Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zefania 3:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao; mahery Izy ka hampandresy anao. Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy; ny fitiavany no anavaozany anao; noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 NY TOMPO Andriamanitrao no ao aminao, mpiady mahery Izy sady mpamonjy; hifaly sy hiravoravo noho ny aminao Izy; hangina amin’ny fitiavany Izy; hifaly amin’ny fihobiana noho ny aminao Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao; mahery Izy ka hampandresy anao. Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy; ny fitiavany no anavaozany anao; noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 I Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery! Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao; hangina Izy amin’ny fitiavany; noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin’ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin’ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin’ny fihobiana Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 NY TOMPO Andriamanitrao no ao aminao, mpiady mahery Izy sady mpamonjy; hifaly sy hiravoravo noho ny aminao Izy; hangina amin’ny fitiavany Izy; hifaly amin’ny fihobiana noho ny aminao Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Zefania 3:17
30 Rohy Ifampitohizana  

Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.


Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan’ny TOMPO ka nitenenany hoe: –Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;


Moa misy zavatra tsy hain’ny TOMPO tanterahina ve? Koa rehefa miverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, dia hanan-janaka lahy i Sarà.


Rehefa vitan’Andriamanitra ny asany, dia nitsahatra tamin’izay rehetra nataony Izy tamin’ny andro fahafito.


fa izay manaja Azy ka matoky ny fitiavany.


fa sitraky ny TOMPO ny vahoakany sady ravahany fandresena ny ory!


Dia nifoha ny Tompo toy ny avy natory, tahaka ny mpiady maherifo notairin’ny divay.


Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fidèrako, fa Izy no mpamonjy ahy.»


Mifalia sy miravoravoa, ry mponina ao Tsiôna, fa lehibe Ilay eo anivonareo, dia Ilay Masin’i Israely.


Fa izao no nolazain’ny TOMPO tamiko: «Avy etỳ amin’ny fonenako ambony etỳ no andinihako izay miseho, ka tsy mihontsona mihitsy Aho toy ny hafanana migaingaina apariakan’ny masoandro sy toy ny raho-manify amin’ny fotoam-pijinjana.»


Iza àry ity tonga avy any Edôma, avy any Bôtserà renivohiny, ka manao fitafiana miloko mena? Izato izy miedinedina amin’akanjo marevaka, miandranandrana amin’ny haben’ny heriny! –Izaho izany, hoy ny Tompo, dia Izaho izay mitory ny fanafahana sady manan-kery hamonjy!


Izy no nampandroso ny sandriny mamirapiratra teo ankavanan’i Mosesy, ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloan’ny vahoakany mba hananany laza mandrakizay.


Izaho koa hiravo amin’i Jerosalema sy hifaly amin’ny vahoakako. Fa tsy ho re ao Jerosalema intsony na ny tomany na ny kiakiakam-pitarainana.


Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.


Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin’ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin’ity tany ity.


Tsy i Asiria no hahavonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay; ary tsy amin’ny sampy asan-tananay intsony no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›; fa Ianao no mamindrafo amin’ny kamboty.»


Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravo sy mifalia ianao fa manao zava-dehibe ny TOMPO.


Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana izay nitambesatra taminareo; Izy efa nampandositra ny fahavalonareo. Ny TOMPO, mpanjakan’i Israely, no momba anareo ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.


Kanefa ny TOMPO mpandala fahamarinana no eo afovoan’ny tanàna; ka tsy manao faharatsiana Izy, fa isa-maraina tsy diso no amoahany ny fitsarany. Na izany aza ny ratsy fanahy dia tsy mahalala menatra!


Raha ambinin’ny TOMPO isika, dia hoentiny any amin’io tany tondra-dronono sy tantely io ka homeny antsika izany.


Fa tsy maintsy atao ny fihinanam-be aman-korana, satria io rahalahinao io: efa maty no velona indray, ary efa very no hita indray.»


Andro mialoha ny fankalazana ny Paska tamin’izay. Fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoanandro hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray. Efa notiavin’i Jesoa ireo Azy teo amin’izao tontolo izao ary dia notiaviny hatramin’ny farany.


Izany no voalazako taminareo, dia mba ho ao aminareo ny hafaliako ary mba ho feno ny hafalianareo.


Mandeha eo afovoan’ny tobinareo ilay TOMPO Andriamanitrareo mba hiaro anareo sy hampanaiky resy ny fahavalonareo; ka dia ho faritra masina ny tobinareo, ary tsy tokony hahita zava-maharikoriko eo aminareo ny Tompo mba tsy hialany aminareo.


Ary hataon’ny TOMPO Andriamanitrareo manana amby ampy ny soa hafafiny aminareo: hambininy avokoa ny asanareo; ho maro anaka ianareo; ho maro taranaka ny biby fiompinareo; ary hiavosa ny vokatry ny taninareo. Araka izay nifalian’ny TOMPO nanasoa ny razambenareo no hifaliany hanasoa anareo koa,


Noho izany, dia mahavonjy tanteraka ireo manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay mba hangataka amin’Andriamanitra ho azy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra