Ry sakaiza, ny fahombiazanao amin'ny dingana rehetra amin'ny fiainanao dia miankina betsaka amin'ny eritreritrao. Araka ny voalazan'ny Baiboly hoe: "tahaka ny heviny ao am-pony ihany ny olona". Andraikitrao ny miaro ny eritreritrao. Ianao no manana ny fahefana hanapa-kevitra izay avelanao hiditra ao an-tsainao, izay misy fiantraikany aminao, ary izay mampatanjaka anao. Ianao irery ihany no afaka mandroaka izay mandoto anao sy mitahiry izay manosika anao.
Betsaka ny olona mameno ny sainy amin'ny eritreritra tsy mampandroso, ka tonga hatramin'ny fahaketrahana mihitsy aza. Matetika izy ireo tsy mahatsapa ny eritreriny raha tsy efa mitomany, tsy fantany fa ny eritreriny no mitondra aretina ho an'ny vatany sy manimba ny fifandraisany amin'ny hafa. Ny fahavalo dia manararaotra ireo fahalemena ara-tsaina ireo, mamafy eritreritra miteraka alahelo sy mitondra fahatsiarovana ratsy, ka manakana ny fandrosoana eo amin'ny fiainana.
Kanefa, izany rehetra izany dia hitsahatra tsy hampangovitra anao raha vao ao an-tsainao ny tenin'Andriamanitra ary ampiasainao ho ampinga hiatrehana ny fanafihan'ny fahavalo. Rehefa misaintsaina ny Soratra Masina ianao dia mivelatra ny fahitanao, miverina ny tanjon'ny fiainanao ary manomboka mino mafy izay lazain'ny Ray momba anao ianao.
Andraikitrao ny miaro ny eritreritrao; raha mino ianao fa mahavita ny tanjonao, dia ho tanteraka izany. Fa raha mino ianao fa tsy ho vitanao izany, dia tsy ho hitanao ho tanteraka ny nofinao.
Anio, eritrereto izay lazain'Andriamanitra momba anao, minoa fa zanany ianao ary nomeny ny fahaizana manonofy zavatra lehibe sy mahatratra izay namoronana anao. Raha misy eritreritra miditra ao an-tsainao izay tsy ahafahanao mankasitraka ny hasarobidy nomen'i Jesosy anao teo amin'ny hazo fijaliana, dia mangataha Aminy mba hanadio anao amin'ny fahasoavany sy hanampy anao hahita ny tenanao araka ny fijeriny anao. Vatosoa sarobidy Izy, ny zavatra nohariny tsara indrindra, ary Izy mieritreritra ny soa ho anao, fa tsy ny ratsy. Aza adino fa araka ny eritreritrao no hitranga aminao. Andraikitrao ny hahatratra ny fahombiazana na ny hiaina ao anatin'ny faharesena.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. -
Mampifaly ahy amin’ny asanao Ianao, ry Iaveh, ary mientana aho manoloana ny asan-tananao.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.
Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Satria ny fo no iavian’ny hevitra ratsy, ny famonoana olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampangalainga, ny vava ratsy;
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao: ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy. Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana. Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany! Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra! fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
Ravanay ny fisainan’olombelona mbamin’ny zavatra avo rehetra, izay mitsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary baboinay hanaiky an’i Kristy ny hevitra rehetra.
Iza àry no hahalala izay ao am-pon’ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Mihanta aminareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho, ry kristianina havana, mba hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amim-piraisan-tsaina sy hevitra avokoa ianareo.
fa izy akory tsy tsara noho ny hevitra ao am-pony; Mihinàna, misotroa, hoy izy aminao, kanjo ny fony tsy momba anao akory.
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo, ary amin’ny sainao manontolo.
Koa amin’izany, sikino ny fanahinareo, ka mahonòna tena, ary aoka ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny hisehoan’i Jesoa Kristy no halehan’ny fanantenanareo rehetra.
Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.
Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava?
Rehefa tonga ao am-ponao ny fahendrena, ka hankafizin’ny fanahinao ny fahaizana, dia hitandrina anao ny fisainana, ary hiambina anao ny fahalalana,
Satria zovy àry no nahafantatra izay hevitry ny Tompo, ka ho afa-mampianatra azy? Fa isika manana ny hevitr’i Kristy.
fa izay misalasala dia meloka raha mihinana, satria tsy araka ny hitsim-pony izany, ka ota izay rehetra atao tsy an-kitsim-po.
