Ry sakaiza, fantatrao ve fa betsaka ny resaka fanantenana ao amin'ny Baiboly? Hitako fa Andriamanitra no vahaolana amin'ny olana atrehintsika. Izy no iantehantsika, Izy no fanantenantsika handresena izay rehetra mahazo antsika.
Ny fiavian'i Kristy teto an-tany dia hafatra feno fanantenana ho antsika. Taorian'ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty sy nisehiany tamin'olona mihoatra ny diman-jato, dia nanambara i Petera fa i Jesosy no fanantenantsika. Amin'ny alalany no ananantsika ny fiainana mandrakizay any amin'ny fanjakan'ny lanitra, hiara-dia amin'i Jesosy Kristy sy ny Mpamorona antsika.
Marina fa mitady hampihena ny fanantenantsika sy hampangatsiaka antsika ny devoly. Kanefa tsarovy fa i Jesosy efa nandresy izay noheverina ho tsy ho vita. Noho izany, amin'ny anarany dia afaka mahatratra ny tanatsika isika.
Tena ilaina ny matoky tanteraka an'ilay mpanome aina, mamerina ny fanantenana amin'ny Raintsika any an-danitra, ary mandroso amin-kery vaovao. Satria izay miandry an'i Jehovah dia mahazo hery vaovao, hiakatra toy ny voromahery izy (Isaia 40:31).
Ho feno toky ianao, ary tsy ho foana ny fanantenanao; hijery ny manodidina anao ianao, dia handry tsy amin’ahiahy,
Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika;
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona,
Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh, Ianao no ipetrahan’ny fitokiako hatramin’ny fahatanorako!
Eny, mandalo toy ny aloka ny olona; eny, tsy misy asany ny fikofokofohany; manangona izy, nefa tsy mahalala izay handray izany.
Eny, mioko hanongana azy amin’ny fiamboniany izy ireo; mifaly amin’ny lainga izy, ny vavany misaotra, ny fony anefa manozona! - Selà
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo, ampahorin’ny fahavalo? Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho,
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.
Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia i Iaveh izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny.
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
fa izany indrindra no ikelezanay aina sy iadianay, dia noho izahay manantena an’Andriamanitra velona. Mpamonjy ny olombelona rehetra, indrindra fa ny mpino.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Izay matahotra an’i Iaveh, miankina amin’ny andry mafy, ary ny zanany manam-pialofana mahatoky.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby, ary ny nofoko hitombina amin’ny fanantenana,
Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra, raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy.
Ianao ilay fanantenan’i Israely, sy mpanafaka azy amin’ny andro fahoriana, nahoana no dia tahaka ny vahiny amin’ny tany, sy tahaka ny mpandeha manorin-day handry amin’ny alina?
Fa Izaho dia mahalala ny hevitro ny aminareo, - teny marin’i Iaveh, - dia hevitra hampiadanana fa tsy hampahoriana, mba hanome anareo andro any ho any sy fanantenana.
Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny. I Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; maharitra amin’ny tsy fivadihany Izy.
Mahatsiaro aho - ary amin’izany fahatsiarovako izany mangitaka ny foko ao anatiko, - nony namindra notronim-bahoaka aho, nony nandroso ho ao an-tranon’Andriamanitra, eo afovoan’ny hobim-pifaliana amam-pisaorana, eo afovoan’ny vahoaka be manao fety!
Izahay kosa dia amin’ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana;
Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Ianao no andefasako ny fivavahako.
Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany, mba ho madio tahaka Azy.
Fa izaho dia hanantena mandrakariva, ary mbola hampitomboiko indray ireo fiderana Anao rehetra.
Fa izaho kosa hitodi-maso amin’i Iaveh, hanantena ny Andriamanitry ny famonjeko; hihaino ahy ny Andriamanitro.
Miverena ho ao amin’ny fitoerana mimanda, ianareo babon’ny fanantenana. Mbola lazaiko anio izao: Indroa heny no haveriko aminao.
Topazo maso eo ankavanana ka zahao: tsy misy mahalala ahy akory; ny fialofako tsy misy velively, tsy ahoan’ny olona akory ny aiko.
Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Izao no hotsarovako ato anatin’ny foko, ka dia izany no mba hanantenako. Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy lany ny famindram-pony. Mihavao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao!
dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny Jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.
Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao. Matokia an’i Iaveh mandrakizay ianareo, fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.
Ny mason’i Iaveh mitsinjo izay matahotra Azy, dia ireo manantena ny hatsaram-pony, mba hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana, sy hamelona azy amin’ny andro mosarena. Miderà an’i Iaveh amin’ny harpa, mihirà ho azy amin’ny valiha tory folo. Miandry an’i Iaveh amim-pitokiana ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika Izy; fa Izy no ataon’ny fontsika foto-pifaliana, fa ny Anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika. Iaveh ô, ho aminay anie ny fahasoavanao, araka ny anantenanay Anao!
noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra,
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny. Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay; fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.
Koa aoka isika an’ny andro kosa hifady ary hitafy ny finoana amam-pitiavana ho fiarovan-tratra, sy ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
fa tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy, voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely; olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao. Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin’i Iaveh, dia tahaka ny tendrombohitra Siôna: tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.
Mitodika miandry Anao ny mason’ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin’ny fotoany izy. Sokafanao ny tananao, dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.
Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany? Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika.
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
Ary fantaro fa torak’izany ny fahendrena ho an’ny fanahinao; ka raha mahazo azy ianao, dia hanan-kiafarana, ary tsy ho foana ny fanantenanao.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Salamo. Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; tsy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô! tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao; hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho, ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin’ny fivorian-dehibe. Tsy hanampina ny famindram-ponao amiko anie Ianao, ry Iaveh! hiambina ahy mandrakariva anie ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao! Fa itangoronan-doza tsy hita isa aho, voasambotry ny fahotako aho ka tsy mahajery; maro isa noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko. Ry Iaveh ô, mba ankasitraho ny hanafaka ahy! Ry Iaveh ô, faingàna hamonjy ahy! Ho menatra sy hangaihay avokoa anie, ireo mitady ny aiko hamerezany azy! Hihemotra sy ho menatra foana anie ireo maniry ahy ho levona! Ho ankona noho ny fahamenarany anie ireo manao amiko hoe: «Hia, hia!» Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie, izay rehetra mitady Anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’i Iaveh!» ireo tia ny famonjenao. Ory sy mahantra aho; fa ny Tompo no hiahy ahy. Ianao no vonjiko sy mpanafaka ahy: ka aza ela, ry Andriamanitra ô! I Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko Izy, nihaino ny fitarainako. Notsoahany tamin’ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin’ny fotaka mandrevo; najorony tamin’ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika. Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika. Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny, ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony. Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy. Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy. Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny. Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony! Misaora an’i Iaveh ianareo asany rehetra, amin’ny fitoerana rehetra fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko. Fa Izy no mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra. Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, manarona hatsaram-po amam-pamindram-po anao. Izy no manototra soa ny fanirianao, ary manavao ny fahatanoranao hanana ny herin’ny voromahery.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.
ary izany ihany koa no iaretako izao fijaliana ankehitriny izao; tsy menatra amin’izany anefa aho, fa fantatro Izay ninoako, ary matoky aho fa Izy no hahatahiry izay napetraka tamiko mandra-piavin’izay andro izay.
Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.