Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mika 7:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ary ho tonga lao ny tany sisa noho ny asa ratsy vitan’ireo mponina ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Nefa ho lao ny tany noho ny amin’ny mponina eo aminy, noho ny vokatry ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ary ho tonga lao ny tany sisa noho ny asa ratsy vitan’ireo mponina ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Hanjary efitra ny tany, noho ny amin’ny mponina ao aminy: izany no vokatry ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Nefa ho lao ny tany noho ny amin’ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Nefa ho lao ny tany noho ny amin'ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 7:13
22 Rohy Ifampitohizana  

Hitako tsara fa izay mamboly tsy fahamarinana sy mamafy fahoriana no hijinja ny vokany.


Ny saim-pantatrareo sy ny vokatry ny fitondrantenanareo no hampizihi-kibo ka hankandoa anareo.


Hanomezam-pankasitrahana azy anie ny tombontsoa azony ary hideran’ny besinimaro azy anie ny zava-bitany!


Ny heloky ny olon-dratsy dia mamandri-tena, ka ny fahotany ihany no maningotra azy.


Amin’izany andro izany, dia hilaozana ireo tanàna mimandan’i Israely, tahaka ny nandaozana ny tanànan’ny Hivita sy ny Amôrita fahiny tamin’ny nahatongavan’ny Israelita; ka taniefitra mampalahelo no ho hany tavela.


–Izaho TOMPO kosa dia mahita ny ao am-po sy mamantatra ny ao an’eritreritra. Koa araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany avy no hamaliako ny olona.


Izaho no hirotsaka hamely anareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, araka ireo vokatry ny ratsy nataonareo. Dia hodorako amin’ny afo ny andry sedera marobe eo aminareo; ka ny zavatra rehetra manodidina ireo andry ireo dia ho levon’izany afo izany.


Ho rava sy hampahonena ny tany manontolo ary hanompo ny mpanjakan’i Babilôna mandritra ny fitopolo taona ny firenen-kafa rehetra.


Manana fikasana lehibe Ianao ary manan-kery hanatanterahana azy. Arakao maso avokoa izay izoran’ny olombelona mba hamalianao azy araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany.


Avy eo dia ambarao amin’ny olon’ity tany ity fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Ny mponin’i Jerosalema izay tafajanona eto amin’ny tanin’i Israely dia hihinana sy hisotro amin’ahiahy sy amin-tahotra; horavana sy hatao fongana manko ny taniny, noho ny herisetran’ny mponina rehetra ao aminy.


Hataoko rava sy lao ny tany; hitsahatra ny hery izay mampirehareha ny mponina eo aminy; hilaozana ny tendrombohitr’i Israely, ka tsy hisy olona handalo any intsony.›


Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.


Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo.


Ary hitsangana hitondra ny vahoaka izany mpanapaka nampanantenaina izany, hombàn’ny hery sy heniky ny famirapiratana avy amin’ny TOMPO Andriamaniny. Dia handry feizay ny vahoakany, satria ho lehibe hatrany am-paran’ny tany izany mpanapaka izany:


Izaho kosa nanomboka nikapoka anareo, mba handringanana anareo noho ny fahotanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra