Ny fahamarinana anie ka fototra iorenan’ny fiainana araka ny Baiboly. Fiainana mifanaraka amin’ny didin’Andriamanitra sy ny fampianarany izany. Antso ho ahy mba hanao ny marina sy hitsotra ary ho marin-toetra amin’ny lavelon’ny fiainako rehetra.
Maro ny andininy ao amin’ny Soratra Masina mampiseho ny maha-zava-dehibe ny fahamarinana. Ao amin’ny Ohabolana ohatra, dia voalaza hoe: "Ny marina mandeha amin’ny fahitsiany; sambatra ny zanany mandimby azy." (Ohabolana 20:7). Hita amin’izany fa tsy ho ahy irery ihany ny soa avy amin’ny fahamarinana fa ho an’ireo taranaka mandimby ahy koa.
Ny fahamarinana dia midika fankatoavana ny didin’Andriamanitra sy fanarahana ny lalany. Ny Salamo 119:11 dia mampirisika ahy mba hitahiry ny tenin’Andriamanitra ao am-poko mba tsy hanota aminy. Amin’izany, ny fahamarinana no ho fitaratra ho ahy isan'andro, hitari-dalana ahy amin’ny fanapahan-kevitra sy ny fihetsiko.
Ny Baiboly koa mampianatra fa Andriamanitra dia manome valisoa ho an’izay manao ny marina. Ao amin’ny Matio 5:6, dia hoy i Jesoa: "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana." Midika izany fa izay mitady hiaina araka ny fahamarinana dia hotahin’Andriamanitra sy hahita fahafaham-po ao Aminy.
Kanefa, tsy maintsy tadidiko fa tsy avy amin’ny heriko no ahazoako ny fahamarinana. Ny Romana dia mampianatra fa "ny fahamarinan’Andriamanitra dia avy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ho an’izay rehetra mino" (Romana 3:22). Tsy ny asako no ahazoako izany fa ny finoako ny soron’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana sy ny fankatoavako an’Andriamanitra. Ny fahamarinana dia soa-tsara iray izay miantso ahy hiaina araka ny sitrapon’ny Raiko any an-danitra ary manosika ahy hanao ny rariny sy hitsotra ary ho marin-toetra amin’ny zavatra rehetra ataoko.
Rehefa miaina araka ny fahamarinana aho dia mahazo fitahiana sy mahita fahafaham-po ao amin’Andriamanitra.
Izay matahotra an’i Iaveh, mizotra araka ny fahitsiam-po; izay maniratsira azy kosa mivaona fandeha.
Ny fahatsoran’ny olo-mahitsy fo mitari-dalana azy, fa ny fiolikoliky ny mpamadika kosa, mandringana azy.
Satria ny lalan’ny marina fantatr’i Iaveh fa ny lalan’ny mpanota mitarika ho amin’ny fahaverezana.
Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»
Anaka, aza mety hofitahin’olona ianareo, fa izay manao ny marina ihany no marina toa Azy marina koa.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Izay mibohibohy ny fanahy ao anatiny, dia tsy mba amin’ny lala-mahitsy, fa ny marina no ho velona amin’ny finoany.
dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra, noho ny finoana an’i Jesoa Kristy, ho an’ny mpino rehetra; satria tsy misy avaka,
Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny, no tsara eo imason’i Iaveh mihoatra noho ny sorona.
Izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny, ka milaza ny marina ao am-pony.
Efa niala tsy hita eto an-tany intsony ny olona tia vavaka, ary tsy misy marina intsony amin’ny olombelona. Fa izy rehetra samy manotrika handatsa-dra; samy mihaza ny rahalahiny sy mamela-pandrika aminy avokoa
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Izay mandeha amin’ny rariny, sy miteny amin’ny hitsiny; izay tsy mety mandray harena azo an-keriny, izay manifikifi-tanana tsy handray kolikoly; izay manentsin-tadìny amin’ny resaka handatsa-dra, mitampi-maso tsy hahita ny ratsy;
Farano ny ratsy ataon’ny ratsy fanahy, ary hamafiso kosa ny marina, Ianao izay mamantatra ny fo sy ny kibo, ry Andriamanitra marina ô!
Mifalia sy miravoravoa amin’i Iaveh ianareo olo-marina, Manaova hobin-kafaliana ianareo mahitsy fo rehetra!
Izay fatra-panaraka ny fahamarinana amam-pamindram-po, hahazo ny fiainana amam-pahamarinana ary ny voninahitra.
Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy: fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana,
Izany no alehan’ireo olona be hambo loatra, mbamin’izay manaraka azy, manaiky ny teniny. - Selà
ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
Raiki-tahotra avokoa ny olona, ka manely laza ny nataon’Andriamanitra, fa fantany izay efa nataony.
Fahazavana no miposaka ao amin’ny haizina ho an’ny olo-mahitsy, ho an’izay mamindra fo sy miantra ary marina.
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao; hafaliana tsy mety tapaka ny azy; dia hiaro azy Ianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.
Mitahiry ny fahasambarana ho an’ny olona mahitsy fo izy, ary ampinga ho an’izay mandeha amin’ny fahalavorariana.
Satria ny olo-mahitsy fo no honina amin’ny tany, ary ny olo-marina no ho tafatoetra eo.
Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana; ny fahamarinanao, hialoha lalana anao; ny voninahitr’i Iaveh ho vodilalanao.
Izay mandeha tsy manan-tsiny no mandeha matoky; fa izay maniasia lalana, ho fantatra eny ihany.
