Efa ela isika no nandre momba ny hazofijaliana, ka toa efa fantatsika avokoa ny momba azy; kanefa, tena fantatsika marina ve ny atao hoe hazofijaliana? Ny dikan'ny hazofijaliana dia ny famotehana ilay olona ivelany. Ny hazofijaliana no mamarana ny fiainan'ilay olona ivelany, mandrava azy tanteraka ary manapotika ilay akorandriaka ivelany. Mandringana ny hevitsika, ny fomba fiasàntsika, ny fahendrena, ny fitiavan-tena ary ny zavatra hafa rehetra. Rehefa mitranga izany, afaka mivoaka malalaka ilay olona anatiny, ary afaka miasa ny fanahy.
Andriamanitra mampiasa ny famotehana ho toy ny asan'ny fahasoavana mba hahitantsika ny tena zava-misy ara-panahy ao am-pontsika. Mety ho fahasoavan'Andriamanitra ve ny fanaintainan'ny famotehana ara-panahy? Mazava ho azy! Ny fahasoavan'Andriamanitra dia tsy takatry ny saina ka maro amin'ireo ranomasontsika no tsy vokatry ny fitsaran'Andriamanitra, fa vokatry ny fahasoavany. Fahasoavan'Andriamanitra ny ahafahantsika mahazo fahatsapana lalina ny fahotantsika sy ny filàntsika miankina tanteraka amin'i Kristy amin'ny alalan'ny famotehana.
Ao anatin'ny fanaintainan'ny famotehana, Andriamanitra dia mitarika antsika hiaiky ny fahotantsika, hanetry tena ary hahatsapa lalina fa mila an'i Kristy. Eo isika vao afaka miteny amin'ny fo manontolo hoe: "Amena!" amin'ny tenin'i Kristy hoe: "Raha misaraka amiko ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona." (Jaona 15.5). Mampanaintaina ny famotehana ny tena, saingy mampanaintaina kokoa ny mamihina ny avonavona mba tsy ho potika.
Tian'Andriamanitra ho voatorotoro eo anatrehany ianao, mba hahazoanao fa ny famotehana dia mitondra anao any amin'i Kristy amin'ny fanoloran-tena tanteraka, toerana ahafahanao mandray ny fahafenoany sy ny fahasoavany, fahasoavana mihoatra noho ny fahasoavana, mba hahafahanao miaina amin'ny fahamasinana, fanetren-tena ary fahafoizan-tena.
Raha te hampifaly ny Ray ianao ary hanakaiky Azy, tsarovy fa milaza ny Baiboly fa akaikin'izay rehetra torotoro fo Izy ary miaraka amin'izay manana fanahy torotoro; fa ny mpiavonavona kosa dia hamavoiny ary toheriny. Miaina amin'ny fanetren-tena tanteraka ary avelao Andriamanitra hamolavola anao araka ny fomba tiany mandra-pahitanao taratry ny endrik'i Kristy ao aminao.
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.
Indro anefa tianao mba ho ao anatin’ny fo ny fahitsiana; dia ampahafantaro ahy, ato anatiko, ny fahendrena.
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Ianao koa ho torotoro, eo afovoan’ny tsy voafora; sy hiara-miampatra amin’izay voatrobaky ny sabatra.
