Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 6:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Dia hoy IZY hoe: «Hofoanako tsy hisy ambonin’ny tany ny olombelona izay noarîko sy ny biby rehetra na lehibe na kely, hatramin’ny voro-manidina, satria manenina Aho tamin’ny nanaovako ireo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Dia hoy NY TOMPO: Haringako tsy hisy ambonin’ny tany ny olona izay noharìko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka, mbamin’ny voromanidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Dia hoy IZY hoe: «Hofoanako tsy hisy ambonin’ny tany ny olombelona izay noarîko sy ny biby rehetra na lehibe na kely, hatramin’ny voro-manidina, satria manenina Aho tamin’ny nanaovako ireo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 ka hoy Izy hoe: «Haringako tsy ho eo ambonin’ny tany ny olombelona noarîko, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny voromanidina, fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin’ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin’ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Dia hoy NY TOMPO: Haringako tsy hisy ambonin’ny tany ny olona izay noharìko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka, mbamin’ny voromanidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 6:7
21 Rohy Ifampitohizana  

Koa nanenina IZY ary nalahelo ny fony tamin’ny nanaovany ny olombelona teto ambonin’ny tany.


Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ny tany, izany hoe ny voro-manidina sy ny biby fiompy mbamin’ny bibidia, ny bibikely mihahohaho tambonin’ny tany, ary ny olombelona rehetra.


Fa herinandro sisa dia hampilatsaka ranonorana mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina amin’ny tany Aho, ka hofoanako eo amin’ny velaran’ny tany ireo zava-mananaina rehetra nataoko.


Ary nony ren’ny TOMPO ilay hanitra ankasitrahiny, dia hoy IZY anakampo hoe: «Tsy mba hanozona ny tany intsony Aho noho ny amin’ny olombelona. Eny, manomboka amin’ny fahatanorany, dia mirona ho amin’ny ratsy ny fon’ny olombelona; koa tsy hamely ny miaina rehetra intsony toy izay nataoko Aho.


Eny, ho ringana ny ratsy fanahy dia ireo fahavalon’ny TOMPO; ho tahaka ny voninkazo eny an-tsaha izy ka ho levona, eny, ho levona toy ny setroka.


Izay manaja ny TOMPO ho ela velona; fa ny olon-dratsy kosa malaky maty.


Samy misy antony avokoa ny zava-drehetra nataon’ny TOMPO; ka na dia ny ratsy fanahy aza dia nataony ho amin’ny androm-pamaizana.


Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina; ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy. Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity ka tsy hiantran’ilay Mpahary azy, sady tsy hangorahan’ilay Mpamorona azy.


Noho izany, fadiranovana ny tany; reraka ny mponina rehetra ao mbamin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina; ary na ny trondron-dranomasina aza dia ringana koa.»


Dia niova hevitra tokoa ny TOMPO ka dia IZY mihitsy no niteny hoe: «Tsy hisy izany.»


Ary niova hevitra tokoa ny TOMPO; ka dia Izy Tompo ANDRIANANAHARY no niteny hoe: «Tsy hisy izany.»


Amin’ny androm-pahatezeran’ny TOMPO, dia samy tsy hahavonjy ny olona na ny volafotsiny na ny volamenany. Fa hiredareda ny fahasaro-piaron’ny TOMPO ka handevona ny tany tontolo. Eny, hahatsiravina tokoa izany, satria haringan’ny TOMPO ny mponina rehetra amin’ny tany.


Izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO: «Holevoniko avokoa ny aina rehetra eto ambonin’ny tany.


Hopotehiko ny olona sy ny biby ary ny vorona mbamin’ny trondro; haringako ny ratsy fanahy sy ny asa manafintohina ataony. Tsy avelako hisy olona na dia iray aza eto ambonin’ny tany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany».


Araka izay nifalian’ny TOMPO hahasoa sy hahamaro anareo no hifaliany handringana sy handrava anareo; ka hofongorana ianareo tsy ho eo amin’ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.


Dia havahan’ny TOMPO tsy ho anisan’ny foko israelita rehetra intsony izy; ary ho loza ho azy izany, araka ny ozona rehetra izay raketin’ny fanekempihavanana voasoratra amin’ity bokin’ny Lalàna ity.


–Tena nanenenako ny nanaovako an’i Saoly ho mpanjaka, satria nivadika tamiko izy ka tsy nanaraka ny teniko. Tezitra sady nalahelo i Samoela, ka nitaraina mafy tamin’ny TOMPO ny alina tontolo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra