Rehefa midera isika dia manaiky ny asan’Andriamanitra lehibe, manome voninahitra Azy noho ny heriny tsy manam-petra, ary manandratra ny anarany mandrakariva. Tsapanao ve izany fifandraisana izany?
Isika rehetra ao amin’ny fanompoam-pivavahana dia mila mifandray hatrany amin’ny Fanahy Masina. Amin’ny alalan’ny fifandraisana akaiky Aminy no hahafantarantsika marina an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika tsirairay avy. Dia ho lasa fiderana avy amin’ny fo lalina izany, tsy hoe zavatra re fotsiny fa zavatra iainana sy tsapaina.
Ho afaka hidera an’Ilay Mandrakizay isika amin’izay, ary hitarika ny olona hanome voninahitra sy hanandratra an’Andriamanitra. Tombontsoa lehibe izany ka tsy an’ny rehetra. Koa aoka isika hiambina ny fontsika, hiseho eo anatrehan’ny Tompo madio sy tsy misy tsiny, mba tsy hisy mahamenatra antsika.
Saroboy ity toerana ahafahana manompo sy midera Azy ity. Aoka ny vavanao hivoaka fihiram-baovao ho an’i Jesosy mandrakariva. Aza hadinoina koa fa rehefa miara-manompo isika dia mila mifanampy sy mifampiambina mba tsy ho voafitaky ny ratsy. Ny tena izy, ny madio ary ny tsara no tokony hifantohantsika.
Miara-miasa toy ny tena iray ihany isika, ary ny tanjontsika dia ny mba hankalazaina ny anaran’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana. Mahafinaritra izany, sa tsy izany?
Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.
Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona na inona aho. Inona no ho efan’izay olona foana amiko?
Fa tsy nataony tsinontsinona na niambohoany ny fijalian’ny ory, tsy nanafina ny Tavany eo anatrehany Izy; ary nihaino Izy, nony nitaraina taminy ny ory.
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh: hanakoako eo amin’ny fiangonan’ny olo-masina anie ny fiderana Azy!
Nataon’i Davida. Sitrako ny midera Anao amin’ny foko rehetra, sy hihira ho Anao amin’ny harpa eo anatrehan’ireo andriamanitra.
Andeha isika hitsena azy amin’ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana Azy isika.
Dia nampody ny fidradradradràko ho fifaliana Ianao, namaha ny lasàkako Ianao ka nampisikina fifaliana ahy,
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany.
Ianao no iankinako hatramin’ny aho fony vao teraka; Ianao izay mamoaka ahy avy any am-bohoka ka Anao ny fiderako mandrakizay!
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy . Salamon’i Davida. I Iaveh dia fiarovana ho an’ny ampahorîna, fiarovana ho amin’ny andron’ny fahoriana. Ianao no itokian’izay mahalala ny Anaranao fa tsy mandao izay mitady Anao Ianao, ry Iaveh. Mankalazà an’i Iaveh izay mitoetra any Siôna, ambarao amin’ny firenena ny asa lehibe nataony. Satria izay manadina ny ra nalatsaka dia nahatsiaro izany; tsy nanadino ny fitarainan’ny tra-pahoriana. Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, hoy ireny; jereo ity fahoriana amelin’ny fahavaloko ahy fa Ianao no mampiverina ahy avy amin’ny vavahadin’ny fahafatesana, mba hahazoako mitory ny fiderana rehetra, eo am-bavahadin’ny zanaka vavin’i Siôna, sy hientan-kafaliana noho ny famonjenao. Latsaka tamin’ny lavaka nohadiny ny firenena; voan’ny fandrika harato nafeniny ny tongony. Fa niseho i Iaveh nanao ny fitsaràny, ka ny asan-tanan’ny ratsy fanahy ihany no naningorany azy. - Higaiona. - Selà Miverina ho any amin’ny Seoly ny ratsy fanahy, ny firenena rehetra izay manadino an’Andriamanitra. Fa ny malahelo tsy mba hadinoina hatrany hatrany; ny fanantenan’ny ory tsy rava mandrakizay. Hidera an’i Iaveh amin’ny foko rehetra aho, hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao.
Mitsingerina eo an-dohany ny haratsiany, ary miverina eo an-tampon-kandriny ny fanaovany an-keriny.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy . Salamon’i Davida.
raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, sady nihobim-pifaliana avokoa ireo zanak’Andriamanitra.
Iaveh, harambatoko, mandako, mpanafaka ahy, Andriamanitro, vatolampiko izay hahitako fialofana, ampingako, tandro-pamonjena ahy, trano mimandako!
Misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.
Mifohaza ianao, ry voninahitro! Mifohaza ianareo, ry valihako amana harpako! Hampifoha ny maraina aho!
Sady nirahinay hiaraka aminy koa ilay havana iray finoana izay malaza amin’ny Eglizy rehetra amin’ny fitoriana ny Evanjely,
Andriamanitra ô, miantso aho, ritra ny andro, nefa tsy mamaly ahy Ianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
i Mataniasa zanak’i Mikà zanak’i Zebedey zanak’i Asafa, ilay lehibe mpiventy ny hira fiderana amin’ny fivavahana; i Bekbekiasa ilay nanarakaraka teo amin’ireo rahalahiny, sy i Abdà zanak’i Samoà zanak’i Galala zanak’i Isditòna.
Ary hoy ny Levita, Jôsoe, Kedmiela, Banỳ, Hasebniasa, Sarebiasa, Odaiasa, Sebniasa, Fatatiasa: «Mitsangàna ianareo ka misaora an’i Iaveh Andriamanitrareo, mandrakizay mandrakizay! «Hisaorana anie ny Anaranao be voninahitra, izay mihoatra noho ny fisaorana amam-piderana rehetra!
Dia naoriny indray ny ôtelin’i Iaveh, ka nanatitra sorom-pihavanana amam-pisaorana teo izy, ary nandidy an’i Jodà hanompo an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Ry Iaveh ô, nampiakatra ny fanahiko avy any amin’ny Seoly Ianao; nampody ny aiko Ianao, nataonao lavitra izay midina any an-davaka aho.
Ireo Levita rehetra ireo dia samy notarihin’ny rainy avy, hanao ny hira ao an-tranon’i Iaveh, ka nanana kipantsona sy lokanga ary harpa, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra, eo ambany fifehezan’i Davida sy i Asafa ary i Iditona sy i Hemàna.
Nony nitokanana ny mandan’i Jerosalema dia nantsoina tany amin’izay fitoerana nonenany rehetra tany, ny Levita, nasaina tonga any Jerosalema hanao ny fitokanana amin-kafaliana, amin’ny hira amam-piderana, amin’ny feon-kipantsona sy valiha ary harpa.
Levita: i Josoe, i Benoy, i Kedmiela, i Sarebiasa, i Jodà, i Mataniasa, izay nitarika ny hira fiderana, niaraka tamin’ireo rahalahiny;
Tamin’ny andron’i Zôrôbabela sy i Nehemia, i Israely rehetra dia nanome isan’andro ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana. Nomena ny Levita ny fanatitra masina, dia ny Levita kosa indray no nanome ny anjaran’ny taranak’i Aarôna.
Mifalia ao amin’i Iaveh ianareo, ry olo-marina; fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.
ny 4.000 ho mpiandry varavarana, ary ny 4.000 ho mpidera an’i Iaveh amin’ny zava-maneno nataoko hankalazana Azy.»
Vao nanomboka ny hira amam-piderana dia namela-pandrika i Iaveh, hahavoa ny taranak’i Amôna sy i Moaba, mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tonga hamely an’i Jodà, ka resy izy ireo.
Raha efa izany, niteny i Ezekiasa ka nanao hoe: «Vita fanokanan-tena ho an’i Iaveh indray izao ianareo, ka manatòna, manatera sorona amam-pisaorana ao an-tranon’i Iaveh.» Dia nanatitra sorona amam-pisaorana ny fiangonana, ary nanolotra sorona dorana koa izay rehetra mazava fo.
Nijery izy ka inty ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny lampihazo eo amin’ny fidirana; ny lehibe amam-pitsòka trômpetra nanotrona ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra amin’ny tany revon-kafaliana; ny trômpetra notsofiny; ary ny mpihira an-java-maneno nanoro hevitra momba ny hira fiderana. Nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»
Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa. Matahora an’i Iaveh ianareo olo-masiny, fa tsy ho voan’ny fahantrana izay matahotra Azy. Ny liona tanora mety noana aman-tsy ampy hanina ihany, fa izay mitady an’i Iaveh tsy orin-java-tsoa akory. Avia, anaka, mihainoa ahy, hampianariko ny fahatahorana an’i Iaveh ianareo. Iza no olona mankamamy ny aina, iza no maniry andro lava hanaranam-po amin’ny fahasambarana? Arovy amin’ny ratsy ny lelanao, ary amin’ny teny fitaka ny molotrao. Mandosira ny ratsy ary manaova ny tsara, mitadiava fihavanana ary katsaho izany. Ny mason’i Iaveh mitsinjo ny marina ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy, mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany. Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra. Eo akaikin’izay torotoro fo i Iaveh, ary mamonjy izay rera-panahy Izy. Te hisaotra an’i Iaveh mandrakariva aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. Iharam-pahoriana matetika ny marina, fa esorin’i Iaveh amin’izany rehetra izany kosa. Miaro ny taolany rehetra Izy, tsy hisy ho tapaka ireny, na dia iray aza. Ny ratsy no mahafaty ny ratsy fanahy; ary sazina ny mpankahala ny olo-marina. Fa avotan’i Iaveh kosa ny fanahin’ny mpanompony; ary tsy misy faiziny izay rehetra mialoka aminy. I Iaveh no ireharehan’ny fanahiko; aoka handre sy hifaly ny manetry tena.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Salamo. Ireo mpanapaka ny firenena mivory, mba ho tonga vahoakan’Andriamanitr’i Abrahama koa izy ireo; fa an’Andriamanitra ny ampingan’ny tany, voasandratra ambony indrindra Izy. Mitehafa tanana ianareo rehetra, ry vahoaka isany, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana!
Ny mpisorona nitsangana tamin’ny fitoerany avy, mbamin’ny Levita koa nitondra ny zava-manenon’i Iaveh izay nataon’i Davida mpanjaka hiderana an’i Iaveh hoe: Fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony, raha mankalaza an’i Iaveh tamin’ny alalan’izy ireo izy. Nitsoka trômpetra tandrifin’ireo, ny mpisorona, ary tafatsangana i Israely rehetra.
Izay manatitra ny fisaorana ho sorona no manome voninahitra Ahy; ary izay mandamina ny lalany no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra.»
Toy izany no nibanjinako Anao tao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao. Fa tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao, ka aoka hiventy fankalazana Anao ny molotro.
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Fihirana. Manampy ny tany Ianao, mba hahazina azy, fenoinao harena izy. Feno rano ny loharanon’Andriamanitra, raha lonahinao toy izany ny tany, dia vary no omaninao. Manondraka ny tany voaasa Ianao, mandravona ny baingany, manalemy azy amin’ny tandrifin-drahona, mitahy ny fitsimohany. Ny taona dia ataonao feno ny fanasoavanao tafahoatra; mitsororoka ny menaka amin’ny Dianao. Vonton-drano ny tanimbolinao any an’efitra; miravaka hafaliana ny havoana. Rakotra biby fiompy ny tanim-bilona, miravaka salohim-bary ny lohasaha, mifaly sy mihira ny zavatra rehetra. Ianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siôna, ho an’ny voninahitrao no anefan’ny olona voady.
Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo eo anatrehan’Andriamanitra, aoka hientan-kafaliana izy ireo!
Raha izaho, dia ny miray amin’Andriamanitra no fahasambarako; I Iaveh Tompo no anton’ny fitokiako; mba hitoriako ny asanao rehetra.
Ary izahay, vahoakanao, sy ondry amin’ny tanim-bilonao kosa, dia hanome voninahitra Anao mandrakizay; hitory ny fiderana Anao amin’ny taona mifandimby.
Ny fody aza, mahita fonenana, ny sindintsidina koa mahita akany hametrahany ny zanany; ny ôtelinao, ry Iavehn’ny tafika, ry mpanjakako sy Andriamanitro!
Hidera Anao amin’ny foko rehetra aho, ry Tompo Andriamanitra ô, ary hanome voninahitra ny Anaranao mandrakizay.
Avia hihira amim-piravoravoana ho an’i Iaveh! Manaova hobim-pifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika! Nandritra ny efapolo taona aho monain’izany taranaka izany, ka nanao hoe: «Vahoaka manana izay fo mania izy, ary tsy nahalala ny lalako.» Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe: «Tsy hiditra amin’ny fitsaharako izy.» Andeha isika hitsena azy amin’ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana Azy isika.
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh! Mihirà ho an’i Iaveh ianareo monina amin’ny tany rehetra. Lazao eo amin’ny firenena hoe: «I Iaveh no mpanjaka»; ka hitoetra sy tsy hihetsiketsika izao tontolo izao; hitsara ny vahoaka araka ny rariny Izy, Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; aoka ho miramirana ny saha mbamin’izay rehetra ao aminy aoka hihoby ny hazo rehetra any an’ala, eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy. Avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany. Mihirà ho an’i Iaveh, misaora ny Anarany. Lazao isan’andro ny famonjeny,
Salamo. Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh, fa nanao fahagagana Izy. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahazoany ny fandresena. Nampiharihary ny famonjeny i Iaveh; nanambara ny fahamarinany teo imason’ny firenena Izy. Notsarovany ny hatsaram-pony amam-pahamarinany amin’ny taranak’i Israely. Ny vazantany efatra, nahita ny famonjen’ny Andriamanitsika avokoa.
Salamo fiderana. Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh ianareo mponina amin’ny tany rehetra. Manompoa an’i Iaveh amin-kafaliana, mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana. Fantaro fa Andriamanitra i Iaveh; Izy no nanao antsika, ka Azy isika, vahoakany sy andian’ondriny amin’ny tanim-bilony. Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany. Fa tsara i Iaveh, mandrakizay ny famindram-pony, ary maharitra amin’ny taona mifandimby ny fahamarinany.
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika. Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika. Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny, ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony. Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy. Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy.
Sitrako ny mihira ho an’i Iaveh, ny andro rehetra iainako, sy mankalaza ny Andriamanitro raha mbola misy koa aho.
Mankalazà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany; ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony. Naoriny ho lalàna izany, tamin’i Jakôba, ary ho fanekena mandrakizay tamin’i Israely, nataony hoe: «Homeko anao ny tany Kanaana, ho anjara lovanao.» Mbola olom-bitsy izy fahizany, sady vitsy no vahiny teo amin’ny tany; ka nifindrafindra tany tamin’ny firenena; niala tamin’ny fanjakana iray ho amin’ny firenen-kafa. Tsy nisy navelany hampahory azy; ary izy ireo no namaizany mpanjaka: Aza mikasika an’ireo voahosotro, ary aza manisy ratsy an’ireo mpaminaniko. Niantso mosary hamely ny tany Izy, notapahiny ny haniny izay tohan’ainy. Naniraka olona hialona azy ireo Izy: i Josefa namidy ho andevo. Nogiazana tamin’ny fatorana ny tongony, nogadrana vy izy, mandra-pahatongan’ny andro nahatanterahan’izay voalazany mialoha, izay nanamarinan’ny tenin’Andriamanitra azy. Mihirà ho Azy, mankalazà Azy! Torio ny fahagagana rehetra ataony. Naniraka hanesotra ny fatorany ny mpanjaka: nalefan’ny filohan’ny vahoaka ho afaka izy. Dia natsangany ho tompon’ny tranony, sy ho mpanapaka ny taniny rehetra, mba hifehy ireo andriandahy araka izay sitraky ny fony, sy hampianatra fahendrena an’ireo loholony. Izay vao nankany Ejipta i Israely, ka nitoetra teo amin’ny tanin’i Kama i Jakôba. Nohamaroin’Andriamanitra fatratra ny vahoakany, ary nataony mahery noho ireo mpampahory azy. Novany ny fon’ireo, ka tonga nankahala ny vahoakany, sy nanao famadihana an’ireo mpanompony. Dia nirahiny i Môizy mpanompony, sy i Aarôna olom-boafidiny. Ary ireo nanao ny famantaran’Andriamanitra teo amin’izy ireo, nanao fahagagana teo amin’ny tanin’i Kama. Nandefa haizina Izy, ka nampanjariany alina ny andro, fa tsy nandà ny teniny ireny. Nanova ny ranony ho ra Izy, ka nahafaty ny hazandranon’izy ireo. Mireharehà amin’ny Anarany masina; hiravoravo anie ny fon’izay mitady an’i Iaveh.
Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona! Fa ny fanahy mangetaheta, nataony afa-ketaheta, ary ny fanahy noana novokisany soa.
Aleloia! Sitrako ny midera an’i Iaveh amin’ny foko rehetra, eo amin’ny fivorian’ny olo-marina sy ao amin’ny fiangonana.
Aleloia! Miderà ianareo, ry mpanompon’i Iaveh, miderà ny Anaran’i Iaveh. Hisaorana anie ny Anaran’i Iaveh, dieny ankehitriny ka ho mandrakizay! Hoderaina anie ny Anaran’i Iaveh, hatreo amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatreo amin’ny filentehany.
Tsy ny maty no midera an’i Iaveh dia ireo midina ho any amin’ny toerana fanginana, fa isika, dia isika no hisaotra an’i Iaveh hatramin’izao ka ho mandrakizay. Aleloia!
Miderà an’i Iaveh, fa tsara fo Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony! Ny firenena rehetra nitangorona tamiko; izaho kosa mandripaka azy, amin’ny Anaran’i Iaveh. Izy ireo nitangorona tamiko sy nanarona ahy, izaho kosa mandripaka azy, amin’ny Anaran’i Iaveh. Nitangorona tamiko tahaka ny renitantely izy ireo; nefa maty toy ny afon-tsilo: izaho kosa mandripaka azy amin’ny Anaran’i Iaveh. Ianao nandronjina ahy mafy handavo ahy, fa i Iaveh kosa namonjy ahy. I Iaveh no heriko sy fihirako; Izy no famonjena ahy. Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako ao an-dain’ny marina. Fa naneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Iaveh. Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan’i Iaveh. Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan’i Iaveh. Nofaizin’i Iaveh mafy aho, nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana. Amohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho, mba hidirako, sy hiderako an’i Iaveh. Aoka i Israely hilaza hoe: «Eny, mandrakizay ny famindram-pony!»
Miderà ny Anaran’i Iaveh, Miderà Azy ianareo mpanompon’i Iaveh, Firenena maro no nasiany, ary mpanjaka mahery no novonoiny: i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, i Oga mpanjakan’i Basàna, mbamin’ny mpanjaka rehetra tany Kanaana, ka natolony ho lova ny tanin’ireo, dia ho lovan’i Israely vahoakany. Iaveh ô, maharitra mandrakizay ny Anaranao: Iaveh ô, maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovana Anao. Fa manome rariny ny vahoakany i Iaveh, ary miantra ny mpanompony Izy. Ny sampin’ny firenena dia volafotsy amam-bolamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy; mana-maso fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mahare izy, tsy misy fofon’aina akory aza ny vavany. Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy, na iza na iza mitoky aminy! Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Israely! Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Aarôna! ianareo manao fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, eo an-kianjan’ny tranon’ny Andriamanitsika. Misaora an’i Iaveh, ry taranak’i Levì! Misaora an’i Iaveh, ianareo matahotra an’i Iaveh! Hisaorana avy ao Siôna anie i Iaveh, izay mitoetra ao Jerosalema! Aleloia! Miderà an’i Iaveh fa tsara i Iaveh, mihirà ny Anarany amin’ny harpa, fa mamy tanteraka.