ny mpanompoko hihira noho ny hafalian’ny fony, ianareo kosa hikiakiaka noho ny fahorian’ny fonareo; sy hidradradradra noho ny fangitakitaky ny fanahinareo;
Montsana i Moaba; mandefa antsoantso ny ankizy madinika ao aminy. Fa izao no lazain’i Iaveh: Indro izy miezaka hanidina toy ny voromahery, mamelatra elatra eo ambonin’i Moaba. Azo i Kariota; afaka ny trano mimanda; ary ny fon’ny mpiady maherin’i Moaba amin’izany andro izany, dia toy ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza. Voaongana i Moaba amin’ny maha-firenena azy, satria nitsangan-kanohitra an’i Iaveh. Tahotra, lavaka amam-pandrika, no mitatao anao, ry mponina any Moaba, - teny marin’i Iaveh. - Izay mandositra ny zava-mahatahotra azy, voan’ny fandrika; fa hataoko tonga aminy, dia amin’i Moaba, ny taona famangiana azy, - teny marin’i Iaveh. - Mijanona eo amin’ny alokalok’i Hesebona ny mpandositra lany hery; kanjo misy afo mivoaka avy ao Hesebona, ary misy lelafo avy ao afovoan’i Sehôna; ka nandevona ny valahan’i Moaba, sy ny karan-dohan’ny zanaky ny fitabatabana. Loza ho anao, ry Moaba! Very ny vahoaka ao Kamosy; fa ny zanakao lahy entina atao sesitany, ny zanakao vavy lasan-ko babo. Mbola hampodiko anefa ny voababo amin’i Moaba, any amin’ny farandro any, - teny marin’i Iaveh. - Hatreto ny fitsarana an’i Moaba. Eny, fa misy fitomaniana ao amin’eny fiakaran’i Loita, mitomany ny olona no miakatra eo; eny, eo amin’ny fidinan’i Hôrônaima, fitarainam-pahoriana no re.
Ho an’ireo mpaminany: Ny foko torotoro ato anatiko; ny taolako rehetra mipararetra; izaho hoatra ny olona mamo hoatra ny olona leon-divay, eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny teniny masina.
fa izao no navaliny ahy: «Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko.» Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao. Afeno ny tavanao ny fahotako, ary vonoy avokoa ny heloko. Ry Andriamanitra ô, amorony fo madio aho; ary fanahy mihenjana no havaozy ato anatiko,
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Homeko fo vaovao ianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; hoesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.
Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàn-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra àry, mba hanandratany anareo amin’ny andro voatendriny; apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.
Ireo mavozo handrina hilazanao hoe: ‹Miandrandrà›, dia hovonjen’Andriamanitra izay mietry fijery.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Salamo. Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; tsy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô! tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao; hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho, ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin’ny fivorian-dehibe. Tsy hanampina ny famindram-ponao amiko anie Ianao, ry Iaveh! hiambina ahy mandrakariva anie ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao! Fa itangoronan-doza tsy hita isa aho, voasambotry ny fahotako aho ka tsy mahajery; maro isa noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko. Ry Iaveh ô, mba ankasitraho ny hanafaka ahy! Ry Iaveh ô, faingàna hamonjy ahy! Ho menatra sy hangaihay avokoa anie, ireo mitady ny aiko hamerezany azy! Hihemotra sy ho menatra foana anie ireo maniry ahy ho levona! Ho ankona noho ny fahamenarany anie ireo manao amiko hoe: «Hia, hia!» Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie, izay rehetra mitady Anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’i Iaveh!» ireo tia ny famonjenao. Ory sy mahantra aho; fa ny Tompo no hiahy ahy. Ianao no vonjiko sy mpanafaka ahy: ka aza ela, ry Andriamanitra ô! I Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko Izy, nihaino ny fitarainako. Notsoahany tamin’ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin’ny fotaka mandrevo; najorony tamin’ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.
Izaho kosa dia ory sy mijaly; hanarina ahy anie ny famonjenao, ry Andriamanitra! Hankalaza ny Anaran’Andriamanitra amin’ny fihirana aho; hanandratra Azy amin’ny fisaorana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Tiako Izy, satria ren’i Iaveh, ny feoko, ny fitarainako. Matoky aho, na dia milaza hoe aza: «Fara fahoriana aho ity!» Hoy aho, tao anatin’ny fahakiviako: «Mpandainga avokoa ny olombelona.» Inona no havaliko an’i Iaveh, noho ny soa rehetra nataony tamiko? Hanainga ny kôpin’ny famonjena aho, ka hiantso ny Anaran’i Iaveh. Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho, eo anatrehan’ny vahoakany rehetra. Zava-tsarobidy eo imason’i Iaveh ny fahafatesan’ny mpino azy. - Endrey! ry Iaveh ô, satria mpanomponao aho; mpanomponao, zanaky ny ankizy vavinao, ka dia novahanao ny fatorako. Hanatitra ny sorom-pisaorana aminao aho, ary hiantso ny Anaran’i Iaveh. Hanefa ny voadiko tamin’i Iaveh aho, eo anatrehan’ny vahoakany rehetra, eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, dia eo anatin’ny mandanao, ry Jerosalema. Aleloia! Fa nanongilan-tsofina tamiko Izy, ka hiantso Azy aho, ny andro rehetra hiainako.
mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
Aleo miara-mietry tena amin’ny madinika, toy izay mira-mizara babo amin’ny mpiavonavona.
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo, dia ny atao ho tsy misy aza, no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy, mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka. Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika! Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon’olona mety hangozohozo. Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Ny vokatry ny fanetren-tena, dia ny fahatahorana an’i Iaveh; harena amam-boninahitra ary fiainana izany.
Mampizotra ny manetry tena amin’ny fahamarinana Izy, mampianatra ny manetry tena ny lalany Izy.
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.
Koa amin’izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
araka ny voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra.
Ry Iaveh ô, aoka tsy ho menatra aho, raha miantso Anao; fa aoka ho an’ny ratsy fanahy ny henatra. Aoka izy hidina mangina any amin’ny Seoly.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro: Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra isasaran’ny zanak’olombelona; Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny. Ary hitako fa tsy misy soa ho azy ireo, mihoatra ny mifaly sy manao izay hiadanany amin’ny andro iainany: ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra, dia fanomezan’Andriamanitra izany. Fantatro fa haharitra mandrakizay, izay ataon’Andriamanitra, tsy misy tokony hanampiana an’izany na analana amin’izany. Ka ny hahatahoran’ny olona azy, no nanaovan’Andriamanitra an’izany. Ny atao izao dia efa nisy sahady, ary izay mbola hatao koa, efa nisy sahady; fa averin’Andriamanitra ny efa lasa. Izao koa no hitako, tatỳ ambany masoandro: Ny fiketraham-pitsarana araka ny rariny, dia ipetrahan’ny faharatsiana, ary ho solon’ny fahamarinana dia ao ny tsy fahamarinana. Hoy aho anakampo: Hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy, fa samy manana ny fotoanany avokoa ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra. Hoy aho anakampoko: Ny amin’ny zanak’olombelona: Tonga izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra azy ireo, Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra. fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena. Fitoerana iray, no alehan’ny zavatra rehetra: vovoka no niavian’ny zava-drehetra; ary vovoka no hiverenan’ny zava-drehetra. Iza moa no mahalala ny fofon’ain’ny zanak’olombelona miakatra any ambony, ary ny fofon’ain’ny biby, midina any ambany mankamin’ny tany? Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany; fa izany no anjarany. Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany? Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana. Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.
Noho Ianao dia hanàko eo amin’ny fiangonan-dehibe ny hirako; hefaiko eo anatrehan’izay matahotra Anao ny voadiko.
Raha tonga ny fiavonavonana, ho tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ny fahendrena kosa miaraka amin’ny manetry tena.
ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.
Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Davida. Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina. Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo. Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An’Andriamanitra ny fahefana. Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo, fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, Ianao. Eny, Andriamanitra no iantombenan’ny fanahiko amim-piadanana, Izy no iavian’ny famonjena ahy.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
manandratra izay voaetry, ary ny tra-pahoriana mahita hasambarana indray. Manafoana ny tetikadin’ny mpamadika Izy, ka tsy mahatanteraka ny teti-dratsiny ny tanan’ireny. Maningotra ny fetsy amin’ny hafetseny izy, ary mandrava ny tetikadin’ny fetsy ratsy, ka tojo ny haizina amin’ny antoandro izy ireny ary miraparapa toy ny amin’ny alina, amin’ny mitatao vovonana indrindra. Hataon’Andriamanitra afaka amin’ny sabatry ny lelan’ireny ny malahelo, sy amin’ny tanan’ny mahery. Ka mody amin’ny mahantra ny fanantenana, ary ny faharatsiana kosa mikombom-bava.
Koa izay nandio ny tenany ho afaka amin’ireny zavatra ratsy ireny, dia ho fanaka mihaja, voahasina, mahasoa ho an’ny tompony ary voaomana amin’ny asa soa rehetra.
Raha nanadino ny Anaran’Andriamanitra izahay, sy nanandra-tanana tamin’andriamani-kafa,
Inty ny Andriamanitry ny fahafahako; matoky aho, fa tsy manan-tahotra; fa ny heriko sy fiderako, dia i Iaveh, i Iaveh, Izy no famonjena ahy teo.»
Izay matahotra an’i Iaveh, miankina amin’ny andry mafy, ary ny zanany manam-pialofana mahatoky. Ny fahatahorana an’i Iaveh no loharanon’aina, mba ho afaka amin’ny fandriky ny fahafatesana.
dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
Nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, hira fiderana ny Andriamanitsika; maro no mahita izany ka manaja an’i Iaveh, sy matoky Azy.
Eny, ry kristianina havana, tsy manao ahy ho efa nahatratra aho, fa zavatra iray ihany no ataoko, dia ny manadino izay eo aoriako, sy miezaka ho amin’izay eo alohako; mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny. Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay; fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.
Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriany izy, ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany. Nesoriny tamin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana izy, ary notapahiny ny fatorany. Hoderainy anie i Iaveh, noho ny hatsaram-pony; sy noho ny fahagagana nataony tamin’ny zanak’olombelona!
ka tsy mihaino izay feon’ny mpahavariana azy, ny feon’ny mpanasondriana izay kinga amin’ny fahaiza-manasondriana.
Manantena an’i Iaveh aho, manantena ny fanahiko, ary miandry ny teniny aho. Maniry ny Tompo ny fanahiko, mihoatra noho ny anirian’ny mpiambina ny fipoahan’ny andro.
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko. Hoy aho: «Hiaiky ny fahadisoako amin’i Iaveh aho.» Dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako - Selà
maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy ampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo, ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Ary aoka ho toy izany koa ianareo ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana, fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.
Ampianaro hanao ny sitraponao aho fa Ianao no Andriamanitro. Ny fanahinao tsara anie hitarika ahy, eo amin’ny lala-mahitsy.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Mifalia mandrakariva; mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Fihirana. Salamon’ny zanak’i Kôre. Ho an’ny mpampianatra hira. Hiraina amin’ny feo mitaraina. Fihiranan’i Hemàna, Ezrahita . Mihavelona azon’ny fijaliana ny masoko. Miantso Anao tontolo andro aho, ry Iaveh ô, manandra-tanana aminao aho. Ny maty va no hanaovanao fahagagana; sa ny ambiroa no hitsangan-kidera Anao? - Selà Hotorina any am-pasana va ny hatsaram-ponao, ary any amin’ny hantsana, ny fahamarinanao? Ho fantatra any amin’ny tanin’ny haizina va ny fahagaganao, ary any amin’ny tany fanadinovana, ny fahamarinanao? Indro aho mitaraina aminao, ry Iaveh ô. Vao maraina dia efa miroso ho eo anatrehanao ny fivavahako. Ry Iaveh ô, nahoana no manary ny fanahiko Ianao, sy manafina ny Tavanao amiko? Ory sy efa ho faty hatramin’ny fahatanorako aho, tsy fantatro izay hataoko, itambesaran’ny fampitahoranao. Ny hatezeranao manafotra ahy, ny fampitahoranao mandreraka ahy. Tahaka ny rano tondraka, dia manodidina ahy tontolo andro izany, miara-mitangorona amiko avokoa izany. Nampanalavirinao ahy ny havana aman-tsakaizako; ny haizina ao am-pasana no namako. Ry Iaveh, Andriamanitry ny famonjena ahy ô, raha mitaraina eo anatrehanao amin’ny alina aho, aoka ho tonga eo anatrehanao ny fivavahako, henoy ny fitarainako!
Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!» Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
Ny ratra avy amin-tsakaiza dia vokatry ny fitiavany tsy mivadika, fa ny oroky ny fahavalo kosa, fitaka foana.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:
Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana Izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra, Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.