Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zefania 1:2 - DIEM PROTESTANTA

Izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO: «Holevoniko avokoa ny aina rehetra eto ambonin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Haringako tsy ho eny ambonin’ny tany tokoa ny zavatra rehetra, hoy NY TOMPO;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO: «Holevoniko avokoa ny aina rehetra eto ambonin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hoesoriko eo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra, - teny marin’i Iaveh; -

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

HAKIFAKO tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ny tany, hoy Jehovah;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin'ny tany, hoy Jehovah;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Haringako tsy ho eny ambonin’ny tany tokoa ny zavatra rehetra, hoy NY TOMPO;

Jereo ny toko



Zefania 1:2
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy IZY hoe: «Hofoanako tsy hisy ambonin’ny tany ny olombelona izay noarîko sy ny biby rehetra na lehibe na kely, hatramin’ny voro-manidina, satria manenina Aho tamin’ny nanaovako ireo.»


Vitsy olona ihany ny tafika sirianina izay tonga teo, kanefa miaramila maro no natolotry ny TOMPO ho eo an-tanany noho ny Jodeanina efa nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razany. Toy izany no nahatanterahan’ny tafika sirianina ny famaliana an’i Jôasy.


Izany no nahatanterahan’ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià hoe: «Ity tany ity dia hilaozana mandritra ny fitopolo taona, mandra-pahatapitra ny fe-potoana tokony hitsaharany mba ho onitry ny andro fitsaharana rehetra izay tsy voatandrina.»


Tamin’izay dia nanontany aho hoe: –Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô? Dia namaly Izy hoe: –Mandra-pahasimba ny tanàna ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.


saingy hasaiko hiverina hanafika ity tanàna ity indray izy, ka hahafaka sy handoro azy. Ary ireo tanànan’i Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Avy eo ny amin’i Jôiakima, mpanjakan’i Joda, dia hataonao hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy fa tsy maintsy ho avy ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity ary handringana ny olona sy ny biby fiompy eo; kanefa nanakiana azy i Jôiakima sady nandoro ny horonan-taratasy.


Noho izany dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Indro ny fahatezerako amam-pahavinirako hatobako amin’ity tanàna ity amin’ny olona sy ny biby fiompy, ary amin’ny hazo eny an-tsaha sy amin’ny vokatry ny tany; ka ho toy ny afo tsy mety maty izany.


Nataon’ny TOMPO izay efa nosaintsaininy, notanterahiny izay nambarany, dia izay efa notapahiny hatry ny ela: nandravarava Izy ka tsy niantra. Nampitotorebika ny fahavalo Izy noho ny nanjo anao ary nampiakatra ny reharehan’ny mpandrafy anao.


Ary ho tonga lao ny tany sisa noho ny asa ratsy vitan’ireo mponina ao aminy.