Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zefania 3:18 - DIEM PROTESTANTA

toy ny amin’ny andro fety.» Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana, hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hangoniko izay manina ny andro firavoravoana, dia ireo izay lavitra anao ka itambesaran’ny latsa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

toy ny amin’ny andro fety.» Hoy ny TOMPO hoe: «Hofoanako ny fahoriana, hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hovoriko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina; satria isan’ny anao ireny, itambesaran’ny latsa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran’ny latsa izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hangoniko izay manina ny andro firavoravoana, dia ireo izay lavitra anao ka itambesaran’ny latsa.

Jereo ny toko



Zefania 3:18
18 Rohy Ifampitohizana  

Ny hazavanao sy ny fahamarinanao alefaso hitarika sy hitantana ahy hatrany an-tendrombohitrao masina, hatrany amin’ny fonenanao.


Tonga fandatsan’ny vahoaka hafa izay mpifanila aminay izahay, zary fihomehezana sy faneso ho an’ireo firenena manodidina anay.


«Koa Izaho ihany no hanangona ireo andian’ondry sisa velona avy any amin’ny tany rehetra izay nanapariahako azy. Haveriko ao amin’ny saha firaofany izy ka hitombo sy hihamaro.


Misaona ny lalana mankany Tsiôna satria tsy misy miakatra amin’ny fety. Mangina avokoa ny kianjany ary sentom-pahakiviana no ataon’ny mpisorony. Ory fatratra ireo tovovaviny, ka mangidy amin’i Tsiôna izany!


Amin’izany androm-pahoriana irenireneny izany no ahatsiarovan’i Jerosalema ireo zava-tsarobidy rehetra izay nananany hatry ny ela. Ireo vahoakany eo an-tanam-pahavalo kosa dia tsy misy mamonjy; ka rehefa mahita an’i Jerosalema ny fahavalony, dia mihomehy ny amin’ny faharavàny.


Havoakako avy any amin’ny firenena izy ary hangoniko avy any amin’ny tany samy hafa, dia haveriko ao amin’ny taniny; handrasako eny an-tendrombohitr’i Israely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary koa eny amin’ny toerana rehetra azo honenana eo amin’ny taniny.


«Fa halaiko avy any amin’ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo.


ka nanao taminy hoe: «Mandehana mamakivaky eran’ny tanànan’i Jerosalema, ka asio marika eny an-kandrin’izay rehetra mitaraina sy malahelo noho ny fomba rehetra maharikoriko atao eo aminy.»


Inona kosa no hataonareo amin’ny androm-pankalazana manetriketrika, dia amin’ny andro fetin’ny TOMPO?


Amin’izany fotoana izany tokoa no hampodiako sy hamoriako anareo. Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo; homeko voninahitra sy laza ianareo any amin’ny firenena rehetra eto an-tany.»