Nataon’i Davida. Sitrako ny midera Anao amin’ny foko rehetra, sy hihira ho Anao amin’ny harpa eo anatrehan’ireo andriamanitra. Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny Anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe Ianao, mihoatra noho ny voninahitra ny Anaranao.
Sitrako ny mankalaza Anao, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy ny misaotra ny Anaranao mandrakizay doria. Midera Anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh, ary misaotra Anao ny mpino Anao. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao; mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra. Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary maharitra amin’ny taona rehetra ny fanapahanao. Manohana an’izay rehetra lavo i Iaveh, ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika. Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy. Sokafanao ny tananao, dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra. Marina amin’ny lalany rehetra i Iaveh, ary mamindra fo amin’ny asany rehetra. Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa. Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy. Sitrako ny misaotra Anao isan’andro, sy ny mankalaza ny Anaranao mandrakizay doria! Miambina izay rehetra tia Azy i Iaveh, ary mandringana ny ratsy fanahy rehetra. Aoka ny vavako hitory fiderana an’i Iaveh, ary ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany masina mandrakizay doria! Lehibe i Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra, ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!
Miderà an’i Iaveh, ry fanahiko. Mpanjaka mandrakizay i Iaveh, Andriamanitrao amin’ny taona mifandimby Izy, ry Siôna. Aleloia! Sitrako ny midera an’i Iaveh, amin’ny andro rehetra iainako; sitrako ny mihira ho an’Andriamanitra raha mbola velona koa aho.
Miderà an’i Iaveh any an-tampon’ny lanitra, miderà Azy any ambony any! biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manana elatra, mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany, zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh izy ireo, fa ny Anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany. Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy, foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy. Aleloia! Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra, miderà Azy ianareo tafiny rehetra! Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ianareo kintana mamirapiratra rehetra. Miderà azy ry lanitry ny lanitra ary ianareo rano ambonin’ny lanitra. Aoka hidera ny Anaran’i Iaveh ireo: fa mandidy Izy, dia àry izy ireo.
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh: hanakoako eo amin’ny fiangonan’ny olo-masina anie ny fiderana Azy! Hifaly amin’ny Mpahary azy anie i Israely, hientan-karavoana amin’ny Mpanjakany anie ny zanak’i Siôna! Aoka izy ireo hidera ny Anarany amin’ny dihiny; aoka hihira Azy amin’ny ampongatapaka sy ny harpa!
Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina! Miderà Azy amin’ny fitoeran’ny fahefany! Miderà Azy noho ny asa nataony amin-kerim-po! Miderà Azy araka ny fahalehibeazany tsy hita noanoa! Miderà Azy amin’ny feon-trômpetra! Miderà Azy amin’ny harpa aman-dokanga! Miderà Azy amin’ny dihy miaraka amin’ny ampongatapaka! Miderà Azy amin’ny sodina aman-java-maneno tendrena! Miderà Azy amin’ny kipantsona mazava feo! miderà Azy amin’ny kipantsona mikarantsana! Aoka hidera an’i Iaveh ny manam-pofon’aina rehetra! Aleloia!
Ka dia izao no holazainao amin’izany andro izany: «Midera Anao aho, ry Iaveh, fa tezitra Ianao, nefa nihodivitra ny hatezeranao, ka mampionona ahy Ianao. Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
Iaveh ô, Andriamanitro Ianao; hankalaza Anao aho, hidera ny Anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Ianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
ka dia niteny taminy hoe: «Renao va izay lazain’ireo?» «Eny, hoy i Jesoa, moa mbola tsy novakinareo va ny hoe: Avy amin’ny vavan’ny ankizy sy ny zaza minono no hahazoanao dera?»
Ary hoy i Maria: «Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
Ary rehefa mby akaikin’ny fidinana amin’ny tendrombohitra Oliva Izy, dia nientan-kafaliana ny mpianany maro be ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery, noho ny fahagagana rehetra hitany. «Hankalazaina anie, hoy izy ireo, ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie amin’ny Avo Indrindra!» Ary ny Farisianina sasany izay teo amin’ny vahoaka nanao taminy hoe: «Ry Mpampianatra ô, rarao re ny mpianatrao!» Koa nihazakazaka nialoha izy, dia nianika amontana anankiray hitazana Azy, fa eo no handalovany. Fa novaliany hoe: «Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia hiantsoantso ny vato.»
Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.»
niara-nidera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra. Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo, ny olom-bonjena.
Rehefa tokony ho nisasaka ny alina, dia nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy, ka nihaino azy ny tao an-tranomaizina.
mbamin’ny hoe: Miderà ny Tompo ianareo firenena rehetra; ary mankalazà Azy, ry vahoaka rehetra.
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika. Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva, noho ny zavatra rehetra, amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Mifalia mandrakariva; mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy. Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.»
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»
Ny hiran’i Môizy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’ondry no nohirain’izy ireo, ka hoy izy: «Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan’ny taona mandrakizay! Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny Anaranao. Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsarànao!»
Raha efa izany, dia nisy hoatra ny feom-bahoaka betsaka tany an-danitra, reko nanao hoe: «Aleloia! An’Andriamanitra ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery, Dia nidaboka tamin’ny tongony aho, mba hiankohoka aminy, nefa hoy izy tamiko: «Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman’ny havanao izay manana ny fanambaràn’i Jesoa. Andriamanitra no iankohofy. Fa mifanaraka ny fanambaràn’i Jesoa sy ny fanahin’ny faminaniana.» Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany; tahaka ny lelafo ny masony, ary satroboninahitra maro no teny an-dohany; nisy anarana voasoratra teny aminy, izay tsy nisy nahalala afa-tsy izy irery; akanjo nipentina ra no niakanjoany, ary ny TENIN’ANDRIAMANITRA no anarany; nanaraka azy ny tafiky ny lanitra, soavaly fotsy no nitaingenan’ireo ary rongonim-bazaha fotsy madio no nitafiany; nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha; izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo. Ary indro hitako nisy Anjely anankiray nitsangana teo amin’ny masoandro, niantso ny voromanidina rehetra teo amin’ny habakabaky ny lanitra, ka nanao tamin’ny feo mahery hoe: «Avia, mivoria ianareo ho amin’ny fihinanam-ben’Andriamanitra, mba hihinana ny nofon’ny mpanjaka, ny nofon’ny tomponarivo, ny nofon’ny olo-mahery, ny nofon’ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy, sy ny nofon’ny olona rehetra, na mpanompo na olona tsotra, na kely na lehibe.» Dia hitako fa nivory ny Biby sy ny mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny, mba hiady amin’ilay nitaingina ny soavaly sy amin’ny tafiny. fa marina sy mahitsy ny fitsaràny, satria Izy nanameloka ilay Vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany, sy namely an’io noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany.» Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin’ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin’ny farihy mirehitra afon-tsolifara; ary ny olona sisa dia matin’ny sabatra nivoaka avy ao am-bavan’ilay nitaingina ny soavaly, ka vokin’ny nofony ny vorona rehetra. Dia naverin’izy ireo fanindroany indray ny hoe: «Aleloia!» Ary niakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny tanàna.
I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
Hidera Anao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; hankalaza Anao eo afovoan’ny vahoaka be aho.
Notsoahany tamin’ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin’ny fotaka mandrevo; najorony tamin’ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.
Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona na inona aho. Inona no ho efan’izay olona foana amiko? Ny voady nataoko taminao, ry Andriamanitra, tsy maintsy hoefaiko; hanatitra sorona fisaorana aminao aho.
Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana . Salamo. Fa Ianao, ry Andriamanitra, efa nizaha toetra anay; nandatsaka anay tamin’ny memy toy ny volafotsy; nampiditra anay tamin’ny fandrika harato; nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay. Nampandeha olona hanosy ny lohanay namaky ny afo sy ny rano izahay; kanjo nesorinao tamin’izany izahay, dia nototofanao soa. Tonga ato an-tranonao mitondra sorona dorana aho, hanefa aminao ny voadiko, izay efa notononin’ny molotro, sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. Manatitra ondry matavy aminao aho, ho sorona dorana, mbamin’ny fanetonan’ny ondralahy; mamono ny vantotr’ombalahy amam-bantotr’osy lahy ho sorona dorana aho. - Selà Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo, ianareo rehetra matahotra an’Andriamanitra, izay nataony ho an’ny fanahiko Niloa-bava nitaraina taminy aho, ary teo ambony lelako ny fiderana Azy. Raha nahita ota tao am-poko aho, dia tsy ho nihaino ahy ny Tompo. Nefa efa nohenoin’Andriamanitra aho, efa nihaino tsara ny feon’ny fivavahako Izy. Manaova hobin-kafaliana mankamin’Andriamanitra, ry tany rehetra; hirao ny voninahitry ny Anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana Azy.
Ianao no iankinako hatramin’ny aho fony vao teraka; Ianao izay mamoaka ahy avy any am-bohoka ka Anao ny fiderako mandrakizay! Tonga toa zava-mahagaga aho eo imason’ny vahoaka, kanjo Ianao no fiarovana mafy ho ahy. Ho feno fiderana Anao anie ny vavako, hankalaza ny hasoavanao isan’andro anie izy.
Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka Azy isika; mandohaliha eo anatrehan’i Iaveh Mpahary antsika.
Midera Anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh, ary misaotra Anao ny mpino Anao. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao; mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.
Sitrako ny midera an’i Iaveh, amin’ny andro rehetra iainako; sitrako ny mihira ho an’Andriamanitra raha mbola velona koa aho.
Ry Jerosalema ô, mankalazà an’i Iaveh, ry Siôna ô, miderà ny Andriamanitrao. Fa nohamafisiny ny hidim-bavahadinao, hasoaviny ny zanakao eo afovoanao.
I Iaveh efa nalaky namonjy ahy; isika kosa hitendry hampaneno ny kofehin’ny lokangako amin’ny andro rehetra iainantsika, ao an-tranon’i Iaveh.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Ary niaraka tamin’izay nisy antokon’ny tafika any an-danitra tonga teo amin’ilay Anjely, ka nidera an’Andriamanitra, nanao hoe: «Voninahitra anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana anie ho an’ny olona etỳ ambonin’ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony.»
Endrey, lalina tsy manam-paharitana ny fahendrena amam-pahaizan’Andriamanitra, tsy azo fantarina ny fitsaràny, ary tsy takatry ny saina ny lalany! Fa iza moa no nahalala izay hevitry ny Tompo, ary zovy no mpanolo-tsaina Azy? Sa iza no nanome azy aloha, mba hahazoany valin’izany? Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra. Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amen.
Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!
ary misaotra ny Ray Izay nahamendrika antsika hanana anjara amin’ny lovan’ny olo-masina any amin’ny mazava,
Izay miteny aoka ho toy ny milaza ny tenin’Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban’Andriamanitra fitahiana, mba hankalaza an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Izay Tompon’ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay. Amen.
Hamoaka fiderana Anao anie ny molotro, satria nampianarinao ahy ny lalànao. Hitory ny teninao anie ny lelako, fa marina avokoa ny didinao.
Hidera Anao, ry Iaveh, ny mpanjaka rehetra amin’ny tany, rehefa mandre ny teny tò naloaky ny vavanao. Hankalaza ny lalan’i Iaveh izy ireo, fa lehibe ny voninahitr’i Iaveh.
Aoka ny vavako hitory fiderana an’i Iaveh, ary ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany masina mandrakizay doria!
Ary rehefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitry ny Oliva.
«Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny olony, ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika tao amin’ny fokon’i Davida mpanompony,
Ary rehefa mby akaikin’ny fidinana amin’ny tendrombohitra Oliva Izy, dia nientan-kafaliana ny mpianany maro be ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery, noho ny fahagagana rehetra hitany.