Ny harena azo aman-keloka, tsy mahasoa akory, fa ny fahamarinana mamonjy amin’ny fahafatesana.
Fa tian’i Iaveh ny rariny, ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy. Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
Aleo olo-mahantra ombam-pahamarinana, toy izay olona miolikoli-dalana sy manan-karena.
Izahay kosa dia amin’ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana;
ary amin’izay tsy miasa, fa mino an’Ilay manamarina ny ratsy fanahy, no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany, araka ny lahatry ny fahasoavan’Andriamanitra.
Ny fahamarinan’ny olo-mahitsy fo mamonjy azy; fa ny olona mpivadika kosa, voafandriky ny haratsiany.
Hataon’ny zatovo ahoana no fahatonga ny lalany ho madio? Ny fitandremany tena araka ny teninao.
Ary ny ho vokatry ny fahamarinana dia ny fitsaharana sy ny fandriam-pahalemana mandrakizay.
Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina dia zanany nateraka avy aminy.
hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao; ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.
Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana.
Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy.
Ny fahamarinana miaro ny lalan’ny olo-marina; ny faharatsiana kosa, mahatonga fandravana ny mpanota.
Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken’ny olona iray no hahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray.
mba ho hita ao aminy aho, tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, na ilay avy amin’ny Lalàna, fa amin’ilay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana;
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.
Ny fahamarinan’ny marina, manitsy ny lalany, fa ny ratsy fanahy kosa lavo noho ny faharatsiany.
fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara; fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.
Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!
Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina, ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro.
Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan’Andriamanitra avy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: «Ho velona noho ny finoana ny olo-marina.»
Ny fahamarinana manandratra ny firenena; ny fahotana kosa fahafaham-baraka amin’ny vahoaka.
Fa tsy mba hangozohozo na oviana na oviana izy, hamela fahatsiarovana mandrakizay ny marina.
Fa eo amin’ny olo-marina ny mason’ny Tompo, ary ho amin’ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin’ny mpanao ratsy kosa ny Tavan’ny Tompo.
mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,
Iaveh ô, iza no honina ao an-dainao? Zovy no hitoetra ao an-tendrombohitrao masina? Izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny, ka milaza ny marina ao am-pony.
Mihainoa Ahy, ianareo izay manaraka ny marina, izay mitady an’i Iaveh. Diniho ny vatolampy nanendahana anareo; sy ny tany fihadiam-bato nangalana anareo.
Halan’i Iaveh ny olona ratsy fo, fa izay tsy manan-tsiny amin’ny lalany dia ankasitrahiny.
Ary ny amiko, noho ny famimdram-ponao lehibe, dia handeha ho ao an-tranonao aho; hiankohoka manatrika ny tempolinao masina amim-pahatahorana Anao aho.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
hany sisa hataoko dia ny mandray ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Hafaliana ho an’ny marina, ny manaraka ny rariny, fa vadi-po kosa, no an’izay manao ratsy.
mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao, fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka,
Notanana ho fahamarinana ho azy izany nataony izany, hatramin’ny taona mifandimby mandrakizay.
Izao no lazain’i Iaveh: Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny, fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
Satria ny finoana amin’ny fo no ahazoana fahamarinana; ary ny fanekena amin’ny vava no ahazoana famonjena,
Izay tsy manan-tsiny ny tanany, ary madio ny fony, izay tsy manarana ny fanahiny amin’ny lainga, ary tsy mianiana mba hamitaka. Hahazo ny fanambinan’i Iaveh izy, ny fahamarinana avy amin’ny Tompon’ny famonjeny.
Fiainana no eo amin’ny lalan’ny fahamarinana; ary tsy fahafatesana no eo amin’ny lalana soritany.
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon’izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?
Ka noho izany, aoka kosa ianareo hikely aina fatratra, ka ny finoanareo asio hatsaram-panahy; ny hatsaram-panahy asio fahalalana; ny fahalalana asio fahalalana onony; ny fahalalana onony asio fandeferana; ny fandeferana asio fitiavam-bavaka; ny fitiavam-bavaka asio fitiava-namana; ny fitiava-namana asio fitiavana an’Andriamanitra.
Ny marina, mahalala ny adin’ny mahantra: fa ny ratsy fanahy kosa tsy mahatakatra ny fahaizana.
mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa, dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo, ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty, no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Tia ny fahamarinana Ianao, fa mankahala ny heloka kosa, ka nohosoran’Andriamanitra, izay Andriamanitrao, diloilom-pifaliana mihoatra noho ny namanao rehetra.
Toy ny fihelenan’ny tafio-drivotra no anjavonan’ny ratsy fanahy; fa fanorenana mandrakizay kosa no nampitoerana ny marina.
fa tsy maintsy hifanaraka amin’ny rariny indray ny fitsarana, ary hihoby amin’izany avokoa ny olona mahitsy fo.
Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao; aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana, fa tsy manan-katahorana ianao; ho lavitra anao anie ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
Izao no tantaran’i Nôe: Lehilahy marina i Nôe, nanao ny rariny teo amin’ny olona niara-belona taminy, nizotra nifanaraka tamin’Andriamanitra i Nôe.
Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana,
Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin’ny tsora-kazon’ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony. Fahamarinana no hisikinan’ny valahany ary fatra-po mahatoky no ho fehinkibony.
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Ny lalan’ny ratsy fanahy, fahavetavetana eo imason’i Iaveh; fa ny manaraka ny rariny, no tiany.
Ary fitaovana hiady ny sandrinao, dia ny heriny, mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
Fa lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.