Zefania 2:2 - DIEM PROTESTANTA dieny ianareo tsy mbola tonga toy ny akofa izay miely indray andro monja, dieny tsy mbola mahazo anareo ny afom-pahatezeran’ny TOMPO, ary dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro hirehetan’izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dieny tsy mbola mihatra ny didy, fa mihelina toy ny akofa ny andro, dieny tsy mbola tonga aminareo ny hamafin’ny hatezeran’NY TOMPO; eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dieny ianareo tsy mbola tonga toy ny akofa izay miely indray andro monja, dieny tsy mbola mahazo anareo ny afom-pahatezeran’ny TOMPO, ary dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro hirehetan’izany. Baiboly Katolika alohan’ny hiterahan’ny biby sy hihelenan’ny andro toy ny mololo; alohan’ny hiharan’ny firehitry ny fahatezeran’i Iaveh aminareo, alohan’ny hidonan’ny andron’ny fahaviniran’i Iaveh aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Malagasy Bible Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah. La Bible en Malgache dieny tsy mbola mihatra ny didy, fa mihelina toy ny akofa ny andro, dieny tsy mbola tonga aminareo ny hamafin’ny hatezeran’NY TOMPO; eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO! |
Ny fitrenan’ireo firenena dia toy ny fitrenan’ny ranomasimbe. Nefa rahonan’ny Tompo izy ireny ka lasa mandositra lavitra, toy ny akofa paohin’ny rivotra eny an-tendrombohitra sy tahaka ny vonin-javatra atambolimbolin’ny tadio.
Tsy hitsahatra mirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO, raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka izay fandaharan-javatra notapahiny. Amin’ny andro any aoriana any vao tena ho takatrareo izany.
Aoka ho voafora ho Ahy TOMPO ianareo ka esory ny loto ao amin’ny fonareo ry olon’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Fandrao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ny ataonareo ka handevona izao rehetra izao; ary tsy hisy hamono ny afo.
Nanampatra havinirana ny TOMPO ka nampitosaka ny fahatezerany mirehitra. Namelona hain-trano tao Tsiôna Izy handevonana ny fanorenany.
Izaho TOMPO no hiteny; ary ny teny izay lazaiko dia hihatra tsy an-kiandry intsony. Eny, amin’izao andronareo izao, ry Israelita maditra, no hanatanterahako izay zavatra lazaiko. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
Ho toy ny rahona vao maraina izy ary ho toy ny ranon’ando ka ho levona vetivety; eny, ho toy ny akofa paohin-drivotra hiala amin’ny famoloana izy ary ho toy ny setroka mivoaka amin’ny varavarankely.
Iza no mahajanona eo anoloan’ny fahavinirany? Ary zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Fa mihanaka toy ny afo ny fahatezerany; na dia ny vatolampy aza mitresaka eo anatrehany.
Amin’ny androm-pahatezeran’ny TOMPO, dia samy tsy hahavonjy ny olona na ny volafotsiny na ny volamenany. Fa hiredareda ny fahasaro-piaron’ny TOMPO ka handevona ny tany tontolo. Eny, hahatsiravina tokoa izany, satria haringan’ny TOMPO ny mponina rehetra amin’ny tany.
Koa dia andrasonareo ny famaizako amin’ny andro hiaviako hiampanga anareo. Tapa-kevitra Aho hanangona ny firenena sy fanjakana mba hampidinako manontolo ny fahatezerako mirehidrehitra; ka handevona ny tany manontolo ny afon’ny fahasaro-piaroko.