Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.
Fa hoy i Jesoa nandre izany: «Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Mandehana àry ianareo, ka fantaro ny hevitr’izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.»
Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra ihany kosa no androahako ny demony, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.
Ary hoy ny navaliny azy: «Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.»
Fa izao no navaliny: «Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako.»
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireo vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Taorian’izany, dia lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra Izy nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany, ka hoy izy: «Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.
Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino Izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana Izy.
Ary izahay koa mitory aminareo ilay teny napetraka tamin’ny razantsika, fa notanterahin’Andriamanitra tamintsika zanak’izy ireo izany, tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona, araka izay voasoratra amin’ny Salamo faharoa hoe: Zanako Ianao; Izaho no niteraka Anao androany.