Ry zareo mpiara-mivavaka amiko, andraikitra lehibe no miandry ireo Mpitandrina antsika izay mitarika antsika manaraka an’i Jesosy. Tokony ho fitaratra velona izy ireo, mba ho hita taratra eo amin’ny fiainany Andriamanitra.
Tombontsoa lehibe avy amin’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny olona ny mitondra fiangonana. Marina fa mety tsy ho hitan’ny olona foana ny ezaka ataony, nefa Andriamanitra mahita ny zava-drehetra, ary efa vonona ny valisoa lehibe any an-danitra ho azy ireo.
Tadidio fa zanak’Andriamanitra koa ireo Mpitandrina ireo, olombelona ihany, manana ny faibrany, ary manana fo koa. Na dia tsy inoantsika aza, dia faly dia faly izy ireo rehefa mahazo teny fampaherezana sy fankasitrahana.
Koa aoka isika hivavaka ho azy ireo, mba ho eo anilany sy hitari-dalana azy Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra. Aoka koa isika hanaja azy ireo ary hanompo amin’ny fo manontolo, mba hahatsapany fa ankasitrahantsika ny asa vitany.
Mangataka anareo koa izahay, ry kristianina havana, mba hanaja izay miasa ao aminareo, sy mifehy anareo ao amin’ny Tompo, ary izay mananatra anareo. Noho ny asan’izy ireo, manàna fitiavana azy lehibe koa, ary mihavàna tsara aminy ianareo.
Endrey izany hatsaran’ny tongotr’ilay iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana; ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena; ilay milaza amin’i Siôna hoe: «Manjaka ny Andriamanitrao!»
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.
Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: «Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: Fahano àry ny reniondriko.
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Eglizin’ny Tompo izay novidiny tamin’ny Rany.
Ry malala, iriko ho toraka ny an’ny fanahinao koa ny fanambinana ny raharahanao rehetra amam-pahasalamanao.
‹Hitahy anao sy hiaro anao anie i Iaveh. Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie i Iaveh. Hanandratra ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie i Iaveh.›
Dia hoy ny tompony taminy: ‹Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpanapaka ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao›.
Dia homeko mpiandry araka ny foko ianareo, izay hamahana anareo amim-pahalalana sy fahendrena.
Tsarovy ny mpitondra anareo, izay nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; diniho ny niafaran’ny fiainany, ka alao tahaka ny finoany;
Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.
Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
Voalohany aloha, misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy aho, noho ny aminareo rehetra, fa malaza amin’izao tontolo izao ny finoanareo.
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana. Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin’ny fivavahanay, ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo, ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika;
Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireo vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Ka hoy ny navaliny Azy: «Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: «Fahano ny zanak’ondriko.»
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po;
«Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika any an-kafa, dia mpangalatra sy jiolahy;
tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin’Andriamanitra, ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra, tsy tia divay loatra, tsy mpikapoka, tsy mpila vola;
I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po; tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry; ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
Nifidy an’i Davida mpanompony Izy, ary nanesotra azy any am-balan’ny ondry; naka azy teny am-piandrasana reniondry, mba hiandry an’i Jakôba vahoakany, sy i Israely lovany. Dia nitarika azy araka ny fahitsian’ny fony, i Davida, ary nitondra azy tamin’ny tanana kinga.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.
Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,
Fa izay mahatontosa tsara ny raharahany, dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany, sy fahatokiana lehibe amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesoa.
Ry zanak’olona, maminania ny amin’ny mpiandry an’i Israely. Maminania, ka lazao aminy, dia amin’ireo mpiandry ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ny mpiandry an’i Israely, fa ny tenany ihany no nofahanan’izy ireo! Moa tsy ny ondry va no tokony hofahanan’ny mpiandry? Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho handeha hitsara ny adin’ny ondry matavy sy ny ondry mahia: satria ianareo nanosika tamin’ny tehezanareo aman-tsorokareo, sady nanoto ny ondry osa rehetra tamin’ny tandrokareo, mandra-pandronjinareo azy ho any ivelany: dia hovonjeko ny ondriko, ka tsy hatao fandroba intsony; ary hitsara Aho manavaka ny ondry amin’ny ondry. Mpiandry iray ihany ny hatsangako ho azy; - ary izy ny hamahana azy ireo, - izy no hamahana azy ireo, dia i Davida mpanompoko; ary izy no ho tena mpiandry ho azy ireo. Izaho Iaveh no ho Andriamanitr’izy ireo; ary i Davida mpanompoko no ho mpifehy eo aminy; Izaho Iaveh no niteny. Hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho; hofoanako tsy hisy amin’ny tany, ny biby masiaka; handry feizay izy any an’efitra; ary hatory any anaty ala. Hataoko fitahiana izy sy ny manodidina ny havoanako; halatsako aminy fotoany ny ranonorana, dia ho ranonoram-pitahiana izany. Ny hazo any an-tsaha, hamoa; ny tany koa hahavokatra, ary izy ireo, handry feizay amin’ny taniny, dia ho fantany fa Iaveh Aho rehefa voatapako ny baran’ny jiogany ary afako tamin’ny tanan’ireo nampanompo azy izy. Ny firenena tsy hamabo azy intsony; ny bibin’ny tany tsy hihinana azy intsony ary handry feizay, tsy hisy hanaitaitra azy izy. Hampaniry voly tsara laza ho azy Aho; ka tsy ho ritry ny mosary amin’ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan’ny firenena. Nohaninareo ny taviny, notafinareo ny volony, novonoinareo ny matavy; tsy namahana ny ondry ianareo: Dia ho fantany fa Izaho Iaveh Andriamaniny no momba azy, ary izy taranak’i Israely no vahoakako, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Ary ianareo, ry ondriko, ondry andrasako: dia olombelona ianareo; ary Izaho dia Andriamanitrareo, - teny marin’ny Tompo Iaveh.- tsy nanatanjaka ny malemy, tsy nitsabo ny marary, tsy namehy ny naratra, tsy namerina ny nania, tsy nitady ny very, fa nanapaka azy an-kalozana sy an-kasiahana!
Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko, sy handinidinika azy. Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka no handinidinihako ny ondriko; ary hoesoriko izy ireo, hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.
Ny very hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra hotsaboiko; ary ny marary, hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako; handrasako ara-drariny izy ireo.
Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.
Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te ho lehibe aminareo kosa, no aoka ho mpanomponareo izy. ary izay te ho lohany aminareo, no aoka ho andevonareo. dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.»
Fa noana Aho nomenareo hanina, nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina, nivahiny Aho nampiantranoinareo, tsy nitafy Aho notafianareo, narary Aho novangianareo, tany an-tranomaizina Aho notsidihinareo. Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroina? Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafianay? Oviana no hitanay narary Ianao na tany an-tranomaizina ka novangianay? fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika. Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Ary hoy Izy taminy; «Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra.
Ary hoy ny Tompo: «Iza no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana?
«Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‹Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very.› Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana.»
Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy, tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?» Ka hoy ny navaliny Azy: «Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: «Fahano ny zanak’ondriko.» Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Ka hoy ny navaliny Azy: «Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: «Fahano ny zanak’ondriko.» Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: «Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: Fahano àry ny reniondriko.
Ary samy manana ny anjara fanomezany isika araka ny fahasoavana noraisintsika avy, ka raha faminaniana izany, dia aoka ho arakaraka ny anjara finoana; raha fandraharahana, dia aoka ho ao anatin’ny fandraharahana; ity moa nandray ny fanomezana hampianatra, aoka izy hampianatra; itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra; ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana; ny iray kosa mifehy, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana, ary ny hafa koa manao asa fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany an-kafaliana.
Aoka hataon’ny olona ho mpandraharahan’i Kristy izahay, sy mpitandrina ny misterin’Andriamanitra. Izahay moa, adala noho ny amin’i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin’i Kristy! Izahay osa, fa ianareo no matanjaka; izahay faneso, ianareo kosa fanaja. Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy, fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, ary misasatra miasa amin’ny tananay. Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka; mova tsy izahay iny no fakon’izao tontolo izao, sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao. Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an’izany, fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako. Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin’i Kristy, dia tsy maro ray ianareo, fa izaho ihany no niteraka anareo tamin’ny Evanjely ao amin’i Kristy. Koa mihanta aminareo aho, aoka ho mpaka tahaka ahy ianareo, toy ny nianarako an’i Kristy koa. Fa izany ihany no nanirahako ho etỳ aminareo an’i Timote, zanako malalako sady mahatoky ao amin’ny Tompo, mba hampahatsiaro anareo izay lala-nodiaviko ao amin’i Kristy, sy izay fampianarana fanaoko hatraiza hatraiza amin’ny Eglizy rehetra. Misy mirehareha satria ataony fa tsy ho tonga any aminareo intsony aho; ho avy faingana anefa aho, raha sitraky ny Tompo, ka tsy ny fitenin-dry zareo mirehareha no ho hitako, fa ny asa vitany, Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra.
Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany: voalohany Apôstôly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra; manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana, hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny.
tsy dia hoe hanao jadona amin’ny finoanareo izahay (sanatria), fa miara-miasa hampandroso ny hafalianareo; raha ny finoana, dia efa miorina tsara ianareo.
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy,
Misaora an’Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho; dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako, sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny. ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra, noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;
Tena marina izao teny izao: raha misy maniry ny raharahan’ny Pretra, dia maniry raharaha tsara indrindra izy. ary aoka hozahan-toetra izy aloha, vao manao ny raharahany, rehefa hita fa tsy manan-tsiny. Toy izany koa ny vadiny, dia aoka ho olona manaja tena, tsy mpifosa, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra. Aoka ny Diakra ho olona tsy nanambady afa-tsy indray mandeha, sy mitondra tsara ny zanany mbamin’ny ankohonany. Fa izay mahatontosa tsara ny raharahany, dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany, sy fahatokiana lehibe amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesoa. Manoratra izany aminao aho, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza, satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Eglizin’Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan’ny marina. Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra. Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, tsy lian-divay, tsy mikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola, mahay mitondra ny ankohonany, sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary; fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitondra ny Eglizin’Andriamanitra? Tsy zazavao amin’ny fivavahana, fandrao dia mieboebo foana ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony. Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin’ny any ivelany koa, fandrao dia afa-baraka sy voan’ny fandriky ny demony.
mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva,
Ny antony namelako anao tany Kreta dia ny mba hamitanao ny fandaminana ny zavatra rehetra, sy hanendrenao Pretra isan-tanàna, araka ny nandidiako anao: dia olona tsy manan-tsiny, nanambady indray mandeha ihany, sady mpino ny zanany no tsy ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy, na maditra. Fa ny miadidy ny Eglizy, dia mpitandrin’Andriamanitra, ka tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny, tsy miavonavona, tsy mora tezitra, tsy tia divay loatra, tsy mpikapoka, tsy mpila vola; fa ho tsara fandray vahiny, mazoto manao soa, malina, marina, masina, mahafehy tena, mitana mafy ny teny marina nampianarina azy, mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina, sy handresy lahatra izay manohitra izany.
Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo. - mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany, fa tsy ho amin’alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany.
Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.
Mihanta amin’ny Pretra eo aminareo aho, dia izaho izay Pretra toa azy koa, sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy, ary mpiombona amin’ny voninahitra izay haseho koa: Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo. Ho Azy irery anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay Amen. Amin’ny alalan’i Silvano izay havana iray finoana mahatoky fantatro tsara fa ahy, no anoratako ho anareo ireo teny vitsivitsy ireo mba hilaza aminareo sy hampatoky anareo fa ny fahasoavan’Andriamanitra marina tokoa no iorenanareo. Manao veloma anareo ny Eglizin’i Babilôna, voafidy toa anareo, sy i Marka zanako. Mifampiarahabà amin’ny fifanoroham-pitiavana. Ho ao aminareo rehetra izay ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanana. fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa amin-jotom-po; tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry; ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
Ny taona rehetra samy hilaza amin’izay mandimby azy ny fiderana ny asanao; hitory ny fahagagana nataonao ny olona. Hihira ny famirapiratan’ny fiandriananao be voninahitra aho, sy ny asanao mahagaga.
Aoka hihaino ny hendry, dia hitombo fahalalana izy; ary ny manan-tsaina, hahalala torohevitra feno fahamalinana,
Rava ny vahoaka tsy misy mpitondra; fa ny hamaroan’ny mpanolo-tsaina foto-pamonjena.
Izay miolonolona irery mitady ny mahafa-po ny filàny ihany, ka mahatezitra azy avokoa izay hevitra mety rehetra.
Ny filan-kevitra mampiorina ny hevitra kasaina; ka fahiratan-tsaina no itariho ny ady.
Fantaro tsara ny toetry ny ondrinao, ny sainao ento mandinika ny biby fiompinao; fa ny harena tsy maharitra mandrakizay, na ny satroboninahitra amin’ny taona mifandimby. Nefa rehefa nitranga ny ahitra ka niseho ny zava-maitso, ary voaangona ny vilona avy eny an-tendrombohitra, dia indreo ny zanak’ondry hahazoanao fitafiana; ny osilahy hividiananao saha anankiray: be ny rononon’osy ho sakafonao sy ny ankohonanao, ary ho famelomana ny ankizy vavinao koa.
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa; Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy. «Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy, toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy no ampanirian’i Iaveh Tompo ny fahamarinana, sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.» hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’i Iaveh, sy ny andro famaliana anankiray ho an’ny Andriamanitsika; hampionona ny tra-pahoriana rehetra.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery? Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara, hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa. ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: «Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.»
«Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, dia ilay malalako izay ankasitrahin’ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany.»
Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy. Izaho sy ny Ray dia iray ihany.» Dia naka vato hitorahana Azy indray ny Jody; fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: «Be ny asa soa nasehoko teo taminareo, avy tamin’ny Ray, ka iza amin’ireny asa ireny no itorahanareo Ahy?» Dia hoy ny Jody namaly Azy: «Tsy ny asa soa no itorahanay Anao, fa ny teninao miteny ratsy an’Andriamanitra; satria olombelona fotsiny Ianao, nefa manao ny Tenanao ho Andriamanitra.» Ary i Jesoa namaly azy hoe: «Moa tsy izao no voasoratra ao amin’ny Lalànareo: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? Ka raha ireny nanambaràna ny tenin’Andriamanitra ireny aza antsoin’ny lalàna hoe andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina, ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny etỳ ambonin’ny tany hoe: miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho? Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy ianareo; fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy te hino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asako, dia ho fantatrareo fa ny Ray eto amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray.» Tamin’izay dia nitady hisambotra Azy indray izy ireo, fa niala teo an-tanany Izy. Rehefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony:
Ary nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo, sy ny fivavahana rehetra.
Koa amin’izany, ry hava-malala, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy Masina sy fahendrena, mba hametrahanay izany raharaha izany;
Fa maniry hahita anareo aho, mba hampahazo anareo fahasoavam-panahy hankahery anareo, izany hoe, mba hiarahantsika mifamporisika eo aminareo, amin’ny finoana iombonako izaho sy ianareo.
Mpandraharaha nahatonga anareo ho mpino fotsiny ireo, samy araka izay nomen’ny Tompo azy avy. Izaho moa namboly, i Apôlô kosa nanondraka; fa Andriamanitra ihany no nampaniry. Samy tsinontsinona na izay mamboly na izay manondraka; fa Andriamanitra Izay mampaniry ihany no Izy. Sahala ihany ny mamboly sy ny manondraka; ary samy hovalian’Andriamanitra araka ny fisasarany avy. Fa izahay moa mpiara-miasa amin’Andriamanitra; ary ianareo kosa sahan’Andriamanitra sy trano arafiny.
Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrify azy tsirairay avy.
Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!
Ary ankehitriny, olombelona ve no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko? Raha mbola mila sitraka amin’olombelona koa aho, dia tsy mpanompon’i Kristy akory.
fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy. Izy no iankinan’ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana.
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
hoatra ny fanaon-dray aman-janaka no nataonay taminareo tsirairay avy, araka ny hitanareo; fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo, namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an’Andriamanitra, izay niantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
Farany, ry kristianina havana, mivavaha ho anay, mba handroso faingana ny tenin’Andriamanitra, ka hankalazaina toy ny atỳ aminareo;
Izany àry no didy omeko anao, ry Timote zanako, araka ny faminaniana maro ny aminao taloha, mba ho araka izany ny hiadianao ny ady tsara,
ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly ary ho mpampianatra ny Jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga.
ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin’ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona, marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Iaveh ô, ampahafantaro ny lalanao aho; ampianaro ny sakeli-dalanao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Matahora an’i Iaveh ianareo olo-masiny, fa tsy ho voan’ny fahantrana izay matahotra Azy.
Ry Andriamanitra, nampianarinao hatry ny fony mbola tanora aho ary mitory ny fahagaganao, mandraka ankehitriny! Mandra-pahatongako ho antitra sy fotsy volo, aza ilaozanao aho Andriamanitra, mba hampahafantarako ny herinao amin’ny taranaka ankehitriny, ary ny fahefanao amin’ny taranaka ho avy.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana. Tombano ho ambony vidy izy, fa hanandratra anao; fihino tsara, fa ho tonga voninahitrao izy. Hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; horavahany satroboninahitra tsara indrindra ianao.»
Homen’ny Tompo anareo ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana; ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao, ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao. Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana.
Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany. Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany, Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho.
Nony afaka izany dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
Noho ny fahasoavana nomena ahy, dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: Aza mihevi-tena mihoatra noho ny mety, fa samia mahalala ny antonona azy, araka ny anjara finoana nomen’Andriamanitra azy avy.
Fa toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa i Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na tsy mpanompo; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy. Fa ny Lalàna rehetra dia ao anatin’ny teny tokana hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,
Mahaiza mitondra tena amin’izay eo ivelany; ary mahaiza manararaotra ny fotoana. Aoka ny fiteninareo ho mahatehotia mandrakariva, sy ho mamy sira, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra tsirairay avy.
ary ny Tompo hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo, sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao!
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Mahareta amin’ny fitiavana toy ny mpiray tam-po. Manana ôtely tsy azon’ny mpivavaka ao an-tranolay ihinanana isika. Satria izay biby entin’ny mpisorom-be ao amin’ny fitoerana masina ny rany, hatao fanatitra noho ny ota, dia dorana any ivelan’ny toby ny fatiny. Ary toy izany koa ny nijalian’i Jesoa tany ivelan’ny vavahady, mba hanamasinany ny olona amin’ny Rany. Koa mba hankanesantsika any aminy, dia aoka hivoaka any ivelan’ny toby isika, sy hitondra ny latsa nentiny. Fa fonena-mandalo no antsika etỳ an-tany, fa mitady ny ho avy isika. Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy. Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra. Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo. - mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany, fa tsy ho amin’alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany. Mivavaha ho anay, fa te hanao tsara amin’ny zavatra rehetra izahay, ary matoky fa marina ny hitsim-ponay. Ny angatahako ny hanaovanareo izany indrindra anefa, dia ny mba hiverenako any aminareo faingampaingana. Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahalala azy.
Ry kristianina havako, aza dia maro loatra aminareo no ho mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny fitsarana anay.
Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Endrey, tsara sady mamy, ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina!
Izao no nahafantarantsika ny fitiavana: nahafoy ny ainy ho antsika Izy. Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny namana koa isika.