Ny fikasan’ny olo-mazoto ahazoan-karena be; fa izay mikorapaka foana amin’ny ataony dia mosary ihany no azony.
Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. - Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo, sy hahavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
Fa tsy amin’ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Noho ny fahasoavana nomena ahy, dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: Aza mihevi-tena mihoatra noho ny mety, fa samia mahalala ny antonona azy, araka ny anjara finoana nomen’Andriamanitra azy avy.
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh, ka tsy mivadika hankamin’ny mpiavonavona sy amin’izay maniasia entin’ny lainga.
maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.
Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
Ny manao ratsy no ataon’ny adala ho lalao; ary toy izany koa ny fahendrena amin’ny olona manan-tsaina.
Ianareo koa fahiny, dia lavitra Azy sy fahavalony, tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo, fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin’ny Tenany nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,
Ry Timote! tano izay napetrako taminao, ary halaviro ny lahateny foana tsy mahasoa, mbamin’ny fanoheran-kevitra avy amin’ny fahaizana mpisandoka anarana, izay narahin’ny sasany ka nampihataka azy tamin’ny finoana. Ho ao aminareo anie ny fahasoavana!
Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny
Izay manakorontana ny tranony, handova rivotra, ary izay adala, ho tonga mpanompon’ny olon-kendry.
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy; mijery ny fitoerany ianao, fa efa nanjavona izy. Ny malemy fanahy no hanana ny tany; ka ho finaritra mankafỳ fiadanana lehibe.
Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry; hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao. Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitrapon’ny Tompo.
Ho an’ny mpampianatra hira. - Tononkiran’i Davida. Masina ny fahatahorana an’i Iaveh, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’i Iaveh, ka mahitsy avokoa. Sarobidy noho ny volamena ireny, mihoatra noho ny volamena madio betsaka; mamy noho ny tantely izy, mihoatra noho ny tantely mitete avy amin’ny tohotra. Ny mpanomponao koa dia hazavain’ireny; ary misy valiny lehibe ho an’izay mitandrina azy. Iza moa no mahalala ny faniasiavany? Mamelà ahy amin’izay tsy fantatro. Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe. Raiso amim-pankasitrahana ny tenin’ny vavako, mbamin’ny fitiavan’ny foko, eo anatrehanao, ry Iaveh, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy! Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan-tanany. Ny andro mitory fiderana amin’ny andro, ny alina mampandre izany amin’ny alina. Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny izay tsisy haharenesana ny feony:
Fa raha manameloka antsika ny fontsika dia lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zavatra rehetra.
Rain’ny kamboty, mpitsara ny mpitondratena Izy, Andriamanitra eo amin’ny fonenany masina.
Rano lalina ny fisainana ao am-pon’ny olona; fa ny olona manan-tsaina dia hanovo azy ao.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.
Mihombo mafy amin’ny hevi-dratsiny izy; mifanolo-tsaina hamela-pandrika izy; ka manao hoe: «Iza moa no hahita izany?»
Ry Iaveh ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao, fa ny asanay rehetra dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay.
Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony lehilahy aho dia nialako ny fanahin-jaza.
Hitan’i Iaveh fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ary ny ratsy ihany no alehan’ny fisainana rehetra avy amin’ny fony isan’andro.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo.
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny.
Aza mametraka ny fitokianareo amin’ny mpanapaka, na amin’ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy; fa miala ny fofon’ainy, dia miverina amin’ny vovony izy, ary amin’izay andro izay ihany, dia levona ny hevitra kasainy
Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo ary izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy. Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.
Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho;
Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo; na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy? Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany. Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy! Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery? Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara, hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Ny antony kendrena amin’izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin’ny fo madio sy kônsiansy tsara ary finoana tsy misy famahony;
Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.
Fa i Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana.
izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàn-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Koa amin’izany, ry havana masina, mpiombona amin’ny fiantsoana ho any an-danitra, diniho ilay Apôstôly sy ny mpisorom-ben’ny finoana arahintsika, dia i Jesoa,
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.
Ampianaro ny zaza ny lalana tokony halehany, dia tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.
I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tananao!
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Iaveh ô, tsy mba nivontom-piavonavonana ny foko, tsy mba niandranàndrana ny fijeriko, tsy mba mikarokaroka zavatra ambony aho, na izay avo mihoatra noho izaho. Tsy izany fa mitana ny fanahiko amin’ny fiononana sy fanginana aho, toy ny zaza vao notazana eo ampofoan-dreniny, toy ny zaza vao notazana ny fanahiko ato anatiko.
Aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry.
Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,